Ho zatovo mahery!
Mpianatr’i Jesoa Kristy
Janoary 2024


“Mpianatr’i Jesoa Kristy,” Ho zatovo mahery!, jan. 2024.

Andalana anampy andalana

Mpianatr’i Jesoa Kristy

Jereo ny fomba azo hampiharana aminao ihany koa ny famaritan’i Môrmôna ny tenany.

Sary
ny mpaminany Môrmôna

mpianatr’i Jesoa Kristy

Ny teny hoe mpianatra dia midika hoe olona mianatra avy amina mpampianatra (toy ny mpianatra any am-pianarana na mpiana-draharaha).

Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia mianatra avy Aminy, manaraka ny fampianarany, ary miezaka ny ho tahaka Azy.

Nantsoiny hanambara ny teniny

Ny olona sasany dia manana antso manokana mba hanambara ny tenin’i Kristy, toy ny misiônera. Kanefa isika dia mampanantena, amin’ny alalan’ny fanekempihavanana ataontsika, ny hitandrina ny didiny, isan’izany ny didy mba ho fahazavana ho an’izao tontolo izao (jereo ny Matio 5:14–16). Ary manambara ny fahavononantsika isika ny “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zavatra rehetra, ary amin’ny toerana rehetra” (Mozià 18:9).

Ny mpikambana rehetra ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia antsoina mba hanampy amin’ny fanatontosana ny asan’ny Tompo sy hizara ny filazantsarany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38: 40–41).

fiainana maharitra mandrakizay

Ny hoe fiainana maharitra mandrakizay dia midika hoe fiainana any amin’ny fanjakana selestialy miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Izany no valisoa ho an’ireo olona izay manam-pinoana an’i Jesoa Kristy, mibebaka, manao sy mitandrina fanekempihavanana, ary maharitra hatramin’ny farany.

Hoy ny Tompo hoe: “Fa indro, izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” [Mosesy 1:39). Manampy Azy hanatontosa ny asany ny mpianatra.

Hamoaka printy