Ho zatovo mahery!
Mampifandray
Janoary 2024


“Mampifandray,” Ho zatovo mahery! Jan. 2023.

Mampifandray

Nelina N.

12 taona, Sofia, Bulgarie

Sary
zatovovavy

Sary nalain’i Christina Smith

Tsy betsaka ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ao amin’ny toerana onenako. Tsy maintsy niandry ny fanomezan-dalana avy amin’ny raiko aho mba hatao batisa, kanefa tena naniry ny hanao izany aho. Nivavaka aho isan’andro mba hamelany ahy.

Niantso izy indray andro ary niteny tamiko fa azo atao batisa aho! Tena faly tokoa aho! Fantatro fa hanampy ahy hanaraka ny dian’i Kristy ny safidy nataoko.

Noho izaho mpikambana vaovao tato amin’ny Fiangonana dia tena te hanompo aho satria nahita olona hafa nanompo tsy tapaka. Nivavaka mafy aho mba hanomezan’ Andriamanitra ahy olona hotompoina. Indray alina tao anaty nofy, dia nahita vehivavy iray tao anaty métro aho izay nila fanampiana rehefa avy nianjera avy teo amin’ny sezany. Taty aoriana rehefa nandeha métro izaho sy ny dadako dia nahita vehivavy iray nianjera avy teo amin’ny sezany aho. Ilay vehivavy tao anaty nofiko mihitsy ilay izy! Traikefa masina ho ahy ny nahafahako nanampy azy.

Hamoaka printy