“Mpianatr’i Kristy i Lehia,” Ho zatovo mahery!, jan. 2024.
Dia toy izany koa aho
Mpianatr’i Kristy i Lehia
dia toy izany koa aho
Nonina tao anatina tontolo feno olona nanao safidy ratsy i Lehia (jereo ny 1 Nefia 1:5). Tiany ny fianakaviany, ary nanao fahadisoana izy indraindray (jereo ny 1 Nefia 16:20), fa fantany ny fomba hibebahana (jereo ny 1 Nefia 16:24–27). Isan’ireo tanjona lehibe indrindra nananan’i Lehia ny hanampy ny fianakaviany hiaina tamim-pahamarinana (jereo ny 1 Nefia 2) sy hanara-dia an’i Jesoa Kristy. Afaka mianatra zavatra be dia be avy amin’ny ohatra nasehony aho.