Ho zatovo mahery!
Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana
Janoary 2024


“Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” Ho zatovo mahery!, jan. 2024.

Teny natao iainana

Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana

Sary
Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana

Sary nataon’i Bryan Beach

Hisintona ny endrika PDF

Satria nandresy ity tontolo lavo ity i Jesoa Kristy, ary satria nanonitra ho antsika tsirairay avy Izy dia afaka mandresy ity tontolo izay feno fahotana sy tia tena ary matetika mandreraka ity koa ianareo.

Afaka mijoro eo ambonin’ity tontolo ambivitra ankehitriny ity ianao sy mahita fitsaharana marina rehefa mibebaka marina sy mitady ny fanampiany.

Inona no dikan’ny hoe mandresy izao tontolo izao?

Izany dia midika fa:

  • Mandresy ilay fakam-panahy hifantoka bebe kokoa amin’ny zavatr’izao tontolo izao fa tsy ny an’ Andriamanitra.

  • Matoky ny fotopampianaran’i Kristy mihoatra noho ny filôzôfian’olombelona.

  • Faly amin’ny fahamarinana, miampanga ny fitaka, ary lasa “mpanara-dia an’i Kristy sady manetry tena.”

  • Misafidy ny tsy hanao izay rehetra mandroaka ny Fanahy sy vonona ny “hahafoy” na dia ny ota tiantsika indrindra aza.

  • Mitombo ao anatin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny Zanany Malala mihoatra noho ny fitiavanao olona na zavatra hafa.

Ahoana no handresentsika izao tontolo izao?

  • Mikatsaka sy manaraka ny bitsiky ny Fanahy.

  • Amin’ny alalan’ny fibebahana isan’andro sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana izay manome hery antsika.

  • Mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Ny Mpamonjy dia mankahery antsika ao anatin’ity tontolo lavo ity amin’ny alalan’ny fanomezana antsika bebe kokoa fiantrana, fanetrentena, fahalalahan-tanana, hatsaram-panahy, fifehezan-tena, fiadanana, ary fitsaharana.

Satria nandresy an’ity tontolo ity i Jesoa Kristy dia afaka manao izany ihany koa ianareo.

Hamoaka printy