Ho zatovo mahery!
Mila torohevitra mahakasika ny fandrafetana ny fiaraha-mientan’ny zatovo aho. Inona avy ireo hevitra tsara ho an’izany?
Janoary 2024


“Mila torohevitra mahakasika ny fandrafetana fiaraha-mientan’ny zatovo aho. Inona avy ireo hevitra tsara ho an’izany?” Ho zatovo mahery!, jan. 2024.”

Fanontaniana sy valiny

“Mila torohevitra mahakasika ny fandrafetana fiaraha-mientan’ny zatovo aho. Inona avy ireo hevitra tsara ho an’izany?”

Mifandimbiasa dia miaraha manao drafitra

Sary
zatovovavy

“Mifandimby mandrafitra fiaraha-mientana izahay isan-kerinandro. Manala ny rarin-tsaina mety hahazo ny olona iray miasa irery izany, ary mahazo hevitra isan-karazany izahay. Manampy ihany koa ny manao fiaraha-mientana izay arahan’ny rehetra harafitra. Tia miara-milalao sy miara-mihomehy ary manompo izahay.”

Adelynne S., 17 taona, Utah, Etazonia

Mitondra ny hafa ho any amin’ny Mpamonjy

Sary
zatovovavy

“Anontanio an’ireo olona ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao ny zavatra mahafinaritra azy ireo. Misafidiana fiaraha-mientana izay mampifanakaiky ny zatovo sy mitondra azy ireo hanatona ny Mpamonjy, dia miaraha fotsiny miala voly! Isan’ireo tena tiako indrindra foana ny fiaraha-mientana hanaovana asa fanompoana. Mahazo namana vaovao foana aho!”

Katie G., 18 taona, Washington, Etazonia

Miezaha mampandray anjara ny tsirairay

Sary
zatovovavy

“Mahatonga ny hafa hahatsapa ho voaray tsara kokoa ny fiaraha-mientana izay ahafahan’ny rehetra mandray anjara. Tena manampy ny fanontaniana ny fialam-boly na ny zavatra hafa tian’ny vondrona misy anao.”

Lily D., 13, Arizona, Etazonia

Fanontaniana telo

Sary
zatovovavy

“Matetika ny kilasiko no mandrafitra fiaraha-mientana miainga amina fanontaniana telo: Amin’ny inona isika no tokony hivoatra? Iza no mila ampiantsika? Fotoana hanaovana fiaraha-mientana mila fotoana sy hery kelikely kokoa noho ny fiaraha-mientana hafa ve izao? Sady mieritreritra ireto zavatra ireto, mivavaka, misaintsaina, ary miara-midinika. Afaka manao izany koa ianao!”

Isabella R., 14 taona, Oregon, Etazonia

Tranon-tsary ara-panahy

Sary
zatovovavy

“Mila gazetibokin’ny Fiangonana maromaro ianao mba hahafahanao manety sary na hafatra ara-panahy izay manentana ny fanahinao. Dia apetraho ao anatina tranon-tsary araka izay fandaminana tianao manokana hanaovana azy ny zavatra nohetezanao. Azonao apetraka amin’ny toerana azonao hijerena izany ilay izy.”

Florence M., 14, Colombie Britanique, Kanadà

Hamoaka printy