Ho zatovo mahery!
Izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy
Janoary 2024


“Izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy,” Ho zatovo mahery!, jan. 2024.

Teny filamatry ny Zatovo ho an’ny taona 2024

Izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy

Afaka manaraka ny Mpamonjy sy mampiely ny teniny amin’ny hafa ianao.

Sary
Sary famantarana ny teny filamatry ny Zatovo ho an’ny taona 2024

Efa nametra-panontaniana ve ianao hoe nahoana i Jesoa, rehefa avy nanasitrana olona, no niteny ny sasany tamin’izy ireny mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza (jereo ny Marka 7:36)? Mety misy hifandraisany amin’ireo karazana mpanara-dia ilainy ny antony iray. Mety mieritreritra ianao fa raha miresaka momba ny fahasitranany ny olona dia ho fomba tsara hanintonan’i Jesoa mpanara-dia izany. Tsy mpanara-dia fotsiny anefa no nilain’i Jesoa. Nila mpianatra izy.

Hoy i Jesoa tamin’i Petera sy Andrea hoe: “Andeha hanaraka Ahy” (Matio 4:19). Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’io andininy io dia mivaky toy izao: “Izaho no Ilay efa nosoratan’ireo mpaminany; manaraha Ahy” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:18). Tsy ny hiaraka aminy maharitra fotsiny ilay fanasana. Tiany mba ho mpianany mandrakizay izy ireo.

Tsy tiany hijery Azy hampianatra olona sy hitia olona ary hanatanteraka fahagagana fotsiny izy ireo. Tiany hanao izany koa izy ireo. Tiany mba ho asan’izy ireo ny Asany. Ny misafidy an’i Kristy dia midika hoe hianatra hanompo tahaka ny nanompoany sy hieritreritra tahaka izay fomba nieritreretany izy ireo. Hanao fampiharana hiaina tahaka ny niainany izy ireo, ary hampianatra azy ireo Izy sy hanome azy ireo ny fanampiana ilainy mba ho tonga tahaka Azy kokoa.

Sary
Jesoa Kristy

Ny teny Grika ilazana ny hoe mpianatra dia hoe mathetes. Midika mihoatra noho ny hoe mpanara-dia na mpianatra izany. Matetika izany no adika hoe mpiana-draharaha. Tamin’ny andron’i Kristy dia mazàna ny mpianatra no nisafidy ny mpampianatra izay tian’izy ireo hampianatra azy ary ny antony nandrisika azy ireo dia ny ho tonga mpampianatra ihany koa. Tsy nanaraka ilay fomba fanao mahazatra i Kristy. Nampifamadihany ilay izy dia naleony nandeha nitady ny mpianany. Ankehitriny dia miantso antsika i Kristy mba hanatona Azy. Miantso antsika mba ho mpianany Izy ary manambara ny teniny eo anivon’ny olona mba hahazoan’izy ireo manana ny fiainana maharitra mandrakizay (jereo ny 3 Nefia 5:13).

Ny zatovovavy iray avy any Haiti ao Caraïbes dia naneho ny faniriany mba ho mpianatr’i Kristy tamin’ny alalan’ny fanasana ny namany iray tsy mpikamban’ny Fiangonana mba hiaraka aminy hamonjy fihaonambe HZM iray. Tamin’ny voalohany dia tsy te hamela ny zanany vavy handeha ny rain’ilay namany. Nanazava mikasika ny traikefa tsara miandry azy sy ireo tanora mpanoro hevitra mahafinaritra izay hiahy azy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Nanome lalana ny zanany vavy hanatrika izany ilay raim-pianakaviana, ary rehefa hitany ny fiovana nentin’izany teo amin’ny fiainan’ny zanany vavy, dia navelany nanatrika ireo fivoriam-piangonana ihany koa izy, ary enim-bolana taty aoriana, dia nomeny lalana mba hatao batisa.

Ny zatovolahy iray avy any Argentine ao Amerika Atsimo dia naneho ny faniriany mba ho mpianatr’i Kristy tamin’ny alalan’ny fizarana ny sasany tamin’ny vatomaminy tamin’ny namana iray rehefa nitaingina fiara fitaterana ho any an-tsekoly izy ireo. Rehefa tojo vatomamy manana tsiro kafe izy dia nanazava fa tsy mbola mahalala izany tsiro izany mihitsy satria tsy misy misotro kafe ny olona ao amin’ny fianakaviany. Nitarika ho amin’ny firesadresahana momba ny Fiangonana izany, izay nitarika ho amin’ny fanasana mba hamonjy ireo fivoriana, izay nitarika ny fidiran’ilay namany ho mpikamban’ny Fiangonana sy hanao asa fitoriana tany Chili taty aoriana.

Tsy ny olona rehetra izay hiresahanao momba ny Fiangonana na asainao hamonjy fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana akory no haniry ny ho lasa mpikambana avokoa. Tsy maninona izany. Tsy ny olona rehetra niresahan’i Kristy nandritra ny fanompoany teto an-tany koa no lasa mpikambana. Kanefa rehefa misafidy ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy isika ary manambara ny teniny, dia hanome herim-po sy fanampiana avy amin’ Andriamanitra ho antsika Izy. Hianatra ny fomba hahatongavana tahaka Azy kokoa isika, ary izany no ataon’ny mpianatra.

Hamoaka printy