Ho zatovo mahery!
Ny maha mpianatra: ny hevitr’izany sy ny fomba hahatongavana tahaka izany
Janoary 2024


“Ny maha mpianatra: ny hevitr’izany sy ny fomba hahatongavana tahaka izany,” Ho zatovo mahery! Jan. 2024.

Ny maha mpianatra: ny hevitr’izany sy ny fomba hahatongavana tahaka izany

Mba hahafantarana hoe iza marina ianao ary afaka ny ho tonga inona, dia ekeo ny hevitr’izany hoe mpianatr’i Jesoa Kristy izany sy ny fomba ahatongavana tahaka izany.

Sary
alt text

Hisintona ny endrika PDF

“Iza aho?”

Fanontaniana iray izay itadiavan’ny zatovo maro be valiny io. Rehefa mihalehibe ianao ary mianatra sy mivelatra amin’ny fombanao manokana, dia manontany tena ho azy momba ny zavatra mamaritra anao sy izay manome anao ny maha izy anao. Nanome fitarihana manan-danja vitsivitsy mahakasika io fanontaniana io ny Filoha Russell M. Nelson:

“Iza moa ianao? Voalohany sy farany manan-danja dia zanak’ Andriamanitra ianao, zanaky ny fanekempihavanana ary mpanaradia an’i Jesoa Kristy. Rehefa mandray ireo fahamarinana ireo ianao dia hanampy anao hahatratra ny tanjonao faratampony mba hiaina mandrakizay eo amin’ny fanatrehany masina ny Raintsika any An-danitra” (“Safidy ho an’ny mandrakizay” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 15 mey 2022], broadcasts.ChurchofjesusChrist.org).

Nampianatra ny Filoha Nelson fa tsy tokony hisy anarana omena hanan-danja kokoa aminao mihoatra ireto anarana fiantsoana ilazana ny maha izy ny tena miisa telo ireto: (1) zanak’Andriamanitra, (2) zanaky ny fanekempihavanana, ary (3) mpianatr’i Jesoa Kristy.

Ny maha izy azy ny mpianatra

Andeha isika hiresaka misimisy kokoa momba io fahatelo io, mpianatr’i Jesoa Kristy. Ahoana no hanekenao marina io maha izy ny tena io sy ho tonga mpianatra?

Mba hanarahan-dia ny Mpamonjy sy hahatongavana ho mpianany dia mila mifantoka amin’ny zavatra ataonao sy ny fomba hanaovanao izany ianao.

Ohatra, tian’ny Mpamonjy hanome ho an’ny hafa sy hanompo azy ireo isika, kanefa manasa antsika Izy mba hanao izany an-tsitrapo sy am-pifaliana fa tsy amim-pahalainana. Rehefa te hanome sy hanompo isika dia mahazo ny valisoa tsara indrindra avy amin’ny maha mpianatra marina. (Jereo ny 2 Korintiana 9:7; Môrônia 7:8.)

Ka noho izany dia andao isika hijery ny zavatra ataon’ny mpianatra sy ny fomba hanaovany izany.

Ny zavatra ataon’ny mpianatra

Ireto ny vitivitsy amin’ireo zavatra maro azon’ny mpianatr’i Kristy atao mba hanarahana ny Mpamonjy.

  • Mampihatra finoana amin’ny fomba hampiharan’ny mpianatra finoana.

  • Manompo amin’ny fomba anompoan’ny mpianatra.

  • Mivavaka amin’ny fomba ivavahan’ny mpianatra.

  • Mandalina amin’ny fomba andalinan’ny mpianatra.

  • Mibebaka amin’ny fomba ibebahan’ny mpianatra.

  • Mieritreritra amin’ny fomba ieritreretan’ny mpianatra.

  • Mitia an’ Andriamanitra amin’ny fomba itiavan’ny mpianatra an’ Andriamanitra.

  • Mitia ny hafa amin’ny fomba itiavan’ Andriamanitra ny hafa.

  • Mampianatra amin’ny fomba ampianaran’ny mpianatra.

  • Maharitra amin’ny fomba aharetan’ny mpianatra.

Ny fomba anaovan’ny mpianatra izany

Ireto misy famaritana vitsivitsy mikasika ny fomba mety hanaovan’ny mpianatra iray ireo zavatra ireo. Maro amin’ireo famaritana ireo no mety azo ampiharina amin’ny maro amin’ireo zavatra ireo. Mety ho azo ampiharina amin’ny rehetra ny sasany amin’izy ireo.

  • Amin’ny fo sy ny saina mifantoka amin’i Jesoa Kristy

  • An-tsitrapo

  • amim-panetrentena

  • Amim-pitiavana

  • Amim-pahazotoana

  • Atao tsy tapaka

  • Amin’ny fo manontolo

  • Amim-pahamatorana

  • Amin-kitsimpo

  • Tsy misy fanavakavahana na tsy fandeferana

  • amim-paharetana

  • Amim-pahasahiana

  • Amin-kerimpo

  • Mifantoka amin’ny amin’ny zavatra ilain’ny hafa

  • Mifantoka amin’ny soratra masina

  • Tsy voahozongozona

  • amin-katsaran-toetra

  • Feno fanantenana

  • Omban’ny faniriana hitovy amin’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy

  • Tsy voasariky ny zavatra hafa

Mety hahazo tombontsoa avy amin’ny fieritreretana ny zavatra ataonao mba hanarahan-dia ny Mpamonjy sy ny fomba hanaovanao izany ianao. Raha toa ianao ka mahatsapa fa tokony hanova zavatra manokana ao amin’ireo sokajy roa ireo, dia tsara izany. Azo inoana fa ny Fanahy izay mitaona anao ho lasa mpianatra tsaratsara kokoa aza izany.

Maha izy ny tena tokony hekena sy hankamamiana

Araka ny nolazain’ny Filoha Nelson dia ampahany manan-danja amin’ny maha izy anao ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy. Rehefa manaiky sy mankamamy io maha izy ny tena io ianao dia hanampy anao ny Ray any An-danitra mba ho lasa ilay olona fantany fa azonao hahatongavana, ilay olona izay tena tianao hahatongavana ao anatinao lalina ao.

Hamoaka printy