Ho zatovo mahery!
Mpanamory ao amin’ny tafiky ny Tompo
Janoary 2024


“Mpanamory ao amin’ny tafiky ny Tompo,” Ho zatovo mahery, jan. 2024.

Mpanamory ao amin’ny tafiky ny Tompo

I Lamar F. Avy ao Midland de l’Est ao Angletera dia manana tanjona lehibe izay manampy azy hanohy hanao sidina, na dia rehefa lasa sarotra be aza ny zavatra iainany.

Sary
fiaramanidina

Sary nomen’i Satomi Folkett

“Efa elabe aho no naniry ny hitondra fiaramanidina araka ny fitadidiako azy,” hoy i Lamar F. Izay 17 taona. Rehefa nilaza taminy mikasika ny fikambanana mpanao asa soa iray izay manampy ny olona manana fahasembanana hianatra hitondra fiaramanidina ny namany iray fony izy mbola nanao fifaninanana hazakazaka tamin’ny seza misy kodiarana, dia maika ery i Lamar ny hanandrana.

Nofinofy manakatra ny lanitra

Nisoratra anarana mba hanaraka ny fandaharam-pianarana miisa roa tao amin’ilay fikambanana mpanao asa soa izy. Ny iray tamin’izany, ny Junior Aspiring Pilots Program (JAPP), dia noforonina manokana ho an’ireo zatovo ao anatin’ny sokajin-taona 12 ka hatramin’ny 18 taona. Ireo fandaharam-pianarana ireo sy ireo lesona hafa ahafahana mandeha irery manamory fiaramanidina dia manosika azy hanakaiky kokoa ny tanjony lehibe, dia ny hahazo ny Fahazoan-dalana ho mpanamory fiaramanidina amin’ny sehatra tsy miankina.

Avy amin’ny fianakaviany ny ampahany amin’ny fahazoany izany hevitra izany. Ny ray mpiantoka an’i Lamar no olona voalohany nahatonga azy ho liana fatratra amin’ny fitondrana fiaramanidina, izay nitondra azy namonjy ireo seho an’habakabaka isan-taona. Taty aoriana rehefa avy natsangan’ny fianakaviana iray hafa izy teo amin’ny faha efa-taonany dia nitohy nitombo ny fahalianan’i Lamar tamin’ny fiaramanidina rehefa nijery ny ray nanangana azy nanohy fianarana mba hahazoana fahazoan-dalana ho mpanamory izy. Izy no nanome aingam-panahy ahy haniry ho lasa mpanamory,” hoy i Lamar. Amin’izao ny dadan’i Lamar dia afaka miara-mitaingina amin’i Lamara ny fiaramanidina ahitana tangolimihodina tokana sy seza miisa dimy izay ianaran’i Lamara mitondra.

Sary
fianakaviana

Ny ray aman-drenin’i Lamar (izay hita eo amin’ny andaniny roa eo akaikiny amin’ny sary) dia isan’ireo mpanohana azy lehibe indrindra.

Sary
zatovolahy eo akaikina fiaramanidina

Tamin’ny sidina voalohany nataon’i Lamar tamin’ny fiaramanidina tena izy dia nitebiteby izy tamin’ny fitadidiana ny zavatra rehetra. “Nanao vavaka mangina vetivety aho talohan’ny niaingako, dia tsy naninona intsony,” hoy izy. Amin’izao izy rehefa sahirana amin’ny fitadidiana zavatra rehefa eny am-panidinana, dia ireo vavaka mangina ireo no manampy azy hanao izay zavatra ilainy atao. Na dia rehefa tsy mipetraka ao amin’ny seza ao aoriany aza ny dadany dia fantatr’i Lamar fa miaraka aminy foana ny Rainy any An-danitra.

Sary
zatovolahy ao anaty fiaramanidina

Ny tafiky ny Tompo

Tsy ny fitondrana fiaramanidina ihany no nahatonga an’i Lamar hanana toe-tsaina feno fifaliana. “Efa hatramin’izay aho no tena mpankafy ny tafika Britanika, ny zavatra rehetra manomboka amin’ny fanosorana mpanjaka ka hatramin’ny fandevenana,” hoy izy.

Sary
zatovolahy miaraka amin’ny sarivongana maneho miaramila
Sary
zatovolahy manadio kiraro

“Noho ny fahasembanako dia tsy afaka mirotsaka mivantana ao amin’ny tafika aho,” hoy i Lamar. Kanefa nankahery an’i Lamar ny iray tamin’ireo mpitarika azy tao amin’ny Zatovolahy izay efa miaramila teo aloha. “Nampahatsiahy ahy foana izy fa tsy voatery hirotsaka ao amin’ny tafik’izao tontolo izao aho satria efa ao amin’ny tafiky ny Tompo aho,” hoy i Lamar. “Ny maha ao anatin’ny tafiky ny Tompo ahy dia mahatonga ahy ahatsapa fa na dia eo aza ireo zava-tsarotra mety holalovako eo amin’ny fiainana, na inona na inona ataon’ny olona amiko, dia manana an’i Jesoa Kristy eo anilako aho.”

Sary
zatovolahy iray miaraka amina lehilahy iray

Rahalahy Bayliss, izay mpitarika an’i Lamar ao amin’ny Zatovolahy, dia nampitsiry hevitra azy mba hirotsaka ao amin’ny “Tafiky ny Tompo.”

Ao amin’ilay oniversite ho an’ny olona manana fahasembanana izay ianarany, dia miezaka manampy olona hafa mitovy taona aminy i Lamar mba hirotsaka ao amin’ny tafiky ny Tompo rehefa mizara ny filazantsara amin’izy ireo izy. “Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia tsy raharahian’ny olona aho,” hoy izy, “kanefa indraindray dia misy olona liana ihany. Noho ny vitsivitsy amin’ireo zavatra ilaiko amin’izao fotoana izao dia tsy afaka misafidy ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ato ho ato aho. Kanefa toy izao no eritreritro momba izany: tsy mila fasiana anarana apetraka eo an-tratra aho mba ho misiônera.”

Koa satria vitsy dia vitsy ny zatovo ao amin’ny paroasiny, dia tsy mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny ankamaroan’ny naman’i Lamar. Tsy mora foana ny zavatra iainana any an-tsekoly, indrindra fa rehefa misy fakam-panahy “faran’izay be dia be” araka ny filazan’i Lamar azy. “Be dia be ny mpianatra miresaka mombana zavatra tsy mendrika sy mihaino hira tsy mendrika. Amin’ny ankapobeny, isaky ny misy zavatra toy izany mitranga, dia miala eo fotsiny aho ary mankany amin’ny efitrano iray tsy ahitana izany.”-

Sary
zatovolahy miaraka amin’ny saina

Mahatanjaha hatrany

Rehefa tonga ny fakam-panahy na tsy liana ny hahare ny filazantsara ny hafa, dia asandratr’i Lamar avo ny soratra masina tiany indrindra hoe: “Fidionareo anio ary izay hotompoinareo; … fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay” (Josoa 24:15).

“Ny soratra masina dia nanampy ahy hijanona ho matanjaka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy,” hoy izy. Tena zava-dehibe tokoa izany ho an’i Lamar ao amin’ny fianakaviany. Fony i Lamar 10 taona dia tsy nandeha nivavaka intsony ny rainy. “Mbola kely aho tamin’izany, ka dia tsy tena nahatakatra,” hoy izy. “Niezaka nandresy lahatra azy hiverina aho. Saingy nahafantatra aho fa tsy izay no olana. Mila omena fotoana izy.”

Mbola manana fifandraisana tsara amin’ny rainy i Lamar ary maneho fitiavana azy amin’ireo zavatra atao isan’andro, toy ny fitantarana aminy ny zavatra nitranga tany am-piangonana na ny fiarahana aminy. “Nampianatra ahy foana izy fa na inona na inona zavatra lalovanao dia mila mijanona ho matanjaka ianao.” Ho an’ireo zatovo rehetra izay manana fianakaviana malaindaina ao amin’ny Fiangonana dia mbola nampiany hoe: “Mahatanjaha hatrany. Fikiro ny finoanao. Aza milavo lefona na inona na inona mitranga.”

Sary
Jesoa Kristy

Mitady an’i Kristy rehefa lasa tena mafy ny zavatra iainana

Nahazo herim-po tao amin’i Kristy tamin’ny fomba hafa azy manokana koa i Lamar. “Nampijalian’ny tebiteby mafy aho indraindray,” hoy i Lamar. “Ataoko angamba fa i Jesoa Kristy mihitsy no ilay olona tsara indrindra afaka manome herim-po ahy hanohy. Tena mafy ny zavatra nentiny, kanefa dia nanohy ny asa nanirahana Azy izy.”

Rehefa miaina tontolo andro tena ratsy i Lamar dia matetika izy no maka sary an-tsaina ny Mpamonjy mamporisika azy miteny hoe: “Vitanao io. Mahavita miaritra ny zavatra rehetra ianao.”

Izy ihany koa dia mahazo tanjaka avy amin’ny reniny sy ny rainy, ireo namany, ary ireo olona hafa akaiky azy. “Nisy fotoana izay toa nahavoatarika ahy ho amin’ny lalan-diso,” hoy i Lamar. Kanefa noho ny fisian’ny fanohanana tsara avy amin’ny olona, dia afaka nanitsy ny lalany izy ary nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba an’i Kristy.

“Mbola mampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananako aho,” hoy izy, “kanefa mahafinaritra izany hoe isan’ny tafiky ny Tompo izany sy ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Zavatra tiako izany.”

Mety ho mbetika tsara mbetika ratsy ny zavatra iainany ao anatin’ny diany, saingy fantatr’i Lamar ny zavatra nahatonga ahy hanohy hiakatra avo. “Na dia eo aza ireo fitsapana sy olana lalovanao, dia ho eo anilanao ny Ray any An-danitra satria miraharaha anao sy tia anao Izy.”

Hamoaka printy