Ho zatovo mahery!
Fomba maro ahafahana mianatra
Janoary 2024


“Fomba maro ahafahana mianatra” Ho zatovo mahery!, jan. 2024.

Fomba maro ahafahana mianatra

Te hanatsara kokoa izao tontolo izao ve ianao? Manomboka amin’ny fianarana ny fomba hanaovana izany ilay izy.

Sary
zatovovavy mijery fitaratra

Sary nataon’i Dean Macadam

Inona no ifandraisan’ny fianarana manapaka volo amin’ny fametrahana jiro eny amin’ny lampihazo?

“Ao anatin’ny drafitro daholo izany,” hoy i Lisa, izay efa tanora ary mianatra ao amin’ny kilasin’ny taona voalohany any amin’ny oniversite.

Nanomboka nianatra tany amin’ny sekoly fianarana mikarakara volo sy tarehy i Lisa teo amin’ny faha 16 taonany. Nahita fandaharam-pianarana izay namela azy hianatra tao anatin’ny tapak’andro tany amin’ny lisea mihitsy aza izy mba hahafahany miofana any amin’ny sekoly fianarana mikarakara volo sy tarehy isaky ny tolakandro. Ny fianarany teknôlôjia mahakasika ny fanaovana fampisehoana any amin’ny ôniversite amin’izao fotoana izao dia tsy midika fa hoe tsy nahomby ny fianarana rehetra nataony momba ny fikarakarana volo sy tarehy. Raha ny marina dia mizotra araka ny nantenainy daholo ny zavatra rehetra.

“Te hanana fahaiza-manao azoko ampiasaina mba handoavana ny sara-pianarako any amin’ny oniversite aho,” hoy i Lisa. “Ankoatra izay, dia mamela ahy hanompo olona hafa sy tsy handany vola amin’ny fikarakarana ny volon’ny fianakaviako mandritra ny fiainako izany!”

Ny antony ianarantsika

“Tian’ny Ray any An-danitra hianatra foana ireo zanakavaviny sy zanakalahiny.”1 Ireto misy vitsivitsy amin’ireo fomba maro maha fitahiana lehibe ny fianarana mandritra ny androm-piainana:

  • Afaka manampy sy mampianatra ireo namanao, ny fianakavianao ary ny hafa amin’ny fomba tsaratsara kokoa ianao.

  • Afaka manompo ao amin’ny Fiangonana sy ny fiarahamonina amin’ny fomba tsaratsara kokoa ianao.

  • Hanana fahaiza-manao azo hitadiavam-bola hananana fizakan-tena ianao.

  • Afaka hitondra ny fahalalana anananao miaraka aminao aorian’ny ahafatesanao ianao.

  • Rehefa mampiasa amim-pahavitrihana ny atidohanao ianao dia afaka mijanona ho salama kokoa izany.

Ny fomba ianarantsika

Ianarantsika ao anatin’ny soratra masina fa isika dia tokony “[hikatsaka] ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118; jereo koa ny 130:18). Ankehitriny dia betsaka kokoa ireo lalana misokatra ahafahana mianatra raha oharina amin’ny teo aloha, toy ny:

  • Fianarana any an-tsekoly, isan’izany ny any amin’ny oniversite sy ireo sekoly fianarana momba ny varotra.

  • Mikatsaka fahalalana “ao amin’ny boky tsara indrindra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118). Azonao ampiana ihany koa hoe: “ny loharanom-pahalalana nomerika tsara indrindra.”

  • Mianatra mivantana avy amin’ny namana sy ny olona ao amin’ny fianakaviana.

    Hevitra amin’ny fiaraha-mientana! Manaova fiaraha-mientana fampianarana “fifanakalozana fahaiza-manao” ao amin’ny sampana na ny paroasy misy anao. Tonga manatrika izany sady vonona ny hampianatra zavatra hain’izy ireo atao ny rehetra.

  • Vavaka sy fandalinana soratra masina.

  • Miaina amim-pahatokiana mba ho mendrika ny fananana mandrakariva ny Fanahy Masina ho namana, izay “hampianatra anareo ny zavatra rehetra” (Jaona 14:26).

  • Fanaovana andrana, fahaiza-mamorona, ary ezaka. Ny tena zava-dehibe amin’ny fahalalana dia betsaka ny zavatra hay isan’andro. Afaka mampitombo ny habetsaky ny fahalalàna ananan’ny olona eto amin’izao tontolo izao ianao.

Ny fotoana ianarantsika

Amin’ny farany, na mianatra manao volo tahaka an’i Lisa ianao na mianatra ny fomba hampivoarana ny teknôlôjian’ny angovo ho an’ny taranaka ho avy, dia mampahatsiahy antsika ny Filoha Nelson fa misy foana ny fotoana tsara indrindra hanaovana amim-pahavitrihana ny asa toy izany:

“Eny, tokony hianatra avy amin’ny lasa isika, ary eny, tokony hiomana ho amin’ny hoavy isika,” hoy izy nampianatra. “Saingy izao ihany isika no afaka manao zavatra. Izao no fotoana ahafahantsika mianatra. … Izao no fotoana ahafahatsika mitahy ny hafa.”2

Eny ary. Inona no tianao ianarana amin’izao fotoana izao?

Hamoaka printy