Ho zatovo mahery!
Miantsambo mankany amin’ny zava-baovao
Janoary 2024


“Miantsambo mankany amin’ny zava-baovao,” Ho zatovo mahery!, jan. 2024.

Avia, hanaraka Ahy

1 Nefia 3–4; 17–18

Miantsambo mankany amin’ny zava-baovao

Inty misy lesona ianaran-javatra mahafinaritra azonao ampianarina ny fianakavianao na ny kilasinao mandritra ny fandalinana ny Avia, hanaraka Ahy amin’ity volana ity.

Sary
Miantsambo mankany amin’ny zava-baovao

Hisintona ny endrika PDF

Rehefa manandrana manao zavatra vaovao ianao dia mety mahatsapa ho toa an’i Nefia mitady ireo takela-barahina, “tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hatao[nao]” (1 Nefia 4:6). Kanefa tadidio fa tsy irery na oviana na oviana ianao, indrindra fa rehefa manao zavatra nodidian’ Andriamanitra atao.

1. Tsy nahafantatra mialoha

Omeo taratasy ny olona tsirairay. Kanefa aza lazaina azy ireo hoe atao inona ilay izy. Resaho isaky ny dingana tsirairay kosa ny fomba hahazoantsika matetika fanambarana avy amin’ Andriamanitra, tahaka ny nahazoan’i Nefia ireo takela-barahina (jereo ny 1 Nefia 3–4) na nanamboatra sambo (jereo ny 1 Nefia 17–18).

2. Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra

Inty amin’izay ilay ampahany mahafinaritra! Vakio mafy tsirairay ireo torolalana ireo mba hanampiana ny vondrona misy anao hamoritra ilay taratasiny izay tsy fantatra hoe atao inona. (Sarotra izany raha tsy misy sary! Raha mila fanampiana amboniny izy ireo dia avelao izy ireo hijery vetivety sy tsikelikely an’ilay sary.)

3. Fanambarana: Tarihin’ny Fanahy

Tokony efa hanana sambo kely taratasy mivalona izao ny fianakavianao na ny olona ao amin’ny kilasy misy anao! Makà minitra vitsy hiresahana momba ireo fotoana izay nilanareo rehetra ny fitarihan’ Andriamanitra “fitsipika anampy fitsipika.” Afaka manoratra na manao sarina zavatra eo amin’ireo sambonareo mihitsy aza ianareo mba hitadidiana izany fotoana izany.

Ka rehefa misy zava-baovao iainanareo amin’izao dia aza adino ny mikatsaka fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Tadidio fa Izy dia hanomana foana fomba hanaovanao ny zavatra izay nangatahiny (jereo ny 1 Nefia 3:7).

Torolalana

  1. Tazony amin’ilay sisiny fohy eo ambony ilay taratasy. Aforeto amin’ny antsasany, avy eo ambony mankeo ambany.

  2. Aforeto amin’ny antsasany avy eo ankavia mankeo ankavanana indray avy eo, dia sokafy ilay tsipika fivalonana vao nataonao teo.

  3. Ilay sisiny mivalona no ataovy eo ambony, dia raiso ny sisiny roa farany ambony ary aforeto midina mankeo amin’ilay tsipika fivalonana eo afovoany. Tokony ho toy ny telozoro misy mahitsizoro eny ambany ny endrik’izany.

  4. Raiso ilay ampahana taratasy kely eo ambanin’ny telozoronao dia aforeto miakatra ilay soson-taratasy iray eo ambony. Avadiho ilay izy dia avereno atao amin’ilay ampahana taratasy ao ambadika izany.

  5. Sintony hisokatra ny tapany ambany amin’ilay taratasy mba ho lasa toy ny satroka.

  6. Sintony hatrany mandra-pifampikasohan’ireo sisiny roa ary fisaho ho lasa endrika miraefadafy.

  7. Ilay sisiny misokatra no ataovy any ambany, dia aforeto miakatra ilay sisin-taratasy voalohany mba ho tonga eny amin’ny faratampon’ilay miraefadafy. Avadiho dia avereo amin’ilay ao ambadika izany. Tokony hitovy amina telozoro izany.

  8. Sintony hisokatra ny tapany ambany dia fisaho tahaka ilay nataonao teo amin’ny dingana faha-5 sy faha-6 izany mba ho lasa manana endrika miraefadafy.

  9. Tokony hisy sofiny telozoro anankiroa eo amin’ny havia sy havanana amin’ny tapany ambony amin’ilay miraefadafinao. Sintony hivoaka ireo sofiny ireo dia fisaho mba hahazoana iraizodafy mivadika. Dia sintony hivoaka ny sisiny mba hahafahan’izany mijoro irery.

Hamoaka printy