2016
Zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-186 an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany
Mey 2016


Zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany faha-186 an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Ny fivoriana sabotsy marainan’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, volana aprily dia nanomboka tamin’ny fanasana nataon’ny Filoha Henry B. Eyring izay namporisika ny mpihaino mba hivavaka ho an’ireo mpandahateny sy ireo amboarampeo, na mialoha na mandritra ny fotoana hanaovany lahateny sy hihirany. Ary rehefa namarana ny fihaonambe ny alahady tolakandro ny Loholona Jeffrey R. Holland, dia niteny hoe: “raha toa ka mahita ianao ao anatin’ireo andro ho avy … ireo singa eo amin’ny fiainanao izay mbola tsy mifanaraka amin’ireo hafatra henonao tamin’ity faran’ny herinandro ity ihany koa, dia aza avela ho kivy ny fanahy ary aza milavo levona. … Ny zavatra tena tsara mikasika ny filazantsara dia mahazo fitahiana isika rehefa miezaka na dia hoe tsy voatery hahomby foana aza isika” (pejy 125, 126).

Ny antso mba hanao asa nataon’izy ireo dia nampiditra mialoha sy nanamafy ny antso nataon’ny Filoha Thomas S. Monson fa “rehefa mandinika ireo fanapahan-kevitra raisintsika eo amin’ny fiainantsika isan’andro isika … raha misafidy an’i Kristy isika dia efa nanao ny safidy tsara” (pejy 86).

Ireo zavatra nisongadina hafa nandritra ny fihaonambe dia ahitana:

  • Ny fanambaran’ny Filoha Monson ireo tempoly efatra vaovao: any Bélem, Brésil; Quito, Équateur; Lima, Pérou (tempoly faharoa any); ary Harare, Zimbabwe (jereo ny tantara ao amin’ny pejy 142).

  • Ny fanohanana ireo Manampahefana Ambony vaovao miisa 11 (manomboka ao amin’ny pejy 131) ny tantaram-pianan’izy ireo).

  • Ny fanohanana ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany vaovao (manomboka ao amin’ny pejy 136) ny tantaram-pianan’izy ireo).

  • Ny fanambarana ny ezaka vaovao ho an’ny tsirairay sy ny fianakaviana mba hanolo-tanana eo an-toerana ho fanampiana ireo mpitsoa-ponenana (jereo ny pejy 13, 111 ary 141).

  • Ny fifantohana amin’ny fifandraisan’ny mpianakavy, indrindra fa ny anjara asan’ny lehilahy amin’ny maha-vady, ray ary mpihazona ny fisoronana azy ireo.

  • Hevi-baovao ara-potopampianarana avy amin’ireo mpandahateny, toy izao avy tamin’ny Loholona Dale G. Renlund izao: “Rehefa manakaiky an’ Andriamanitra isika dia ho tonga amin’ny fiainantsika ilay hery manome fahafahana hanao zavatra avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ary toy ireo mpianatra teny an-dalana nankany Emaosy dia hahita isika fa teo akaikintsika teo foana ny Mpamonjy” (pejy 42).

Hamoaka printy