Fitopololahy sy Fiadidian’ny Kilonga vaovao notohanana
Fitopololahy Manampahefana Ambony vaovao iraika ambin’ny folo sy Fitopololahin’ny Vondrom-paritra 62 ary Fiadidian’ny Kilonga Maneran-tany vaovao no notohanana nandritra ny fivoriana sabotsy tolakandro tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, aprily 2016.
Nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony vaovao ny Loholona isany W. Mark Bassett, Mark A. Bragg, Weatherford T. Clayton, Valeri V. Cordón, Joaquin E. Costa, Massimo De Feo, Peter F. Meurs, K. Brett Nattress, S. Mark Palmer, Gary B. Sabin, ary Evan A. Schmutz.
I Joy D. Jones no notohanana ho filohan’ ny Kilonga maneran-tany niaraka tamin’i Jean B. Bingham ho mpanolotsaina voalohany ary Bonnie H. Cordon ho mpanolotsaina faharoa.