2016
Tsodranon’ny patriarika en ligne
Mey 2016


Tsodranon’ny patriarika en ligne

Misy fitaovana vaovao en ligne izay hanome fahafahana ny mpikambana mba hahazo amin’ny fomba mora kokoa ny tsodranon’ny patriarika nomena azy ireo. Afaka mangataka ny tahadikan’ny tsodranon’ny patriarika nomena azy ireo amin’ny endriny numérique ny mpikambana ary afaka mangataka tahadikan’ny tsodrano avy amin’ireo razambe (raisina amin’ny alalan’ny taratasy na email). Afaka mandefa en ligne ireo fahazoan-dalana handray tsodrano ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, dia afaka mijery ireo fahazoan-dalana handray tsodrano ireo ny patriarika ary mandefa ny lahatsoratry ny tsodrano amin’ny endriny numérique aorian’ny fanomezana ilay tsodrano.

50 isan-jato maherin’ny tsatòkan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao no afaka mampiasa izany fitaovana izany amin’ny teny Anglisy, Espaniôla ary Pôrtogey. Amin’ny herintaona dia tokony hisy amin’ny fiteny 14 izany ary ho afaka ny hampiasa izany ny tsatòka rehetra.

Hamoaka printy