2016
Izay mpitarika lehibe indrindra no mpanara-dia lehibe indrindra
Mey 2016


Izay mpitarika lehibe indrindra no mpanara-dia lehibe indrindra

Hisy ny fotoana izay toa hahasarotra ny lalana manoloana anareo, saingy araho foana ny Mpamonjy. Fantany ny lalana. Raha ny marina dia Izy no lalana.

Fony aho 12 taona dia nitondra ahy nihaza tany an-tendrombohitra ny raiko. Nifoha tamin’ny 3 ora maraina izahay, nanisy lasely ny soavalinay ka nanomboka nandeha niakatra an’ilay tendrombohitra feno ala tao anatin’ny haizina tanteraka. Na dia tiako aza ny nihaza niaraka tamin’ny dadako dia nahatsapa tahotra kely ihany aho tamin’izany fotoana izany. Mbola tsy nandeha tao amin’ireo tendrombohitra ireo aho taloha sady tsy hitako ny lalana—ary tsy nahita na inona na inona mihitsy aho. Ny hany zavatra hitako dia ilay jiro kely nentin’ny dadako noho izany nitsilo ireo alan-kazo kesika nanoloana anay. Ahoana raha mibolisatra ka mianjera ny soavaliko—moa ve hitany tokoa izay alehany? Saingy nankahery ahy izao eritreritra izao: “Fantatr’i Dada izay alehany. Raha manara-dia azy aho dia hilamina ny zava-drehetra.”

Ary nilamina ny zava-drehetra. Farany dia niposaka ny masoandro ary dia niara-nanana tontolo andro nahafinaritra izahay. Rehefa nanomboka nody izahay dia nanondro tendron-tendrombohitra misolampy iray izay malaza sy niavaka tamin’ny rehetra teo ny dadako. “Io no Windy Ridge,” hoy izy. “Ao no toerana tsara fihazàna.” Teo no ho eo, dia fantatro fa te hiverina aho ka hianika ny Windy Ridge indray andro any.

Nandritra ireo taona nanaraka izany dia naheno ny raiko niresaka matetika momba an’i Windy Ridge aho, saingy tsy niverina mihitsy izahay—raha tsy indray andro, 20 taona taty aoriana, dia niantso ny dadako aho ary niteny hoe: “Ndao ho eny amin’i Windy.” Dia nanisy lasely ny soavalinay indray izahay ka nanomboka niakatra ny tendrombohitra. Efa mpitaingina za-draharaha aho tamin’io faha-30 taonako io, saingy mbola gaga aho fa nahatsapa tahotra tahaka izay tsapako tamin’izaho mbola zazalahy 12 taona. Saingy fantatry ny dadako ny lalana ka nanaraka azy aho.

Farany dia vitanay ny nihanika ny tampon’i Windy. Tena nahafinaritra ny endriky ny zavatra hita ary nanana faniriana be ny hiverina aho—tsy ho ahy anefa amin’izay fotoana izay fa ho an’ny vady aman-janako. Tiako izy ireo mba hiaina ny zavatra niainako.

Nandritra ny taona maro dia efa nanana fahafahana imbetsaka aho nitondra ireo zanako lahy sy zatovolahy hafa ho eny an-tampona tendrombohitra, tahaka ny nitarihan’ny raiko ahy. Ireo zavatra niainana ireo dia nanosika ahy hisaintsaina ny dikan’ny hoe mitarika—sy ny dikan’ny hoe manara-dia.

I Jesoa Kristy, Ilay Mpitarika lehibe indrindra sy Ilay Mpanara-dia lehibe indrindra

Raha toa aho ka hanontany anareo hoe “Iza no mpitarika lehibe indrindra efa niaina teto an-tany?” dia inona no holazainareo? Mazava ho azy fa i Jesoa Kristy no valiny. Naneho ohatra tonga lafatra mikasika izay toetra azo eritreretina tokony hananan’ny mpitarika Izy.

Fa ahoana kosa raha toa ka hanontany anareo aho hoe “Iza no mpanara-dia lehibe indrindra izay niaina teto an-tany?” Moa ve tsy i Jesoa Kristy indray no ho valiny? Izy no mpitarika lehibe indrindra satria Izy no mpanara-dia lehibe indrindra—Nanaraka ny Rainy tanteraka Izy tamin’ny zavatra rehetra.

Mampianatra izao tontolo izao fa ny mpitarika dia tsy maintsy olona mahery. Ny Tompo dia mampianatra fa tsy maintsy malemy fanahy izy ireo. Ny mpitarika eo amin’izao tontolo izao dia mahazo hery sy fahefana amin’ny alalan’ny talentany sy ny fahaiza-manaony ary ny hareny. Ny mpitarika tahaka an’i Kristy dia mahazo hery sy fahefana amin’ny alalan’ny “fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy.”1

Raha ny fijerin’ Andriamanitra dia ireo mpitarika lehibe indrindra foana no mpanara-dia lehibe indrindra.

Mamelà ahy ianareo hizara traikefa roa avy amin’ny fifandraisako vao tsy ela tamin’ny zatovolahin’ny Fiangonana izay nampianatra ahy mikasika ny fitarihana sy ny fanarahan-dia.

Samy mpitarika avokoa isika rehetra

Vao tsy ela, izaho sy ny vadiko dia nanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo lavitry ny paroasy misy ny tranonay. Taloha kelin’ny nanombohan’ny fivoriana dia nisy zatovolahy iray nanatona ahy ka nangataka ahy raha toa ka afaka manampy amin’ny fizarana ny fanasan’ny Tompo aho. Hoy aho hoe “Hahafaly ahy ny hanao izany.”

Nipetraka niaraka tamin’ireo diakona hafa aho ary nanontany ny iray izay nipetraka teo akaikiko hoe: “Inona no anjara ampanaovina ahy?” Nilaza tamiko izy fa izaho no mizara manomboka any aorian’ny trano fiangonana eo amin’ny laharana afovoany ary izy no ho eo amin’ny ilan’izany laharana izany, ary hiara-hiasa mandroso mankany aloha izahay.

Hoy aho hoe: “Efa ela aho no tsy nanao an’ity.”

Dia namaly izy hoe “Tsy maninona izany. Ho mety ny hataonao. Nahatsapa toy izany koa aho tamin’ny voalohany.”

Avy eo dia nanao lahateny tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny diakona tanora indrindra tao amin’ilay kôlejy, izay vao notendrena herinandro maromaro teo aloha. Rehefa vita ny fivoriana dia nivory nanodidina azy ireo diakona hafa hilaza ny fiderany ny lahateny nataon’ny mpiray kôlejy amin’izy ireo.

Rehefa niaraka namangy tamin’izy ireo aho tamin’io andro io dia hitako fa isan-kerinandro ny mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna ao amin’izany paroasy izany dia mamangy zatovolahy hafa ary manasa azy ireo ho anisan’ny kôlejy misy azy.

Samy mpitarika lehibe avokoa ireo zatovolahy ireo. Ary mazava tsara fa nahazo fanohanana mahafinaritra avy tamin’ireo mpihazona Fisoronana Melkizedeka sy ray aman-dreny ary ireo olona hafa izay nampianatra azy ireo ny andraikiny izy ireo. Ny olon-dehibe be fiahiana tahaka azy ireo dia mahita ireo zatovolahy tsy amin’ny maha-izy azy ireo fotsiny ihany fa amin’izay mety hahatongavan’izy ireo. Rehefa miresaka amin’ireo zatovolahy na momba ireo zatovolahy izy ireo dia tsy mifantoka amin’ny fahadisoany. Fa manantitrantitra kosa ireo toetra lehiben’ny maha-mpitarika izay asehon’izy ireo.

Ry zatovolahy, toy izany no fijerin’ny Tompo anareo. Manasa anareo aho hijery ny tenanareo toy izany. Hisy fotoana amin’ny fiainanareo izay iantsoana anareo mba hitarika. Amin’ny fotoana hafa ianareo dia ho antenaina mba hanaraka. Saingy ny hafatro ho anareo anio dia na inona na inona antso anananareo, dia mpitarika foana ianareo, ary mpanara-dia foana ianareo. Ny fitarihana dia fanehoana ny maha-mpianatra—resaka fanampiana ny hafa hanatona an’i Kristy tsotra izao izany, izay zavatra ataon’ny tena mpianatra marina. Raha toa ianareo ka miezaka mafy ny ho mpanara-dia an’i Kristy, dia ho afaka manampy ny hafa hanara-dia Azy, ka afaka ny ho mpitarika ianareo.

Ny fahaizanareo mitarika dia tsy avy amin’ny toetra izay mahay mifandray amin’olona, na ny fahaiza-manentana, na ny fahaiza-miteny eo imason’olona akory aza. Izany dia avy amin’ny fanoloran-tenanareo hanara-dia an’i Jesoa Kristy. Izany dia avy amin’ny fanirianareo ny ho lasa ilay araka ny tenin’i Abrahama hoe “mpandala ny fahamarinana.”2 Raha afaka manao izany ianareo—na dia tsy tonga lafatra aza amin’izany, saingy miezaka manao izany—dia mpitarika ianareo.

Ny fanompoana ao amin’ny fisoronana dia fitarihana

Nisy fotoana iray hafa aho tany Nouvelle-Zélande namangy ny tokantranon’ny reny tokan-tena iray niaraka tamin’ny zanany telo mbola zatovo. 18 taona ny zanany lahy zokiny indrindra ary vao nahazo ny Fisoronana Melkizedeka ny alahady mialoha izany. Nanontany azy aho raha efa nanana fahafahana hampiasa an’io fisoronana io izy. Hoy izy hoe: “Tsy dia haiko tsara ny dikan’izany.”

Nolazaiko izy fa nanana ny fahefana hanome tsodrano fankaherezana sy fanasitranana an’ny fisoronana izy izao. Nijery ny reniny aho, izay tsy nanana mpihazona ny fisoronana Melkizedeka teo anilany nandritra ny taona maro. “Eritreretiko fa tena mahafinaritra,” hoy aho, “raha omenao tsodrano ny reninao.”

Dia namaly izy hoe: “Tsy haiko hoe amin’ny fomba ahoana.”

Nohazavaiko taminy fa azony apetraka eo ambonin’ny lohan’ny reniny ny tanany dia tononiny ny anarany, ary ambarany izy dia manome tsodrano azy amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka, ary lazainy izay apetraky ny Fanahy ao an-tsainy sy ao am-pony, ary faranany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Ny andro taorian’io dia nahazo e-mail avy taminy aho. Toy izao no vakiny, amin’ny ampahany: “Nanome tsodrano ny reniko aho androany. … Nahatsapa ho tena natahotra sy tsy nahay aho, koa nivavaka tsy tapaka mba haka toky fa nanana ny Fanahy niaraka tamiko aho, satria tsy afaka nanome tsodrano aho raha tsy misy an’izany. Raha vantany vao nanomboka nanome tsodrano aho dia nanadino tanteraka ny tenako sy ny fahalemeko. … [Tsy nanantena] ny hery ara-panahy sy ara-pihetsehampo lehibe izay tsapako aho. … Rehefa izany dia nanenika ahy mafy ny fanahin’ny fitiavana ka tsy tanako intsony ny fihetsehampoko, ka dia nofihiniko ny reniko ary nitomany toy ny zazakely aho. … Na dia amin’izao izaho manoratra izao aza dia [tsapako mafy tokoa] ny Fanahy ka tsy te hanota intsony mihitsy aho. … Tiako ity filazantsara ity.”3

Moa ve tsy manentana ny fanahy ny mahita zatovolahy toa tsotsotra afaka manatanteraka zavatra lehibe amin’ny alalan’ny fanompoan’ny fisoronana, na dia mahatsapa tena ho tsy mahay izany aza izy? Vao tsy ela aho dia naheno fa io loholona tanora io dia nandray antso hanao asa fitoriana ary hiditra ny ivontoerana fanofanana misiônera amin’ny volana ambony. Mino aho fa hitarika fanahy maro ho amin’i Kristy io loholona tanora io satria nianatra ny fomba fanarahana an’i Kristy izy tamin’ny fanompoany tao amin’ny fisoronana—manomboka ao an-tokantranony, izay misy fiantraikany lalina eo amin’ny rahalahiny 14 taona ny ohatra asehony.

Ry rahalahy, na tsikaritsika izany na tsia, dia mijery antsika ny olona—ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviana, namana, na olon-tsy fantatra aza. Amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana antsika dia tsy ampy ho antsika ny hoe manatona an’i Kristy fotsiny. Ny andraikitsika izao dia ny “manasa ny rehetra hanatona an’i Kristy.”4 Tsy mety ho afa-po isika raha mandray ireo fitahiana ara-panahy ho an’ny tenantsika manokana. Tsy maintsy mitarika ny olona tiantsika hahazo ireo fitahiana ireo ihany koa isika—ary amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia maintsy tia ny olon-drehetra isika. Ny zavatra nandidiana an’i Petera dia andidiana antsika koa manao hoe: “Rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.”5

Araho ilay Lehilahy avy any Galilia

Hisy ny fotoana izay toa hahasarotra ny lalana manoloana anareo, saingy araho foana ny Mpamonjy. Fantany ny lalana. Raha ny marina dia Izy no lalana.6 Raha manatona an’i Kristy mafimafy kokoa ianao dia ho lalina kokoa ny fanirianao hanampy ny hafa hiaina ny zavatra efa niainanao. Ny teny iray hafa ilazana an’izany fahatsapana izany dia ny fanetrentena, “izay efa natolon[’ny Ray] ireo rehetra izay mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy Zanany.”7 Dia ho hitanareo fa rehefa tena eo am-panarahana an’i Kristy ianareo dia mitarika ny olona ho any Aminy ihany koa, satria araka ny voalazan’ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Rehefa manaraka izany Lehilahy avy any Galilia izany isika—dia i Jesoa Kristy Tompo—ny fiantraikany manokan’ny zavatra ataontsika dia ho tsapa ho tsara na aiza na aiza misy antsika, na inona na inona antsontsika.”8

Mijoro ho vavolombelona aho fa ity no Fiangonana marin’i Kristy. Tarihin’ny mpaminanin’ Andriamanitra isika, dia ny Filoha Monson—mpitarika lehibe izay tena mpanara-dia marina ny Mpamonjy ihany koa. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.