2016
Manao asa fanompoana ireo mpaminany sy apôstôly
Mey 2016


Manao asa fanompoana ireo mpaminany sy apôstôly

Amin’ny maha-“vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy eran’izao tontolo izao” (F&F 107:23) azy ireo dia manohy manompo manerana izao tontolo izao ireo mpaminany sy apôstôly. Hatramin’ilay fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany, ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanao izao manaraka izao, ankoatra ireo asa nampanaovina hafa:

  • Nampiasa tambazotra ifaneraserana sy hetsika nifampiresahana mivantana mba hanolorana tanana amin’ireo zatovo sy tanora (jereo ny lds.org/youth/activities).

  • Nanao lahateny tao amin’ireo fihaonambe nanoherana ny pôrnôgrafia sy niresahana momba ny tantaram-pianakaviana.

  • Nanao lahateny tany amin’ireo oniversite mikasika ny fahatongavana ho “tena zanaky ny arivotaona” sy ny fiarovana ny finoana sy ny soatoavina ara-pitondrantena.

  • Nihaona tamin’ireo mpikambana sy mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ireo manampahefana ao amin’ny governemanta, ary ireo mpitondra fivavahana tao Argentine, Botswana, Chili, République Démocratique du Congo, Équateur, Mozambique, Pérou, Philippines, Uruguay, Zambie, ary Zimbabwe.

Hamoaka printy