2016
Ataony eo an-tsorony ianao dia entiny mody
Mey 2016


Ataony eo an-tsorony ianao dia entiny mody

Saingy tahaka ny ahitan’ny Mpiandry Tsara ny ondriny very, raha mampitodika ny fonao amin’ny Mpamonjin’izao tontolo izao ianao dia hahita anao Izy.

Ny iray amin’ireo fahatsiarovana tamin’ny fahazazako izay mibahana ao an-tsaiko dia manomboka amin’ny tabataba avy lavitry ny anjombona fampitandremana amin’ny fanafihana izay nanaitra ahy tamin’ny torimasoko. Fotoana fohy aorian’izay, dia misy feo hafa, ny firoandroan’ireo tangolimihodina, mihamafy mandra-panozongozonany ny lanitra. Noho izahay nozarin’ny reninay tsara dia nandray tsirairay ny kitapom-batsinay efa voaomana izahay ankizy ka nihazakazaka nananika tendrombohitra ho any amin’ny toerana iray fiarovana amin’ny baomba. Raha iny manao dia maika ao anatin’ny alina maizin-kitroka iny izahay dia miraraka avy eny an-danitra ireo mari-pamantarana mirehitra miloko maitso sy mena mba hanamarihana ireo tanjona kendrena ho an’ireo mpandatsaka baomba. Mahagaga tokoa fa antsoin’ny rehetra hoe hazo noely ireo mari-pamantarana mirehitra ireo.

Efa-taona aho amin’io ary vavolombelona mahita maso ny tontolo iray ao anatin’ny ady.

Dresde

Tsy lavitra ny toerana nipetrahan’ny fianakaviako ny tanànan’i Dresde. Angamba efa an’arivony mahery ny fotoana nahitan’ireo izay nipetraka tao ny zavatra hitako. Afobe nidedadeda naterak’ireo baomba an’arivo taonina no nanenika haingana an’i Dresde ka nandrava ny 90 isan-jatony mahery tamin’ilay tanàna ary tsy namela afa-tsy korontan-trano rava sy lavenona.

I Dresde tanàna rava

Tao anatin’ny fotoana fohy monja dia tsy nisy intsony ilay tanàna izay nomena anaram-bosotra hoe ilay “Vata fitoerana firavaka.” I Erich Kästner, izay mpanoratra Alemana dia nanoratra toy izao momba ilay faharavana: “Tao anatin’ny arivo taona no nanorenana ny hatsarany saingy indray alina monja dia rava tanteraka izany.”1 Nandritra ny fahazazako dia tsy nety azoko an-tsaina ny fomba mety nanakanana ny faharavana nateraky ny ady izay natomboky ny vahoakanay. Toa tsy nanana fanantenana sy tsy nanana hoavy mihitsy ny tontolo nanodidina anay.

Nanana fahafahana hiverina tany Dresde aho tamin’ny herintaona. Fitopolo taona taorian’ilay ady dia lasa tanàna toy ny “Vata fitoerana firavaka” indray izany. Efa voaisotra teo ireo zavatra rava ary naverina tamin’ny laoniny sy nohatsaraina mihitsy aza ilay tanàna.

I Frauenkirche rava

Nandritra ny fitsidihako dia nahita an’i Frauenkirche aho, ilay fiangonana Loterana tsara tarehy izay fiangonan’ny Filoham-pirenenay. Raha naorina tany amin’ny taona 1700 tany izany tany am-piandohana dia iray tamin’ireo zavatra sarobidy nampiavaka an’i Dresde izany, saingy nopotehin’ny ady ho lasa antontan-javatra rava izany. Nijanona ho toy izany nandritra ny taona maro izany mandra-panapahan’ny olona sasany hevitra tamin’ny farany fa haverina haorina indray i Frauenkirche.

I Frauenkirche narenina indray

Notehirizina sy nalamina ireo vato avy amin’ilay fiangonana rava ary rehefa azo natao dia nampiasaina tamin’ny fanorenana indray izany. Ankehitriny dia hita toy ny holatra eo amin’ireo rindrina ivelany ireo vato maintin’ny afo ireo. Ireo “holatra” ireo dia tsy fampahatsiahivana fotsiny ihany ny tantaran’io trano io fa tsangambaton’ny fanantenana ihany koa—izay tandindona kanton’ny fahafahan’ny olona mamerina amin’ny laoniny ny zavatra iray izay simba.

I Frauenkirche dia tsangambaton’ny fanantenana.

Raha mbola nisaintsaina ny tantaran’i Dresde aho ary variana tamin’ny fahaizana sy ny fahavononan’ireo izay namerina tamin’ny laoniny ny zavatra izay efa rava tanteraka, dia nahatsapa ny fitaomana mahafinaritra avy amin’ny Fanahy Masina. Nieritreritra aho hoe azo antoka fa raha toa ka afaka maka ireo korontan-javatra tavela, ireo zavatra rava, ary ny sisa tavela amin’ny tanàna simba iray ny olona ka manorina indray foto-drafitrasa goavana manakatra ny lanitra avy amin’izany dia moa ve tsy mahay lavitra noho izany ny Raintsika Tsitoha mba hamerina amin’ny laoniny ireo zanany izay lavo, na manana ady, na lasa very ara-panahy?

Tsy maninona na mety ho hita ho simba tanteraka toy ny ahoana aza ny fiainantsika. Tsy maninona na toy ny ahoana aza ny fahamelohantsika noho ny fahotana, na ratsy fanahy manao ahoana isika, na irery sy very ary maratra manao ahoana ny fontsika. Na ireo tsy manana fanantenana aza, na miaina ao anatin’ny fahadisoam-panantenana, na ireo nitsipa-pitokisana, na ireo tsy niaina tamim-pahamarinana intsony, na niala tamin’ Andriamanitra dia azo aorina indray. Ankoatra ireo zanaky ny fahaverezana vitsivitsy dia tsy misy fiainana hoe simba be loatra izany ka tsy azo arenina.

Ny vaovao mahafalin’ny filazantsara dia izao: noho ny drafitry ny fahasambarana mandrakizay nomen’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana sy amin’ny alalan’ny sorona tsisy fetran’i Jesoa Kristy dia tsy hoe afaka ny ho voavonjy amin’ny toetran’ny fahalavoana sy haverina ho amin’ny fahadiovana fotsiny isika, fa afaka ny hivoatra mihoatra izay azon’ny sain’olombelona takarina ihany koa ka ho lasa mpandova ny fiainana mandrakizay sy mpandray anjara amin’ny voninahitr’ Andriamanitra izay tsy hay lazaina ny halehibeny.

Ny fanoharana momba ny ondry very

Nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy dia tsy nankasitraka ny hiarahan’i Jesoa tamin’ireo olona nantsoin’izy ireo hoe “mpanota” ireo mpitondra fivavahana tamin’izany fotoana izany.

Ho azy ireo angamba dia toy ny hoe nilefitra tamin’izany na nanaiky mihitsy aza ny fitondrantena feno fahotana Izy. Nino angamba izy ireo fa ny fomba tsara indrindra hanampiana ny mpanota hibebaka dia ny fanamelohana sy ny fanambaniana ary ny fanalana baraka azy ireo.

Rehefa fantatry ny Mpamonjy ny zavatra noeritreretin’ireo Fariseo sy mpanora-dalàna dia nitantara tantara iray Izy:

“Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?

“Ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy.”2

Nandritra ny taonjato maro dia noraisin’ny olona ho toy ny didy ho antsika io fanoharana io mba hamerenana ireo ondry very sy hitady ireo izay very. Raha azo antoka fa mitombina sy tsara tokoa izany dia manontany tena aho raha toa ka mbola mihoatra izay ny tena izy.

Azo heverina ve fa ny tanjon’i Jesoa izay manan-danja indrindra dia ny nampianatra mikasika ny asan’ny Mpiandry Tsara?

Azo heverina ve fa nijoro ho vavolombelona momba ny fitiavan’ Andriamanitra ireo zanany nania Izy?

Azo heverina ve fa ny hafatry ny Mpamonjy dia hoe mahafantatra tanteraka ireo izay very Andriamanitra—ary hahita azy ireo Izy, hanolo-tanana amin’izy ireo, ary hamonjy azy ireo?

Raha izay no izy dia inona no tsy maintsy ataon’ilay ondry mba ho mendrika io fanampiana avy amin’ Andriamanitra io?

Mila mahafantatra ny fomba fampiasana fandrefi-zefa-joro tena manahirana ve ilay ondry mba hanaovana kajy ny mombamomba ny toerana misy azy? Mila mahay mampiasa GPS ve izy mba hamaritana ny toerana misy azy? Mila manana fahaizana manokana hamoronana application izay hangataka fanampiana ve izy? Mila fankatoavana avy amin’ny mpanohana ve ilay ondry alohan’ny hahatongavan’ilay Mpiandry Tsara hamonjy azy?

Tsia. Mazava ho azy fa tsia! Mendrika ny hahazo ny fanavotan’ Andriamanitra izy satria tian’ny Mpiandry Tsara tsotra izao.

Ho ahy, ilay fanoharana momba ny ondry very dia iray amin’ireo andian’andinin-tsoratra masina mitondra fanantenana be indrindra ao amin’ny soratra masina rehetra.

Mahafantatra sy tia antsika ny Mpamonjy antsika, dia ny Mpiandry Tsara. Mahafantatra sy tia anao Izy.

Fantany rehefa very ianao, fantany ny toerana misy anao. Fantany ny alahelonao. Ireo fitalahoanao Aminy mangina. Ireo tahotrao. Ny ranomasonao.

Tsy manan-danja izay fomba nahalasa very anao—na izany noho ny safidy ratsy nataonao na noho ireo toe-javatra nisy izay tsy voafehinao.

Ny manan-danja dia ny maha-zanany anao. Ary tiany ianao. Tiany ireo zanany.

Fanavotana ny ondry very

Satria tiany ianao dia ho hitany. Ataony eo an-tsorony amim-pifaliana ianao. Ary rehefa mitondra anao mody Izy dia hilaza amin’ny rehetra hoe: “Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very.”3

Inona no tsy maintsy ataontsika?

Mety hieritreritra anefa ianao hoe inona no andrasana mba hataoko ao anatin’izany? Mazava ho azy fa mila manao zavatra bebe kokoa noho ny miandry hovonjena fotsiny aho.

Na dia maniry ny hiverenan’ny zanany rehetra any Aminy aza ny Raintsika be fitiavana dia tsy hanery na iza na iza ho any an-danitra Izy.4 Tsy hanavotra antsika Andriamanitra raha tsy izay no sitrapontsika.

Koa inona ary no tsy maintsy ataontsika?

Tsotra ny fanasany:

“Miverena amiko.”5

“Mankanesa atỳ amiko.”6

“Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho.”7

Izany no fomba hanehoantsika Aminy fa maniry ny hovonjena isika.

Mitaky finoana kely izany. Saingy aza kivy. Raha tsy afaka manangona finoana ianao izao dieny izao dia manomboha amin’ny fanantenana.

Raha tsy afaka milaza ianao hoe fantatrao fa misy Andriamanitra dia afaka manantena ianao fa misy Izy. Afaka maniry ny hino ianao.8 Ampy hanombohana izany.

Dia ampiasao izany fanantenana izany mba hifandraisana amin’ny Rainao any An-danitra. Ho ataon’ Andriamanitra mipaka any aminao ny fitiavany ary hanomboka ny asa famonjeny sy fanovany.

Rehefa mandeha ny fotoana dia ho fantatrao ny fiasan’ny tanany eo amin’ny fiainanao. Hahatsapa ny fitiavany ianao. Ary ny faniriana handeha araka ny fahamarinany sy hanaraka ny lalany dia hitombo isaky ny manao dingan’ny finoana ianao.

Antsointsika hoe “fankatoavana” ireo dingan’ny finoana ireo.

Teny tsy malaza izany amin’izao androntsika izao. Saingy ny fankatoavana dia hevi-dehibe manan-danja ao anatin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, satria fantatsika fa “noho ny Sorompanavotana nataon’i Kristy dia azo vonjena ny olombelona rehetra, amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara.”9

Rehefa mitombo amin’ny finoana isika dia tsy maintsy mitombo amin’ny fahatokiana ihany koa. Teo aloha teo aho dia nindrana ny tenin’ny mpanoratra Alemana iray izay naneho ny alahelony ny amin’ny faharavan’i Dresde. Nanoratra ity andian-teny ity koa izy: “Es gibt nichts Gutes, ausser: Man tut es.” Ho an’ireo izay tsy mahay ny fiteny selestialy dia toy izao no handikana izany: “Tsy misy zavatra tsara raha tsy ataonao ilay izy.”10

Mety tena mahay miresaka tsara ireo zavatra ara-panahy izaho sy ianao. Mety hanaitra ny olona amin’ny fahaizantsika mamelabelatra ireo lohahevitra ara-pilazantsara isika. Mety hiresaka amin-kafanam-po lehibe momba ny fivavahana isika ary “hanonofy amin-kamamiana ny valisoantsika any an-danitra.”11 Saingy raha tsy manova ny fomba fiainantsika ny finoantsika—raha tsy misy fiantraikany eo amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika isan’andro ny finoantsika—dia tsy misy ilana azy ny fivavahantsika, ary ny finoantsika, raha tsy maty, dia tsy matanjaka ary efa atahorana ho lasa maty amin’ny farany.12

Ny fankatoavana no manome hery ny finoana. Amin’ny alalan’ny fankatoavana no hahazoantsika fahazavana ho an’ny fanahintsika.

Fa indraindray isika dia diso fihevitra mikasika ny fankatoavana raha ny eritreritro. Mety raisintsika ho tanjona farany ho tratrarina ny fankatoavana fa tsy fomba entina hanatrarana tanjona. Na hanakapoka ny maritoan’ny fankatoavana ara-tsarin-teny amin’ny riandrian’ireo didy isika mba hanefena ireo olon-tiantsika amin’ny alalan’ny famanana tsy tapaka sy ny famerimberenana tsy ankiato izay mitondra mankany amin’ny zavatry ny lanitra sy ny masina kokoa.

Tsy isalasalana fa indraindray isika dia mila didina mafy mba hibebaka. Azo antoka fa misy olona sasany izay tsy ho tratra antso afa-tsy amin’io fomba io ihany.

Fa angamba misy sarinteny hafa izay afaka manazava ny antony hankatoavantsika ny didin’ Andriamanitra. Ny fankatoavana angamba dia tsy dia hoe fanerena ny fanahintsika, tahaka ny famoretana sy ny fanolanana ary ny fikapohana vy, ho lasa zavatra izay tsy azontsika hahatongavana loatra. Fa ny fankatoavana kosa angamba dia ilay dingana izay hahafantarantsika hoe nohariana tamin’ny alalan’ny inona isika.

Noharian’ilay Andriamanitra Tsitoha isika. Raintsika any An-danitra Izy. Fanahy zanany ara-bakinteny isika. Vita tamin’ny akora sarobidy indrindra sy voafantina indrindra avy any an-danitra isika, ka araka izany dia mitondra akora maha-andriamanitra ao anatintsika.

Eto an-tany anefa dia lasa voataonan’ny zavatra maloto sy tsy masina ny eritreritsika sy ny asantsika. Mandoto ny fanahintsika ny fahalotoan’izao tontolo izao ka mahatonga ny fahafantarana sy ny fahatsiarovana ny tena toetrantsika sy ny tanjotsika ho sarotra.

Saingy tsy afaka manova ny tena maha-isika antsika izany rehetra izany. Mijanona eo ihany ny fahamasinana fototry ny toetrantsika. Ary amin’ny fotoana izay hisafidianantsika ny hampitodika ny fontsika any amin’ny Mpamonjy malalantsika sy hametrahantsika ny tongotsika eo amin’ny lalana amin’ny maha-mpianatra antsika dia misy zavatra mahagaga mitranga. Mameno ny fontsika ny fitiavan’ Andriamanitra. Mameno ny saintsika ny faharanitan-tsaina. Manomboka tsy manam-paniriana ny hanohitra isika. Ary tsy te handeha ao amin’ny haizina intsony.13

Lasa tsy toy ny famaizana intsony ny fijerintsika ny fankatoavana fa toy ny lalana manafaka mankany amin’ny fiafarantsika ho lasa andriamanitra. Dia manomboka misinda tsikelikely ny fahalotoana sy ny sakantsakana eto amin’ity tany ity. Amin’ny farany dia haseho ilay fanahy tsy hay sandaina sy mandrakizain’ny olon’ny lanitra ao anatintsika, ary lasa loharanon’ny hatsarana isika.

Mendrika ny fanavotana ianao

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, ry namako malala isany, mijoro ho vavolombelona aho fa mahafantatra antsika Andriamanitra—ary raisiny ho mendrika ny fanavotana isika.

Mety hahatsapa ianao fa rava tanteraka ny fiainanao. Mety nanota ianao. Mety matahotra ianao, na tezitra, na malahelo, na ampijalian’ny ahiahy. Saingy tahaka ny ahitan’ny Mpiandry Tsara ny ondriny very, raha mampitodika ny fonao amin’ny Mpamonjin’izao tontolo izao ianao dia hahita anao Izy.

Hanavotra anao Izy.

Hampahery anao Izy ka hametraka anao eo an-tsorony.

Hitondra anao hody Izy.

Raha afaka manova ny korontan-trano rava ho trano fivavahana kanto ny tanan’olombelona dia afaka manana antoka sy toky isika fa afaka manorina antsika indray ary hanorina antsika indray ny Raintsika any An-danitra be fitiavana. Ny drafiny dia ny hanorina antsika ho lasa tsara lavitra kokoa noho isika teo aloha—tsara lavitra kokoa noho izay azontsika heverina. Rehefa manao ny dingana tsirairain’ny finoana eo amin’ny lalana amin’ny maha-mpianatra isika dia lasa ho ireo olona manana toetra feno voninahitra mandrakizay sy fifaliana tsy misy fetra izay natao mba hahatongavantsika.

Izany no fijoroana ho vavolombelona sy tsodrano ary vavaka ataoko amim-panetrentena, amin’ny anarana masin’ny Tompontsika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.