2016
Alaivo sary an-tsaina ny tenanao hoe any amin’ny tempoly
Mey 2016


Alaivo sary an-tsaina ny tenanao hoe any amin’ny tempoly

Mivavaka aho mba hanome voninahitra ny Mpamonjy isika tsirairay ary hanao izay fanovana rehetra ilaina mba haka sary an-tsaina ny tenantsika hoe ao anatin’ny tempoliny masina.

Saika tsy takatry ny saina ny fikodiadian’ny drafitry ny famonjen’ny Tompo mandritra izao fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana izao.1 Hita taratra izany tamin’ny nanambaran’ny Filoha Thomas S. Monson tempoly 4 vaovao tamin’ity fivorian’ny fihaonambe ity. Tamin’ny niantsoana ny Filoha Monson ho Apôstôly tamin’ny 1963 dia tempoly 12 no am-perinasa naneran-tany.2 Tamin’ny nitokanana ny tempolin’i Provo City Center dia 150 izao no isany, ary ho 177 izany rehefa hotokanana daholo ireo tempoly rehetra efa nambara. Antony tokony hifaliantsika amim-panetrentena izany.

Valopolo amby zato taona katroka lasa tamin’ity andro androany ity, ny 3 Aprily 1836, dia fahitana iray miezinezina no naseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland. Herinandro monja taorian’ny nitokanana an’io tempoly io no nitrangan’izany. Tao amin’io fahitana io no nahitan’izy ireo ny Tompo nijoro teo amin’ny arofanin’ny polipitra tao amin’ny tempoly. Anisan’ny zavatra nambaran’ny Mpamonjy ny hoe:

“Aoka ny fon’ny vahoakako rehetra hifaly, ny vahoakako izay efa nanorina ity trano ity tamin’ny heriny ho an’ny anarako.

“Fa indro efa nekeko ity trano ity ary ho eto ny anarako; ary Izaho haneho ny tenako amin’ny vahoakako amin’ny famindram-po, ao amin’ity trano ity.”3

Tamin’io fotoana masina io dia mpaminany fahiny maro no niseho, anisan’izany i Elia, izay nanolotra ireo fanalahidy ilaina indrindra ho an’ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Azontsika sary an-tsaina ny fifaliana mitranga any Quito, Équateur; Harare, Zimbabwe; Belém, Brésil; ary Lima, Pérou na any amin’ireo mpikambana na any amin’ireo misiônera, raha mifototra amin’izay nitranga tany Bangkok, Thailande, herintaona lasa izay, rehefa nambara io tempoly io. Rahavavy Shelly Senior, vadin’i David Senior, Filohan’ny Misiônan’i Bangkok Thailande tamin’izany, no nandefa e-mail tamin’ireo fianakaviana sy ireo namana mba hilazana fa taorian’ny nahenoan’izy mivady ny Filoha Monson nanambara an’io tempoly io, dia nisy “12 ora tsy natoriana ary ranomasom-pifaliana be dia be.” Nantsoin’izy ireo tamin’ny 11 sy sasany alina ireo mpanampin’ny filohan’ny misiôna ary nampandrenesiny izy ireo. Nantsoin’ireo mpanampin’ny filohan’ny misiôna ireo misiônera rehetra. Tonga ny tatitra fa “nifoha avokoa ny misiôna iray manontolo tamin’ny andro misasakalina, nitsambikimbikina teo ambony fandriany.” Nampitandrina an’ireo fianakaviana sy ireo namana Rahavavy Senior hoe: “Tandremo sao dia alazanareo amin’ny Departemanta misahana ny Misiônera an!”4

Nahery tahaka izany ihany koa ny aim-panahy lalina nasehon’ireo mpikambana tany Thailande. Azoko antoka fa nisy fiomanana ara-panahy tao am-po sy tao an-tokantrano, ary nisy fanehoana avy any an-danitra nanomana ireo Olomasina any amin’ny toerana izay hisy an’ireo tempoly vao nambara ireo.

Zatovovavy Tailandey mitondra fitaratra izay misy soratra milaza hoe: “Alaivo sary an-tsaina ny tenanao hoe any amin’ny tempoly.”

Tany Thailande Rahavavy Senior dia nanana fitaratra kely nampiasainy rehefa mampianatra an’ireo rahavavy indrindra indrindra. Nisy sarina tempoly io fitaratra io miaraka amin’ny teny hoe “Alaivo sary an-tsaina ny tenanao hoe any amin’ny tempoly.” Rehefa mijery eo amin’ilay fitaratra ny olona dia mahita ny tenany ao anatin’ilay tempoly. Nampianarin-dry Seniors ireo naman’ny Fiangonana sy ireo mpikambana haka sary an-tsaina ny tenan’izy ireo hoe ao amin’ny tempoly ary hanova ireo fomba fiainana tokony hovaina sy hanao ireo fiomanana ara-panahy ilaina hanatrarana io tanjona io.

Ny fanambiko anio maraina dia ny hahafahantsika, na aiza na aiza misy antsika, mieritreritra ny tenantsika ho ao amin’ny tempoly. Hoy ny Filoha Monson hoe: “Mandra-piditrao ao amin’ny tranon’ny Tompo ary handraisanao ireo fitahiana rehetra izay miandry anao any, dia mbola tsy nandray ireo zava-drehetra atolotry ny Fiangonana ianao. Ireo fitahiana manan-danja sy avo indrindra amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana dia ireo fitahiana izay raisintsika any amin’ny tempolin’ Andriamanitra.”5

Na dia eo aza ny tsy fahampian’ny fahamarinana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia miaina amin’ny fotoana masina dia masina isika. Mpaminany maro no namariparitra izao androntsika izao tamin’ny fo feno faniriana sy fitiavana nandritra ny taonjato maro.6

Ny Mpaminany Joseph Smith, raha nitanisa ny Obadia7 ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny 1 Petera8 ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia nahatakatra ilay tanjona lehiben’ Andriamanitra eo amin’ny fanolorana ny batisa ho an’ny maty ka ahafahantsika ho tonga mpamonjy ho ao an-tendrombohitr’i Ziona.9

Ny Tompo dia nampiroborobo ny vahoakantsika ary nanolotra ireo loharano sy fitarihana araka ny faminaniana mba hahatonga antsika ho mahatoky rehefa manatanteraka ireo andraikitsika ao amin’ny tempoly na ho an’ireo velona na ho an’ireo maty.

Noho ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia takatsika ny anton’ny fiainana, ny drafitry ny famonjena ho an’ireo zanany, ny sorona fanavotana nataon’ny Mpamonjy ary ny anjara toerana manan-danja ananan’ny fianakaviana eo amin’ny firafitry ny lanitra.10

Ny isan’ny tempoly lasa maro dia maro sy ny teknôlôjia avo lenta hanatanterahantsika ny andraikitra masina ananantsika eo amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana ho an’ireo razambentsika no mahatonga izao fotoana izao ho lasa fotoana tsara indrindra eo amin’ny tantara hatrizay. Mahafaly ahy ny fahatokiana miavaka asehon’ireo zatovo manao firaketana faobe sy mikaroka ireo razambeny ary avy eo manatanteraka ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana any amin’ny tempoly. Anisan’ireo voalazan’ny faminaniana hoe mpamonjy ao an-tendrombohitr’i Ziona ara-bakiteny tokoa ianareo.

Ahoana no fomba hiomanantsika ho any amin’ny tempoly?

Fantatsika fa ny fahamarinana sy ny fahamasinana no ampahany manan-danja eo amin’ny fiomanana ho any amin’ny tempoly.

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 97 ny hoe “Ary raha toa ka manorina trano ho Ahy amin’ny anaran’ny Tompo ny oloko ary tsy mamela zavatra tsy madio hiditra izany mba tsy haloto izany, dia hitoetra amin’izany ny voninahitro.”11

Tany alohan’ny taona 1891 dia ny Filohan’ny Fiangonana no nanao sonia ny fahazoan-dalana tsirairay hidirana any amin’ny tempoly. Taty aoriana io andraikitra io dia nankinina tamin’ireo eveka sy filohan’ny tsatòka.

Tena irinay mafy ny hananan’ny mpikambana tsirairay ato amin’ny Fiangonana fiainana mendrika hahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Miangavy anareo aho mba tsy hihevitra ny tempoly ho toy ny tanjona lavitra ary angamba tsy ho azo tratrarina mihitsy. Ny ankamaroan’ny mpikambana, raha miara-miasa amin’ny evekany, dia afaka mahafeno ireo fepetran’ny fahamarinana takina ao anatin’ny fotoana tsy dia lava loatra raha toa ka manam-piniavana ny ho mendrika sy ny hibebaka tanteraka amin’ireo fandikan-dalàna izy ireo. Tafiditra amin’izany ny finiavana hamela ny tenantsika fa tsy hifantoka amin’ny tsy fahatanterahantsika sy ny fahotantsika ho toy ny manakana antsika tsy ho tafiditra any amin’ny tempoly na oviana na oviana.

Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia notanterahina ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Ny sorona manavotra nataony dia manefa ny fitakian’ny fahamarinana ho an’ny rehetra izay tena mibebaka marina. Fariparitan’ny soratra masina amin’ny fomba tena kanto izany:

“Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala.”12

“Ary tsy hotsarovako intsony [izany].”13

Manome toky anao izahay fa ny fiainana fitsipika marina dia hitondra fahasambarana sy fahafaham-po ary fiadanana ho anao sy ny fianakavianao.14 Ireo mpikambana, na olon-dehibe na zatovo,15 dia manamarina ny fahamendrehany rehefa mamaly ireo fanontaniana amin’ny fahazoan-dalana hidirana ao amin’ny tempoly. Ny ambangovangon’ireo fepetra takina dia ny hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’ Andriamanitra Ray, sy i Jesoa Kristy Zanany, ary ny Famerenana ny filazantsarany amin’ny laoniny sy hiaina ny fanompoan’ny Fanahy Masina.

Maro dia maro ireo fitahiana entin’ny tempoly

Ireo fitahiana lehibe indrindra entin’ny tempoly dia ireo ôrdônansin’ny fisandratana. Ny drafitry ny filazantsara dia mifandraika amin’ny fisandratana ary ahitana ny fanaovana fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra sy ny fitandremana izany. Ankoatra ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana, dia any amin’ny tempoly no hanatanterahana sy handraisana ireo ôrdônansy ireo ho an’ny velona. Ho an’ny efa maty, dia any amin’ny tempoly no handraisana ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny famonjena rehetra.

Nampianatra i Brigham Young hoe: “Tsy misy zavatra na dia iray aza izay azon’ny Tompo natao ho famonjena ny zanak’olombelona ka hoe notsinontsinoaviny; … ny zavatra rehetra azo natao, ka tsy miankina amin’izy ireo, dia notanterahan’ny Mpamonjy ary notanterahana tao Aminy.”16

Manangana tsatòka, paroasy, kôlejy sy vondrona fanampiny ato amin’ny Fiangonana ary misiôna sy ny sisa ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana any amin’ireo trano fiangonana sy trano hafa. Any amin’ny tempoly ihany ny Tompo no manorina fianakaviana mandrakizay.

Mazava tsara fa ireo izay manana fo torotoro sy fanahy manenina ka efa nibebaka marina tamin’ny fahotany dia azon’ny Tompo ekena tanteraka ao amin’ny tranony masina.17 Fantatsika fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.”18 Anisan’ny zava-tsarobidy tiako mahakasika ny tempoly ny hoe tsy misy fanavahana fari-piainana, na saranga, na toerana tazonina na amin’ny endriny manao ahoana na amin’ny endriny manao ahoana eo anivon’ireo izay mandeha any. Mitovy daholo isika eo anatrehan’ Andriamanitra. Samy mitafy fotsy avokoa ny rehetra mba hanehoana fa vahoaka madio sy marina.19 Mipetraka mifanila avokoa ny rehetra miaraka amin’ny faniriana ao am-po ny ho zanakalahy sy zanakavavy mendrika an’ny Ray any An-danitra be fitiavana.

Efitrano famehezana ao amin’ny tempoly

Eritrereto fotsiny hoe manerana ny tany manontolo, ireo lehilahy sy vehivavy dia afaka, amin’ny alalan’ny “ôrdônansy sy fanekempihavanana masina misy any amin’ny tempoly masina … hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy … ho iray mandrakizay.”20 Ao anatin’ny efitrano famehezana tsara tarehy azon’ny mpikambana rehetra mendrika hiditra ao amin’ny tempoly hidirana no hanaovan’izy ireo izany. Aorian’ny fidiran’izy ireo ao amin’ireo fanekempihavanana ireo dia afaka “mahita ny tenan’izy ireo” eo amin’ireo fitaratry ny tempoly izay mifanatrika. “Ireo fitaratry ny tempoly ireo dia miara-mampiseho amin’ny fomba mandroso sy miverina, sary izay toa mitohy mankany amin’ny mandrakizay.”21 Ireo sary mitaratra ireo dia manampy antsika handinika ireo ray aman-dreny sy raibe sy renibe, ary ireo taranaka rehetra tany aloha. Manampy antsika izy ireo hamantatra ireo fanekempihavanana masina izay mampifandray antsika amin’ireo taranaka rehetra izay ho avy. Tsy mampino ny lanjan’izany, ary izany dia manomboka rehefa ianareo no maka sary an-tsaina ny tenanareo hoe ao anatin’ny tempoly.

Ireo fitaratra ao amin’ny efitrano famehezana ao amin’ny tempoly

Nanoro hevitra antsika ny Filoha Howard W. Hunter “handinika ireo fampianarana goavana ao amin’ilay vavaka lehibe nanokanana ny Tempolin’i Kirtland, vavaka izay nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith fa nomena azy tamin’ny alalan’ny fanambarana. Izy io dia vavaka izay mbola mitohy mivaly amintsika tsirairay, sy amintsika amin’ny maha-fianakaviana antsika, ary amin’ny maha-vahoaka antsika noho ilay fahefan’ny fisoronana nomen’ny Tompo ampiasaintsika ao amin’ny tempoliny masina”22 Tsara ho antsika ny mandalina ny fizarana faha-109 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ny manaraka ny fampitandremana nataon’ny Filoha Hunter dia “ny hametraka ny tempolin’ny Tompo ho toy ny marika lehibe ny maha-mpikambana [antsika].”23

Ny tempoly ihany koa dia toerana fialofana, toeran’ny fanati-pisaorana, ny fianarana, ary ny fahatakarana “mba hahazoana manao [antsika] ho tanteraka … amin’ny zavatra rehetra mikasika ny fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany.”24 Nandritra ny androm-piainako izany dia toeran’ny filaminana sy ny fiadanana eo anivon’ny tontolo izay ao anaty korontana ara-bakiteny.25 Mahafinaritra ny mamela ireo ahiahin’izao tontolo izao any ambadika any rehefa ao amin’io tontolo masina io.

Matetika ao amin’ny tempoly rehefa mandray anjara amin’ny fikarohana mikasika ny tantaram-pianakaviana isika dia mahatsapa bitsika ary mahazo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina.26 Indraindray ao amin’ny tempoly dia lasa manify dia manify ilay voaly manasaraka antsika sy ireo izay any ambadika. Mandray fanampiana fanampiny isika eo amin’ny ezaka ataontsika ny ho lasa mpamonjy ao an-tendrombohitr’i Ziona.

Taona maro lasa izay tao amin’ny tempoly iray tany Amerika Afovoany, dia nisy vadina lehilahy iray izay Manampahefana Ambony misotro ronono ankehitriny, izay nanampy raim-pianakaviana sy renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany handray fanekempihavanana mandrakizay tao amin’ny efitrano famehezana izay ahitana ireo fitaratry ny tempoly. Rehefa namarana izy ireo ka nanatrika ireo fitaratra ireo, dia nahatsikaritra ity rahavavy ity fa misy tarehin’olona izay tsy tao amin’ny efitrano famehezana teo amin’ilay fitaratra. Nanontaniany ilay renim-pianakaviana ary dia teo no nahafantarany fa nisy zanaka vavy iray izay efa maty ka noho izany tsy afaka nanatrika teo ara-batana. Dia nampidirina tamin’ny alalan’ny fisoloana tena tao anatin’ilay ôrdônansy masina ilay zanakavavy efa maty.27 Aza tsinontsinoavina velively ny fanampiana izay atolotra any amin’ny tempoly avy any ambadiky ny voaly.

Fantaro hoe hatraiza ny hanirianay amin-kitsimpo ny hanaovan’ny tsirairay izay fanovana tokony hatao mba ho mendrika ny ho any amin’ny tempoly. Diniho ombam-bavaka ny toe-piainanao ara-panahy, katsaho ny fitarihan’ny Fanahy, ary miresaha amin’ny evekanao mikasika ny fiomananao ho any amin’ny tempoly. Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Tsy misy tanjona manan-danja kokoa tokony hiezahanao ho tratrarina mihoatra noho ny ho tonga mendrika ho any amin’ny tempoly.”28

Ny Mpamonjy no “vato fehizoro indrindra tsy azo hozongozonina ho an’ny finoantsika sy ho an’ny Fiangonany”

Nanana tombontsoa manokana aho nandray anjara niaraka tamin’ny Filoha Henry B. Eyring namerina nanokana ny Tempolin’i Suva Fidji roa volana lasa izay. Fotoana niavaka tena masina izany. Ny herimpon’ny Filoha Eyring sy ny fahatsapana ara-panahy mahery nananany dia nahafahan’ny fanokanana hitohy teo anatrehan’ny rivo-doza mahery indrindra nisy hatrizay tany amin’ny Ilam-bolantany Atsimo. Nisy fiarovana ara-batana sy ara-panahy ho an’ireo tanora sy ireo misiônera ary ireo mpikambana.29 Tena hita mazava ny tanan’ny Tompo. Fialofana teo anatrehan’ilay rivo-doza ny fotoana namerenana nanokanana ny Tempolin’i Fidji Suva. Matetika rehefa miatrika ireo rivo-dozan’ny fiainana isika dia mahita ny tanan’ny Tompo manolotra fiarovana mandrakizay.

Niavaka ihany koa ny fanokanana ny Tempolin’i Fidji Suva tany am-boalohany tamin’ny 18 Jona 2000. Rehefa akaiky ho vita ilay tempoly dia nisy mpikambana maro tao amin’ny antenimiera nataon’ny andiana mpikomy takalon’aina. Voaroba sy nodorana ny tao an-tampo-tanànan’i Suva, Fidji. Nanambara ny fampiharana ny lalàna miaramila ny tafika.

Tamin’ny naha-Filohan’ny Vondrom-paritra ahy, dia nandeha niaraka tamin’ireo filohan’ny tsatòka efatra tany Fidji aho ary nihaona tamin’ireo mpitarika ny tafika tao amin’ny toby Queen Elizabeth. Rehefa nazavainay ilay fitokanana nokasaina hatao, dia nanohana izy ireo saingy niahiahy mikasika ny fiarovana ny Filoha Gordon B. Hinckley. Fitokanana tsotsotra no nasainy natao, tsy misy hetsika ety ivelan’ny tempoly toy ny fametrahana vato fehizoro. Nantitranterin’izy ireo fa na iza na iza ety ivelan’ny tempoly dia mety ho lasibatry ny herisetra.

Nankatoavin’ny Filoha Hinckley ny hanaovana fivoriana fanokanana tsotsotra izay tsy ahitana afa-tsy ny fiadidian’ny tempoly vaovao sy mpitarika vitsivitsy teo an-toerana. Tsy nisy olon-kafa nasaina noho ny mety ho loza. Kanefa nilaza tamim-pahavitrihana izy hoe: “Raha hanokana ny tempoly isika, dia hasiantsika lanonana fametrahana vato fehizoro satria i Jesoa Kristy no vato fehizoro indrindra, ary Fiangonany ity.”

Rehefa tena nivoaka tany ivelany izahay hanao ny lanonana fametrahana vato fehizoro, dia tsy nisy mpikambana, tsy nisy ankizy, tsy nisy haino aman-jery na olon-kafa nanatrika. Fa mpaminany iray mahatoky no naneho ny fanoloran-tenany feno herimpo sy tsy voahozongozona tamin’ny Mpamonjy.

Taty aoriana ny Filoha Hinckley, raha niresaka momba ny Mpamonjy, dia nilaza hoe: “Tsy misy tahaka Azy. Tsy mbola nisy. Ary tsy hisy mihitsy. Isaorana anie Andriamanitra noho ny nanomezany ny Zanany malalany, izay nanolotra ny ainy mba hahafahantsika ho velona ary izay vato fehizoro indrindra tsy mihozongozona ho an’ny finoantsika sy ny Fiangonany.”30

Rahalahy sy ranabavy, mivavaka aho mba hanome voninahitra ny Mpamonjy isika tsirairay ary hanao izay fanovana rehetra ilaina mba haka sary an-tsaina ny tenantsika hoe ao anatin’ny tempoliny masina. Ny fanaovantsika izany dia hahafahantsika manatanteraka ireo tanjony masina ary manomana ny tenantsika sy ny fianakaviantsika amin’ireo fitahiana rehetra azon’ny Tompo sy ny Fiangonany arotsaka mandritra ity fiainana ity sy mandrakizay. Zaraiko ny fijoroako ho vavolombelona fa velona ny Mpamonjy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

  2. Ny tempoly faha-12, ny tempolin’i Londres, Angleterre, dia notokanana tamin’ny 7 septambra 1958.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:6–7.

  4. Shelly Senior, email, 6 apr. 2015.

  5. Thomas S. Monson, “Ny Tempoly Masina—Fanilo ho an’izao tontolo izao,” Liahona, mey 2011, 93.

  6. Jereo ny Isaia 2:2.

  7. Jereo ny Obadia 1:21.

  8. Jereo ny 1 Petera 4:6.

  9. Jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith, (2007), 409.

  10. Jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff (2004), 177, 192–93.

  11. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:15; jereo ihany koa ny andininy 17.

  12. Isaia 1:18.

  13. Jeremia 31:34.

  14. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23.

  15. Ankoatra ny fahazoan-dalana ho an’ny olon-dehibe efa nandray ny fanafiana masina, dia afaka mahazo fahazoan-dalana voafetra ireo zatovo mendrika sy ireo olon-dehibe tsy mbola nahazo fanafiana masina hanatanterahana batisa ho an’ny maty. Ireo fahazoan-dalana karazany roa ireo dia samy ilàna ny sonian’ilay omena azy izay manamarina ny fahamendrehan’ny tenany manokana. Manan-kery mandritra ny herintaona io fahazoan-dalana voafetra io ary manome fahafana ho an’ny episkôpà hifandinika indray mandeha isan-taona amin’ny olona tsirairay mikasika ny fahamendrehany.

  16. Enseignements des Présidents de l’Église: Brigham Young (1997), 29.

  17. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42.

  18. Asan’ny Apostoly 10:34; jereo ihany koa ny Môrônia 8:12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:35; 38:16.

  19. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:16.

  20. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Liahona, nôv. 2010, 129.

  21. Gerrit W. Gong, “Ireo fitaratry ny tempoly izay maneho ny mandrakizay: Fijoroana ho vavolombelon’ny fianakaviana,” Liahona, nôv. 2010, 37.

  22. Teachings of the Presidents of the Church: Howard W. Hunter (2015), 183.

  23. Teachings: Howard W. Hunter, 178.

  24. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:13–14.

  25. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:26–27.

  26. Matetika izy io no antsoina hoe Fanahin’i Elia. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fa ny fanahin’i Elia dia “fomba fisehon’ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona momba ny maha-araka an’ Andriamanitra ny fianakaviana” (“A New Harvest Time,” Ensign, mey 1998, 34).

  27. Nozaraina rehefa nahazoana lalana.

  28. Thomas S. Monson, “Ny tempoly masina—Fanilo ho an’izao tontolo izao,” 93.

  29. Ireo misiônera sy zatovo nentina avy tany amin’ireo nosy lavitra dia nampiantranoana tany amin’ireo sekolin’ny Fiangonana sy tranon’ny Fiangonana azo antoka ary dia voaro tamin’ireo endrika faran’izay ratsy indrindra tamin’ny Rivo-doza Winston.

  30. Gordon B. Hinckley, “Four Cornerstones of Faith,” Liahona, feb. 2004, 4–5.