2016
Joy D. Jones
Mey 2016


Rahavavy Joy D. Jones

Filohan’ny Kilonga Maneran-tany

Ho an’i Joy D. Jones dia ireo ray aman-dreniny no olona be herimpo ho azy.

“Tsapako ho toy ny hoe afaka nanao ny zavatra rehetra ny dadako,” hoy Rahavavy Jones mikasika ny rainy, izay mpahaiherinaratra. Mahakasika ny reniny dia hoy izy: “Vehivavy mahatalanjona ny reniko” izay nanao ny zavatra rehetra nanomboka tamin’ny sakafo nohanin’ny fianakaviana ka hatramin’ny akanjo nanaovan’izy ireo—avy amin’ny zavatra kely dia kely. “Olomasina izy ho ahy, ary naniry ny ho lasa toa azy aho rehefa lehibe.”

Ankoatra ny fankamamiany ireo fahatsiarovana momba an’i Aldo Harmon sy Eleanor Ellsworth Harmon ray aman-dreniny dia ankamamiany ny fahatsiarovana tamin’ny fahazazany an’ilay fihainoany ny Loholona Robert L. Backman Rahavavy Jones rehefa nanao lahateny tao amin’ny fihaonamben’ny disitrika tao Oregon, Etazonia izy io. Ny Loholona Backman, izay Fitopololahy Manampahefana Ambony nisaorana tamim-boninahitra ankehitriny, dia filohan’ny misiôna tamin’izany fotoana izany.

“Nahatsapa zavatra tena nahery vaika aho rehefa niteny izy,” hoy Rahavavy Jones. “Nahatsapa zavatra tena hafa mihitsy noho izay tsapako teo aloha aho. … Feno fankasitrahana tokoa aho noho izany satria nahazo fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy aho fa marina ireo zavatra nolazainy.”

Teraka tamin’ny 20 jolay 1954 tao Dalles Oregon i Joy Diane Harmon. Samy lehibe tao Oregon izy sy i Robert Bruce Jones izay ho vadiny, saingy tao Brigham Young University, tao Provo, Utah, Etazonia izy ireo no nihaona. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Manti Utah izy ireo tamin’ny 14 aogositra 1974. Manan-janaka dimy sy zafikely 17 izy ireo.

Fotoana fohy taorian’ny nahazoany diplaoma fahavitana fianarana ambony nandritra ny roa taona momba ny fiainam-pianakaviana dia nifindra tany Portland Oregon izy ireo, ary taty aoriana dia tany Santa Rosa Californie, Etazonia, ka tao ny Rahalahy Jones, izay chiropracticienne no niasa. Nahatsapa ho nentanim-panahy hifindra tany Draper Utah Rahalahy sy Rahavavy Jones 22 taona lasa izay. Nankafy ilay fitahiana amin’ny fipetrahana any akaikin’ny tempoly Rahavavy Jones nanomboka teo.

“Ny Tempolin’i Jordan River Utah no nanjary toerana masina ho ahy,” hoy izy. “Manana fijoroana ho vavolombelona momba ny herin’ny tempoly sy ny fiadanana ary ny fitarihana nentin’izany teo amin’ny fiainako aho.”

Ny Rahavavy Jones dia efa filohan’ny Fikambanana Ifanampiana sy filohan’ny Kilongan’ny paroasy ary mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Zatovovavy ary ny Kilongan’ny paroasy sy ny tsatòka. Vao haingana izy no nanompo tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Kilonga maneran-tany.

Hamoaka printy