2016
Jean B Bingham
Mey 2016


Rahavavy Jean B Bingham

Mpanolotsaina Voalohany, Fiadidian’ny Kilonga Maneran-tany

Rahavavy Jean Barrus Bingham dia nankafy nanompo tao amin’ilay antsony tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Kilonga maneran-tany nandritra ny enin-taona latsaka. Nitsidika ny tokantranon’ireo mpikambana izy ary nanatrika tany amin’ny Kilonga ka nahita maso ny finoana matanjaka ananan’ireo Olomasin’ny Andro Farany—indrindra ny ankizy ao amin’ny Kilonga—manerana an’izao tontolo izao.

Ny Rahavavy Bingham, izay vao notohanana vao haingana ho mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany dia nandany ny ankamaroan’ny fotoana teo amin’ny fiainany nampianarana sy nikolokoloana ary nitiavana ny ankizy. Mpiaro ny hafa sy loharanon-kery ho an’ny maro izy na ho an’ireo zandriny izany rehefa teo am-pitomboana, na ho an’ireo zanany vavy anankiroa, na ho an’ireo zanany vavy natsangany, na ho an’ireo zafikeliny, na ho an’ireo mpamangy azy tany an-tokantranony, na ho an’ireo izay nifanerasera taminy tamin’ny naha-mpikambana azy tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Kilonga maneran-tany.

“Manana hery anaty tena tsara ny ankizy tsirairay ary rehefa jerentsika amin’ny fomba ijeren’ny Ray any An-danitra azy izy ireo dia afaka manampy azy ireo isika mba ho lasa tahaka ilay tian’ny Ray hahatongavan’izy ireo,” hoy izy.

Teraka tamin’ny 10 jona 1952, tany Provo, Utah, Etazonia ny Rahavavy Bingham. Zanak’i Edith Joy Clark sy Robert Rowland Barrus ary fahatelo amin’ireo zanaka sivy izy. Fony izy telo volana dia nifindra tany Indiana ny fianakaviany mba hahafahan’ny rainy manohy ny fianarany.

Taorian’ny nahazoany mari-pahaizana tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa tany New Jersey, dia nifindra tany Provo, Utah ny Rahavavy Bingham mba hianatra ao amin’ny Brigham Young University. Nihaona tamin’i Bruce Bryan Bingham ilay ho vadiny izy ny taona faharoa nipetrahany tany. Tovolahy nipetraka tany amin’ny toeram-piompiana sy fambolena avy any Illinois izy izay natao batisa niaraka tamin’ny ray aman-dreniny fony izy zatovolahy. Nivady tamin’ny 22 desambra 1972 tao amin’ny tempolin’i Provo Utah izy ireo.

Ireto avy ireo asa fanompoana tao amin’ny Fiangonana nataony nandritra ny fiainany: filohan’ny Kilongan’ny paroasy, filohan’ny Zatovovavy, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana, filohan’ny Zatovovavin’ny tsatòka, mpiasa tao amin’ny tempoly ary mpampianatra seminera vao maraina.

“Ny lamina hitako narahiny teo amin’ny fiainany tao anatin’izay 43 taona mahery nivadianay izay, dia ny fanarahana tsy tapaka ny bitsiky ny Fanahy,” hoy Rahalahy Bingham mikasika ny vadiny. “Namerimberina nanao izay tian’ny Tompo hataony izy.”

Hamoaka printy