2016
Loholona Massimo De Feo
Mey 2016


Loholona Massimo De Feo

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Fotoana fohy talohan’ny nanekeny antso hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno dia nianatra lesona manan-danja mikasika ny fahafoizan-tena sy ny fitiavana avy tamin’ny rainy Vittorio De Feo ny Loholona Massimo De Feo.

Kely ny loharano fampidiram-bolan’ny fianakaviana De Feo, ary na i Vittorio na i Velia vadiny dia samy tsy mpikamban’ny Fiangonana. Kanefa najain’i De Feo rainy ny fanirian’ny zanany lahy hizara ny filazantsara.

“Nanontany ahy ny raiko hoe: ‘Tena te hanao izany ve ianao?’” hoy ny Loholona De Feo raha nahatsiaro. “Nilaza aho hoe: ‘Eny, amin’ny foko manontolo no haniriako hanompo ny Tompo.’”

Nampanantena ny hanao izay rehetra azony natao i Vittorio mba hanefa ny saran’ny fandaniana amin’ny asa fitoriana hataony mandritra ny roa taona any amin’ny Misiônan’i Rome Italie.

“Noraisiko ho masina izany vola izany—vokatry ny fahafoizan-tena lehibe avy amin’ny lehilahy iray izay tsy nino ny fahamarinan’ny Fiangonana izany,” hoy ny Loholona De Feo. “Noho izany dia nanao ny asa fitoriako tamin’ny foko sy ny heriko sy ny saiko ary ny heriko rehetra aho satria tiako ny Tompo ary tiako ny raiko.”

Ny fitsipiky ny filazantsara toy ny fahafoizan-tena, ny asa mafy, ny fianakaviana ary ny asa fanompoana dia nanampy mba hamaritana hoe iza ny Loholona De Feo.

Ny Loholona Massimo De Feo, izay teraka tao Taranto Italie tamin’ny 14 desambra 1960, dia nahalala ny fisian’ny Fiangonana fony izy sivy taona rehefa nandondona ny varavaran’ny tranony ny misiônera roa. Vetivety dia natao batisa i Massimo sy i Alberto zokiny lahy.

Nahazo ny fitiavana sy ny fanampian’ireo mpitarika feno fanoloran-tena tao amin’ny sampana ireo zazalahy avy ao amin’ny fianakaviana De Feo rehefa nanatrika tao amin’ny Kilonga, ary nanatrika ny Fiaraha-mientana Ifanakalozana taty aoriana. Lasa mpinamana nandritra ny fiainana tamin’ny zatovo hafa tao amin’ilay sampana koa i Massimo—ka tafiditra tao anatin’izany i Loredana Galeandro izay namana niova fo, ka nalainy vady taorian’ny asa fitoriana nataony. Nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Bern Suisse tamin’ny 14 aogôsitra 1984 izy ireo. Manan-janaka telo ry De Feo.

Talohan’ny nahalasa Fitopololahy Manampahefana Ambony azy dia nipetraka tany Rome ny Loholona De Feo ka niasa 30 taona mahery ho an’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Amerikana. Efa filohan’ny sampana, filohan’ny distrika, filohan’ny tsatòka, ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra izy.

Hamoaka printy