Fifanoherana amin’ny zava-drehetra
Ny fifanoherana dia mamela antsika hitombo ho lasa ilay tian’ny Raintsika any An-danitra hahatongavantsika.
Ny drafitry ny famonjen’ny Ray ho an’ny fivoaran’ireo zanany mandrakizay no ivon’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Izany drafitra izany, izay voazava ao amin’ny fanambarana maoderina, dia manampy antsika hahatakatra zavatra maro izay atrehintsika amin’ny fiainana an-tany. Ny hafatro dia mifantoka amin’ny anjara asa lehiben’ny fifanoherana ao anatin’izany drafitra izany.
I.
Ny tanjon’ny fiainana an-tany ho an’ny zanak’ Andriamanitra dia ny hanome ireo traikefa ilaina “mba handrosoany mankany amin’ny fahatanterahana ary hahatratrarany any amin’ny farany ny anjarany tahaka an’ Andriamanitra amin’ny maha-mpandova ny fiainana mandrakizay azy.”1 Araka ny nampianarin’ny Filoha Thomas S. Monson antsika tamin-kery tokoa tamin’ny maraina, dia mandroso isika rehefa manao safidy, ary tsapaina isika amin’izany mba hanehoana fa hisafidy ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra (jereo ny Abrahama 3:25). Mba hahafahana mitsapa antsika dia tsy maintsy manana ny fahalalahana isika hisafidianana zavatra. Tsy maintsy eo amintsika ny fifanoherana mba hananantsika safidy ahazoantsika mampiasa ny fahafahantsika misafidy.
Zava-dehibe ihany koa ny ambin’ilay drafitra. Rehefa manao safidy ratsy isika—izay tsy azo ihodivirana fa hataontsika—dia voaloton’ny fahotana ka tsy maintsy diovina mba hahafahana mankany amin’ny anjarantsika mandrakizay. Ny drafitry ny Ray no manome antsika ny fomba ahafahana manao izany, ilay fomba ahafahana manefa ny fitakian’ny fahamarinana: dia ny fisian’ny Mpamonjy iray manefa ny sarany mba hanavotra antsika amin’ny fahotantsika. I Jesoa Kristy Tompo izany Mpamonjy izany, ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra Ray mandrakizay, ka ny sorona izay nataony—ny fijaliany—no manefa ny saran’ny fahotantsika raha toa ka mibebaka amin’izany isika.
Iray amin’ireo fanazavana tsara indrindra momba ny anjara asan’ny fifanoherana ao amin’ilay drafitra dia hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ao amin’ireo fampianaran’i Lehia an’i Jakôba zanany.
“Tsy maintsy ilaina ny hisian’ny fifanoherana amin’ny zava-drehetra. Raha tsy izany, … dia tsy ho azo notanterahina ny fahamarinana na ny faharatsiana na ny fahamasinana na ny fahoriana na ny tsara na ny ratsy” (2 Nefia 2:11; jereo koa nyandininy 15).
Noho izany dia hoy i Lehia nanohy: “Nomen’ny Tompo Andriamanitra ny olombelona ny fahafahana hanao araka ny safidiny. Koa tsy ho afaka nanao araka ny safidiny ny olombelona raha tsy efa notaomin’ itsy voalohany na ity faharoa” (andininy 16). Toy izany koa dia hoy ny Tompo ao amin’ny fanambarana maoderina: “Tsy maintsy ilaina ny hakan’ny devoly fanahy ny zanak’olombelona, fa raha tsy izany dia tsy afaka ny hisafidy ho an’ny tenany izy ireo” (F&F 29:39).
Nilaina ny fifanoherana tao amin’ny Saha Edena. Raha tsy nanao ilay safidy nitarika ny fahafatesana i Adama sy i Eva hoy i Lehia nampianatra, “dia ho tafajanona tamin’ny toetry ny tsy fananan-tsiny, … tsy nanao ny tsara satria tsy nahafantatra ny fahotana” izy ireo (2 Nefia 2:23).
Hatrany am-boalohany ny fahafahana misafidy sy ny fifanoherana dia ivon’ny drafitry ny Ray sy ny fikomian’i Satana amin’izany. Araka ny nambaran’ny Tompo tamin’i Mosesy, i Satana dia “nikatsaka ny handrava ny safidin’ny olona” tao amin’ny filankevitry ny lanitra (Mosesy 4:3). Izany fandravana izany dia vokatry ny tolotra nomen’i Satana. Tonga teo amin’ny Ray izy ka nanao hoe: “Indro, inty aho, iraho aho, ho zanakalahinao aho ary havotako ny olombelona rehetra ka tsy hisy olona iray ho very, ary hataoko marina tokoa izany; koa omeo ahy ny voninahitrao” (Mosesy 4:1).
Dia toy izany no nanoloran’i Satana ny hanatanteraka ny drafitry ny Ray amin’ny fomba izay hisakana ny fahatanterahan’ny tanjon’ny Ray ka hanomezany ny voninahiny an’i Satana.
Ny tolotra nomen’i Satana dia hanome antoka fitoviana tanteraka: tolotra izay hanavotra ny olombelona rehetra ka tsy hisy olona iray ho very. Tsy hisy fahafahana misafidy na safidy ho ataon’ny olona ka noho izany dia tsy ho ilàna fifanoherana. Tsy hisy fitsapana, tsy hisy ny tsy fahombiazana ary tsy hisy ny fahombiazana. Tsy hisy fitomboana mba hanatratrarana ilay tanjona nirian’ny Ray ho an’ireo zanany. Milaza ny soratra masina fa ny fanoherana nataon’i Satana dia niteraka “ady tany an-danitra” (Apokalypsy 12:7), izay nahazoan’ny roa ampahatelon’ny zanak’ Andriamanitra ny zo hiaina ny fiainana an-tany amin’ny alalan’ny fisafidianana ny drafitry ny Ray sy ny fandavana ny fikomian’i Satana.
Ny tanjon’i Satana dia ny hanomezana azy ny voninahitra sy ny herin’ny Ray (jereo ny Isaia 14:12–15; Mosesy 4:1, 3).“Koa satria,” hoy ny Ray, “nikomy Tamiko i Satana, … dia nasaiko nazera etỳ ambany izy” (Mosesy 4:3) niaraka tamin’ireo fanahy rehetra izay nampiasa ny fahafahany misafidy hanaraka azy (jereo ny Joda 1:6; Apokalypsy 12:8–9; F&F 29:36–37). Rehefa noroahina ho fanahy tsy manana vatana eto amin’ny fiainana an-tany i Satana sy ny mpanara-dia azy dia maka fanahy sy mikatsaka ny hamitaka sy hambabo ny zanak’ Andriamanitra izy (jereo ny Mosesy 4:4). Koa ilay ratsy, izay nanohitra sy nikatsaka ny handrava ny drafitry ny Ray no nanamora izany raha ny marina, satria ny fifanoherana no mampisy safidy ary ny fahafahana manao ny safidy tsara no mitarika mankany amin’ilay fitomboana izay tanjon’ny drafitry ny Ray.
II.
Tsara ho marihina fa tsy ny fakam-panahy hanota ihany no karazana fifanoherana amin’ny fiainana an-tany. Nampianatra i Lehia fa raha tsy nisy ny Fahalavoana “dia ho tafajanona tamin’ny toetry ny tsy fananan-tsiny, tsy nanam-pifaliana satria tsy nahalala fahoriana” i Adama sy i Eva (2 Nefia 2:23). Raha tsy misy ny fiainana fifanoherana amin’ny fiainana an-tany, “ny zavatra rehetra dia tsy maintsy ilaina ho fitambarana ho iray” izay tsy hisy fahasambarana na fahoriana (andininy 11). Noho izany, hoy i Lehia nanohy, rehefa avy namorona ny zava-drehetra Andriamanitra “mba hahatontosa ny fikasany mandrakizay momba ny ho avin’olombelona, … dia tsy maintsy ilaina ny hisian’ny fifanoherana; na dia ny voankazo voarara aza dia mifanohitra amin’ny hazon’aina, ny iray mamy ary ny iray kosa mangidy” (andininy 15).2 Mifarana amin’ireto teny ireto ny fampianarany momba ity ampahany amin’ny drafitry ny famonjena ity:
“Indro fa ny zava-drehetra dia efa natao araka ny fahendren’Ilay mahafantatra ny zava-drehetra.
“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana” (andininy 24–25).
Ny fifanoherana izay miseho amin’ny endriky ny trangan-javatra sarotra izay atrehintsika amin’ny fiainana an-tany koa dia ampahany amin’ilay drafitra izay mampiroborobo ny fivoarantsika eto amin’ny fiainana an-tany
III.
Samy miaina karazana fifanoherana samihafa izay mitsapa antsika isika rehetra. Ny sasany amin’ireo fitsapana ireo dia ny fakam-panahy hanota. Ny sasany dia ireo olana an-tany izay tsy avy amin’ny fahotana manokana. Ny sasany dia tena lehibe. Ny sasany tsy dia mafy. Ny sasany dia mitohy, ary ny sasany dia handalo fotsiny ihany. Tsy misy afa-miala isika tsirairay. Ny fifanoherana dia mamela antsika hitombo ho lasa ilay tian’ny Raintsika any An-danitra hahatongavantsika.
Rehefa nahavita ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith dia mbola nitady mpiantoka boky izy. Tsy mora izany. Nampiahiahy ny fahasarotan’io rakitsoratra lava io sy ny vidin’ny fanaovana printy ary ny fanakambanana ireo tahadika an’arivony maro. Nanatona an’i E. B. Grandin, mpanao printy iray tao Palmyra, aloha i Joseph tamin’ny voalohany, ka nolaviny. Avy eo izy dia nahita mpanao printy iray hafa tao Palmyra, izay nandà azy ihany koa. Nandeha tany Rochester izy, 40 km miala eo, ka niresaka tamin’ireo mpiantoka boky malaza indrindra tao New York andrefana, izay mbola nandà azy ihany koa. Nisy mpiantoka boky iray hafa vonona tao Rochester saingy noho ny toe-javatra samihafa dia tsy azo natao izany.
Herinandro maro no lasa, ary tsy maintsy efa very hevitra i Joseph Smith amin’ny fanoherana misy amin’ny fanatanterahana ny andraikitra nampanaovin’ Andriamanitra azy. Tsy nataon’ny Tompo ho mora izany, saingy nataony ho azo tanterahina. Ny andrana fahadimy sy ny firesahana faharoa tamin’i Grandin, mpiantoka boky iray tao Palmyra, vao nahomby.3
Taona maro taty aoriana dia nogadraina tamim-pangirifiriana tao amin’ny fonjan’i Liberty nandritra ny volana maro i Joseph. Rehefa nivavaka izy mba hahazo fanampiana dia nilaza taminy ny Tompo hoe “ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany” (F&F 122:7).
Isika rehetra dia mahafantatra tsara ireo karazana fanoherana amin’ny fiainana an-tany izay tsy avy amin’ny fahotantsika manokana. Tafiditra amin’izany ny aretina, sy ny kilema ary ny fahafatesana. Nanazava ny Filoha Thomas S. Monson hoe:
“Misy fotoana ny sasany aminareo mety efa niantsoantso tao anatin’ny fijaliana izay mahazo anareo, nanontany tena hoe nahoana ny Raintsika any An-danitra no namela anareo handalo ireo karazana fitsapana izay atrehinareo. …
“Tsy natao ho mora na hahafinaritra foana anefa ny fianantsika an-tany. Ny Raintsika any An-danitra … dia mahafantatra fa amin’ny alalan’ireo fanamby sarotra sy fahoriana mahavaky fo ary safidy sarotra dia mianatra sy mitombo ary voadio isika. Miaina andro manjombona ny tsirairay amintsika rehefa nodimandry ny olona iray izay mamintsika, miaina fotoana maharary rehefa ratsy ny fahasalamantsika, miaina fahatsapana ho nilaozana rehefa toa nandao antsika ny olona izay tiantsika. Ireo rehetra ireo sy ireo fitsapana hafa no tena fizahana ny fahafahantsika miaritra.”4
Ny ezaka ataontsika hanatsarana ny fanamasinantsika ny andro sabata dia tsy dia mametraka karazana fifanoherana mampiasa saina be loatra. Manana ny didin’ny Tompo isika mba hanamasina ny andro Sabata. Mety handika izany didy izany ny sasany amin’ny safidy ataontsika, saingy ireo safidy hafa mikasika ny fomba handaniana ny fotoana amin’ny andro Sabata dia mifandraika fotsiny amin’ny hoe hanao ny tsaratsara ve isika, sa ny tsaratsara kokoa sa ny tena tsara.5
Mba hanehoana ny fifanoherana izay mahatonga fakam-panahy dia manoritsoritra fomba telo izay hampiasain’ny ratsy amin’ny andro farany ny Bokin’i Môrmôna. Voalohany dia “ho romotra ao am-pon’ny zanak’olombelona izy … ka hamporisika azy ho tezitra amin’izay tsara.” (2 Nefia 28:20). Faharoa dia “hampitoniany … ka handrotsirotsiany amin’ny fiadanana ara-nofo [ireo mpikambana],” amin’ny filazana hoe: “miroborobo i Ziona, mandry fehizay ny rehetra” (andininy 21). Fahatelo dia hilaza amintsika izy hoe: “tsy misy izany helo izany; [ary] … tsy devoly izany aho, satria tsy misy izany” (andininy 22), ka noho izany dia tsy misy ny tsara sy ratsy. Noho ity fifanoherana ity dia nampitandremana isika mba tsy “hiadana ao Ziona!” (andininy 24).
Ny Fiangonana amin’ny asa nampanaovin’ Andriamanitra azy sy isika amin’ny fiainantsika manokana dia toa miatrika fifanoherana tsy mitsaha-mitombo. Angamba arakaraka ny fitombon’ny Fiangonana amin-kery sy ny fitombontsika mpikambana am-pinoana sy fankatoavana dia mampitombo ny hamafin’ny fanoherana izay ataony i Satana mba hahatonga antsika hanana hatrany “fifanoherana amin’ny zava-drehetra.”
Ny sasany amin’io fifanoherana io aza dia avy amin’ny mpikambana mihitsy. Ny sasany izay mampiasa ny fisainany sy ny fahendreny manokana hanoherana ny fitarihan’ny mpaminany dia manome anarana ny tenany toy ny fampiasan’ny fanjakana ireny—dia hoe “antoko mpanohitra.” Na dia mety amin’ny demôkrasia aza izany dia tsy misy fanamarinana ho an’izany foto-kevitra izany ao amin’ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra, ka hoe ny fisalasalana no omem-boninahitra fa tsy ny fanoherana (jereo ny Matio 26:24).
Ho ohatra anankiray hafa dia misy zavatra maro ao amin’ny tantaran’ny Fiangonantsika tany am-boalohany, toy ny zavatra nataon’i Joseph Smith na ny zavatra tsy nataony tamin’ny toe-javatra rehetra, ka ampiasain’ny olona hanamarinana ny fanoherany. Milaza aminareo rehetra aho hoe ampiharo ny finoana ary miantehera amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy hoe “ny voany no hahafantaran[tsika] azy” (Matio 7:16). Ny Fiangonana dia manao ezaka lehibe mba hangarahara amin’ireo rakitsoratra ananantsika, saingy na dia eo aza izay rehetra azontsika navoaka, indraindray ireo mpikambana ato amintsika dia tavela amin’ireo fanontaniana fototra izay tsy voavaha amin’ny alalan’ny fianarana. Izany no “fifanoherana amin’ny zava-drehetra” araka ny Fiangonana. Ny zavatra sasany dia tsy azo ianarana raha tsy amin’ny finoana ihany (jereo ny F&F 88:118). Ny finoana ny tenivavolombelona azontsika avy amin’ny Fanahy Masina no tena tokony hianteherantsika.
Mahalana Andriamanitra no mametra ny fahafahan’ny zanany tsirairay misafidy amin’ny alalan’ny fanakanana ny sasany mba ho fanavotana ny hafa. Fa manamaivana ny enta-mavesatry ny fahoriantsika Izy ka mankahery antsika mba hitondra izany, tahaka ny nataony tamin’ireo vahoakan’i Almà tao an-tanin’i Helama (jereo ny Môsià 24:13–15). Tsy manakana ny loza rehetra Izy, fa mamaly kosa ny vavaka ataontsika mba hampivily izany, tahaka ny nataony tamin’ilay rivo-doza mahery vaika tsy misy toa azy izay nandrahona ny hanakana ny fitokanana ny tempoly tao Fidji;6 na koa ahenany ny vokatr’izany, tahaka ny nataony tamin’ny fanapoahana baomba fampihorohoroana izay namoizana aina maro tany amin’ny seranam-piaramanidin’i Bruxelles kanefa tsy namono fa nandratra fotsiny ireo misiônerantsika niisa efatra.
Ao anatin’ny fifanoherana misy eo amin’ny fiainana an-tany dia manana ny fanomezan-toky avy amin’ Andriamanitra isika fa “hanokana ny fahoria[ntsika] ho tombontsoa[ntsika]” Izy (2 Nefia 2:2). Nampianarina ihany koa isika mba hahatakatra ireo zavatra iainantsika eto an-tany sy ireo didiny ao anatin’ny drafitra lehiben’ny famonjeny, izay milaza amintsika ny tanjon’ny fiainana ary manome antsika toky fa misy Mpamonjy iray, izay amin’ny anarany no ijoroako ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izany rehetra izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.