2016
Rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo ny Tompo
Mey 2016


Rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo ny Tompo

Mitiava hatrany. Miezaha hatrany. Matokia hatrany. Minoa hatrany. Mivoara hatrany. Mamporisika anao ny lanitra androany sy rahampitso ary mandrakizay.

Ry rahalahy sy anabavy isany, azonareo an-tsaina ve—mba takatrareo na dia kely fotsiny aza ve—ny halehiben’ny fitiavanay anareo? Nandritra ny adiny 10 ianareo dia nijery, sy nifantoka tamina tarehy anankiray nifanesy teto amin’ity polipitra ity, saingy nandritra ireo adiny 10 ireo kosa dia nipetraka tao ambadik’ity polipitra ity izahay ka nijery sy nifantoka taminareo. Mampientanentana ny fanahinay manontolo ianareo, dia ianareo miisa 21.000 izay tafavory eto amin’ity Ivontoeran’ny Fihaonambe ity, na koa ireo olona maro any amin’ireo trano fivoriana sy trano fiangonana maro, ary ireo an-tapitrisany maro hafa maneran-tany izay angamba mitangorona manodidina ny efijerin’ny solosain’ny fianakaviany. Io ianareo, any ianareo, mandritra ny ora mifanesy, manao fitafy fanao amin’ny alahady sy maneho ny tsara indrindra avy aminareo. Mihira ianareo ary mivavaka ianareo. Mihaino ianareo ary mino ianareo. Ianareo no fahagagan’ity Fiangonana ity. Ary tianay ianareo.

Fihaonamben’ny Fiangonana iray hafa tena miavaka iny natrehantsika iny. Nahazo fitahiana manokana tamin’ny alalan’ny fanatrehan’ny Filoha Thomas S. Monson sy ireo hafatra mifono faminaniana isika. Ry Filoha! Tianay ianao, mivavaka ho anao izahay sy misaotra anao ary indrindra indrindra, manohana anao izahay. Feno fankasitrahana isika fa nampianarinao sy nampianarin’ireo mpanolotsainao mahavariana ary ireo mpitarika lehilahy sy vehivavy maro ato amintsika izay manana ny maha-izy azy. Tena tsara ny mozika henontsika. Nentina am-bavaka sy niangaviana mafy isika. Nirotsaka be dia be teto tokoa ny Fanahy. Tena faran’ny herinandro nanentana ny fanahy tokoa ity tamin’ny lafiny rehetra.

Ankehitriny dia olana roa no misy manoloana antsika. Ny iray dia ilay hoe izaho sisa no olona mijoro eo anelanelanareo sy ilay gilasy efa ataonareo vonona foana mba hamaranana ny fihaonamben’ny Fiangonana. Ny olana lehibe iray hafa dia asehon’ity sary hitako vao haingana tao amin’ny internet ity.

Ankizy enjehin’ny dinosaure

Miala tsiny amin’ny ankizy rehetra izay miafina any ambany seza aho amin’izao fotoana izao saingy ny marina dia tsy hisy amintsika rahampitso, na ny andro aorian’izay haniry ny handrava ny fahatsapana tena tsara azontsika tamin’ity faran’ny herinandro ity. Te hifikitra mafy amin’ireo fahatsapana ara-panahy azontsika isika sy ireo fampianarana tena tsara henontsika. Saingy tsy azo ihodivirana ny hoe aorian’ireo fotoana nitondrana antsika tany an-danitra teo amin’ny fiainantsika dia tsy maintsy miverina eto an-tany isika, raha izay no ilazana azy, izay toerana iatrehantsika indray toe-javatra tsy dia tsara loatra indraindray.

Nampitandrina antsika ny amin’izany ny mpanoratra ny Bokin’i Hebreo rehefa nilaza hoe: “Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin’ny fahoriana, rehefa nohazavaina hianareo.”1 Izany fahoriana rehefa avy nohazavaina izany dia afaka miseho amin’ny fomba maro ary afaka miseho amintsika rehetra. Azo antoka fa ny misiônera rehetra efa nanompo hatramin’izay dia nahatsapa haingana fa tsy ho toy ilay tontolo tena raitra tao amin’ny ivontoerana fanofanana misiônera ny fiainana any amin’ny saha. Dia izany koa no miseho amintsika rehetra rehefa mandao fivoriana tena nahafinaritra iray any amin’ny tempoly na rehefa mamarana fivoriana fanasan’ny Tompo anankiray izay nampitombo ny aim-panahy manokana isika.

Tsarovy fa rehefa nidina avy niaina ilay zavatra tena nahatalanjona tany amin’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy dia hitany fa “nanao ratsy” ny olony ary “nalaky nivily niala tamin’ny lalana.”2 Indro izy ireo teo am-bodin’ny tendrombohitra nisomebiseby nanamboatra ombilahy kely volamena mba hiankohofana, tamin’ny fotoana nilazan’i Jehovah tamin’i Mosesy tany an-tampon’ny tendrombohitra mihitsy hoe: “Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany,” ary “Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao.”3 I Mosesy dia tsy faly tamin’ilay andian’Isiraelitany nirenireny tamin’io andro io!

Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia nentin’i Jesoa tany an-tendrombohitry ny Fiovan-tarehy i Petera, i Jakoba ary i Jaona ka tany araka ny filazan’ny soratra masina dia “[namirapiratra tahaka ny masoandro ny tavany], ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava.”4 Nisokatra ny lanitra, tonga ireo mpaminany fahiny ary niteny Andriamanitra Ray.

Taorian’ny zava-niseho tena masina toy izany dia inona no hitan’i Jesoa rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy? Voalohany dia nahita fifandirana teo amin’ny mpianany sy ireo mpanohitra azy ireo Izy mikasika ny fametrahan-tanana ho an’ny marary nomena ny zazalahy iray izay tsy nitondra vokany. Dia niezaka nandresy lahatra ny Roambinifololahy Izy—izay tsy nahomby—fa tsy ho ela dia hatolotra an’ireo mpitondra eo an-toerana Izy izay hamono Azy. Dia nisy olona nilaza Taminy fa tokony nandoa ny hetrany Izy, izay tonga dia naloany. Avy eo dia tsy maintsy notezerany ny sasany tamin’ireo rahalahy satria nifanditra izy ireo mikasika ny hoe iza no lehibe indrindra ao amin’ny fanjakany. Izany rehetra izany dia nahatonga Azy hilaza izao tamin’ny farany hoe: “Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo?”5 Nanana fahafahana hametraka izany fanontaniana izany imbetsaka Izy nandritra ny asa fanompoany. Tsy nahagaga raha toa ka naniry ny hivavaka mitokana tany an-tampon-tendrombohitra Izy!

Noho ny fahatsapana fa isika rehetra dia tsy maintsy miala avy any amin’ilay fiainan-javatra avo lenta ara-panahy ka midina mba hiatrika ireo fivadibadiky ny fiainana, dia mamela ahy ianareo hanolotra ity famporisihana ity amin’izao fiafaran’ny fihaonamben’ny Fiangonana izao.

Voalohany indrindra, raha toa ka mahita ianao ao anatin’ireo andro ho avy fa ankoatra ireo zava-mametra eo amin’ny manodidina anao dia eo koa ireo singa eo amin’ny fiainanao izay mbola tsy mifanaraka amin’ireo hafatra henonao tamin’ity faran’ny herinandro ity ihany koa, dia aza avela ho kivy ny fanahy ary aza milavo levona. Ny filazantsara sy ny Fiangonana ary itony fivoriana isaky ny tapa-taona itony dia natao hanomezana fanantenana sy aingam-panahy fa tsy fanakiviana. Ilay fahavalontsika rehetra ihany no hany hiezaka ny handresy lahatra antsika fa ireo fitsipika velabelarina ao anatin’ny fihaonambe dia mahakivy sy tsy mitombina, ary tsy mivelatra akory ny olona ary tsy misy olona mivoatra marina akory. Nahoana ary no manao izany resaka izany i Losifera? Satria fantany fa tsy afaka mivelatra izy, tsy afaka mivoatra izy, ary tontolo tsisy fiafarana, tsy hanana hoavy mamirapiratra izy. Olona fadiranovana voafatotry ny fetra mandrakizay izy ary maniry anao ho fadiranovana koa. Aza manaiky ho azon’izany. Noho ny fanomezana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny hery avy an-danitra mba hanampiana antsika, dia afaka mivoatra isika, ary ny zavatra tena tsara mikasika ny filazantsara dia mahazo fitahiana isika rehefa miezaka na dia hoe tsy voatery hahomby foana aza isika.

Rehefa nisy ny adihevitra tany am-piandohan’ny Fiangonana mikasika ny hoe iza no mahazo ireo fitahian’ny lanitra ary iza no tsy mahazo, dia nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo hoe: “Fa lazaiko aminareo marina tokoa, [ireo fanomezan’ Andriamanitra] dia omena ho tombontsoan’ireo izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko, ary [ho an’ireo] izay mikatsaka ny hanao izany.”6 Tena feno fisaorana an’izany vatsy fanampiny izany isika rehetra “ary … mikatsaka ny hanao izany”! Mpamonjy aina izany satria indraindray dia izay ihany no azontsika atolotra! Mahazo fampaherezana isika noho ny amin’ilay hoe, raha toa ka ny tena mahatoky tanteraka ihany no omen’ Andriamanitra valisoa dia tsy dia hisy olona firy ao anatin’ilay lisitry ny tokony homena valisoa.

Mba tsarovy rahampitso ary amin’ireo andro rehetra aorian’izany fa ny Tompo dia mitahy ireo izay maniry ny hivoatra, manaiky ny filana ireo didy sy miezaka mitandrina azy ireo, ary manome lanja an’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy sy miezaka araka izay azony atao mba hanana azy ireo. Raha toa ianao ka solafaka ao anatin’ny fanatanterahana izany dia mba tratran’izany koa ny rehetra. Eo ny Mpamonjy hanampy anao hanohy. Raha mianjera ianao dia angataho ilay heriny. Mangataha tahaka an’i Almà hoe, “Ry Jesoa ô, … mamindra fo amiko.”7 Hanampy anao mba hiarina Izy. Hanampy anao hibebaka, hamerina amin’ny laoniny, hanamboatra izay tokony hamboarina ary hanohy ny dia Izy. Hahazo vetivety foana ny fahombiazana izay katsahinao ianao.

Nanambara ny Tompo hoe: “Hatao aminareo araka izay irinareo Amiko.”

“… Apetraho amin’ilay Fanahy izay mitarika hanao ny tsara ny fitokianao—eny, hanao araka ny hitsiny, handeha amim-panetren-tena, hitsara araka ny rariny. …

“… [Amin’izay] ny zavatra rehetra irianao Amiko [amim-]pahamarinana, … dia horaisinao.8

Tiako io fotopampianarana io! Milaza hatrany hatrany izany fa hahazo fitahiana isika noho ny faniriantsika hanao ny tsara na dia mbola miezaka ny ho tsara aza isika raha ny marina. Ary mampahatsiahy antsika izany fa mba hahazoana ireo fitahiana ireo dia tsy maintsy maka antoka isika fa tsy manakana ny hafa tsy hahazo izany: mila mitondra ny hafa amim-pahamarinana fa tsy amin’ny tsy rariny velively isika; mila mandeha amim-panetrentena isika fa tsy amim-piavonavonana na amim-pieboeboana velively; mila mitsara araka ny rariny isika fa tsy amim-piheverana ny tena ho manana ny rariny foana velively.

Ry rahalahiko sy anabaviko, ny didy lehibe voalohany mifandray amin’ny mandrakizay dia ny mitia an’Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy ny herintsika rehetra sy ny sainsika rehetra ary ny tanjatsika rehetra—izany no ilay didy lehibe voalohany. Saingy ny fahamarinana lehibe voalohany mifandray amin’ny mandrakizay dia ny hoe, tia antsika amin’ny fony rehetra sy ny heriny rehetra sy ny sainy rehetra ary ny tanjany rehetra Andriamanitra. Io fitiavana io no vato iorenan’ny mandrakizay ary tokony ho vato iorenan’ny fiainantsika isan’andro. Mazava ho azy fa amin’ny alalan’io fananana toky miredareda ao am-pontsika io ihany no ahafahantsika manana fahatokiana hanohy ny fiezahana hivoatra, hanohy hikatsaka ny famelana ny fahotantsika ary hanohy hanolotra izany hatsaran-toetra izany amin’ny mpifanolobodirindrina amintsika.

Nampianatra ny Filoha George Q. Cannon indray mandeha hoe: “Na goavana toy ny inona aza ny fitsapana, na lalina toy ny inona aza ny fahoriana ary na lehibe toy ny inona aza ny fijaliana, dia tsy handao antsika velively [Andriamanitra]. Tsy mbola nandao velively Izy ary tsy handao velively. Tsy mba fanaony izany. Tsy toetrany ny [manao izany]. … Hijoro eo akaikintsika [foana] Izy. Mety mandalo ao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra isika; mety mamakivaky rano lalina; saingy tsy ho voatelina na ho rendrika isika. Ho tafavoaka amin’ireo fitsapana sy olana ireo isika ka ho olona tsara kokoa sy madio kokoa vokatr’izany.”9

Raha tena tsy tapaka eo amin’ny fiainantsika izany fanoloran-tena tena lehibe avy amin’ Andriamanitra izany izay miseho amin’ny endriny tena madio sy tonga lafatra teo amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fahafatesany ary ny Sorompanavotany, dia afaka misoroka ny fahotana sy ny hadalana—izay an’ny tenantsika na an’ny hafa—isika na manao ahoana na manao ahoana ny fomba ahatongavany eo amin’ny lalan’ny fiainantsika isan’andro. Raha atolotsika an’Andriamanitra ny fontsika, raha tiantsika i Jesoa Kristy Tompo, raha manao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hiaina ny filazantsara, dia ho tena hahafinaritra ny rahampitso—sy ireo andro rehetra hafa—amin’ny farany, na dia tsy tsapantsika ho tena mahafinaritra foana aza izany. Nahoana? Satria izay no itiavan’ny Ray any An-danitra azy! Te hitahy antsika Izy. Fiainana mitondra soa sy be dia be ary mandrakizay no tena tanjon’ilay drafiny feno famindram-po ho an’ny zanany! Izany dia drafitra mifototra amin’ilay fahamarinana hoe “ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra.”10 Noho izany dia mitiava hatrany. Miezaha hatrany. Matokia hatrany. Minoa hatrany. Mivoara hatrany. Mamporisika anao ny lanitra androany sy rahampitso ary mandrakizay.

“Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va?” hoy ny nambaran’i Isaia.

“Mampahatanjaka ny reraka [Andriamanitra]; ary izay kely hery dia omeny hery be. …

“… Izay miandry [Azy] dia mandroso hery koa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery. …

“Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananan’[izy ireo] ankavanana, dia Ilay manao amin’[izy ireo] hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.”11

Ry rahalahy sy rahavavy, enga anie ilay Ray any An-danitra be fitiavana hitahy antsika rahampitso mba hahatsiarovantsika ny zavatra tsapantsika androany. Enga anie hotahiany isika mba hiezaka hiaina amim-paharetana sy amim-pikirizana ireo fitsipika nambara tamintsika tamin’ity fihaonambe natao tamin’izao faran’ny herinandro izao, ka hahafantatra fa ilay fitiavany masina sy ilay fanampiany tsy tapaka dia hiaraka amintsika na dia ao anatin’ny fahasahiranana aza isika—tsia, hiaraka amintsika indrindra rehefa ao anatin’ny fahasahiranana isika.

Raha toa ka avo ireo fenitry ny filazantsara tokony ho tratrarina ary toy ny tsy ho tratra ilay fivoaran’ny tena manokana ilaina amin’ireo andro ho avy, dia tsarovy ny famporisihana nomen’i Josoa ny vahoakany rehefa niatrika hoavy nampitahotra izy ireo. “Manamasìna ny tenanareo,” hoy izy, “fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah.”12 Manambara izany fampanantenana izany aho. Izany no fampanantenan’ity fihaonambe ity. Izany no fampanantenan’ity Fiangonana ity. Izany no fampanantenany, dia Izy izay nanatanteraka ireo fahagagana ireo, Izy ilay “Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, … Andrian’ny fiadanana.”13 Izy no ijoroako ho vavolombelona. Izaho dia vavolombelony. Ary ity fihaonambe ity dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny asany izay mandroso hatrany amin’izao andro farany lehibe izao. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.