2016
Loholona Valeri V. Cordón
Mey 2016


Loholona Valeri V. Cordón

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Avy tamin’ilay reniny izay lasa mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny faha-16 taonany no nahazoan’ny Loholona Valeri Vladimir Cordón Orellana fototra iorenana amin’ny filazantsara izay nanampy tsara azy rehefa nifindra tany amin’ny 150 km lavitra avy eo amin’ny toeram-ponenany tany Zacapa, Guatemala izy mba hianatra any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa tany Guatemala City sy hianatra momba ny informatique.

“Ny zavatra manan-danja indrindra noraisiko avy amin’ny reniko dia ny fanajana fatratra ireo zavatra masina rehetra ao amin’ny Fiangonana,” hoy ny fitantaran’ny Loholona Cordón, izay zanakalahin’i Ovidio sy Ema Orellana Cordón.

Teraka tamin’ny 19 febroary 1969 tany Guatemala City ny Loholona Cordón ary nipetraka tao Zacapa fony izy zatovolahy. Nandeha niasa tany Chicago, Illinois, Etazonia ny rainy. Rehefa tany izy dia voatarik’ireo mpikamban’ny Fiangonana ka nandray ny hafatry ny filazantsara avy tamin’ireo misiônera. Nofehezina tany amin’ny Tempolin’i Mesa, Arizona ny fianakaviana tamin’ny 1972 ka telo taona i Valeri tamin’izany.

Nilaza ny Loholona Cordón hoe nitombo ny fitiavany ny filazantsara tamin’ny alalan’ny fahenoany ny reniny izay nihira matetika ireo hira ao amin’ny fihirana sy hira hafa toy ny “Zanaky ny Ray aho” sy “J’espère qu’on m’enverra en mission.” Nanao asa fitoriana tany amin’ny Misiônan’i El Salvador ny Loholona Cordón nanomboka tamin’ny 1987 ka hatramin’ny 1989.

Nanambady an’i Glenda Zelmira Zea Diaz tamin’ny 25 martsa 1995 tany amin’ny Tempolin’i Guatemala, Guatemala City izy. Nanam-pikasana hanao asa fitoriana Rahavavy Cordón saingy niova ny drafiny rehefa nihaona tamin’i Valeri izy. Taty aoriana dia tadidin-drahavavy Cordón izy hoe ilay tovolahy nahasarika ny masony rehefa hitany tao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana ny sariny taona maro tany aloha tany. Manan-janaka vavy telo izy ireo.

Nahazo mari-pahazaina licence avy tao amin’ny Mariano Galvez University tany Guatemala tamin’ny 2010 ny Loholona Cordón ary mari-pahaizana maîtrise en adminitration d’entreprise avy tao amin’ny Massachusetts Institute of Technology tamin’ny 2012. Talen’ny système d’information tao amin’ny orinasa fivarotam-panafody iray izy ary niasa tao amin’ny Pepsico Foods misahana ny faritr’i Mexique sy Amerika Afovoany ary any Caraїbes nanomboka tamin’ny 2012.

Nanompo tao amin’ny Kôlejy fahefatry ny Fitopololahy tany amin’ny Vondrom-paritr’i Amerika Afovoany ny Loholona Cordón tamin’ny fotoana niantsoana azy. Nanompo tao amin’ny fiadidian’ny misiônan’i San José Atsinanana, Costa Rica izy tamin’ny 1998 ka hatramin’ny 2000.

Hamoaka printy