Angatahiny mba isika no ho tanany
Ny tena asa fanompoana tahaka ny an’i Kristy dia feno fahafoizan-tena sy mifantoka amin’ny hafa.
“Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.”1 Ireo teny ireo, izay nohirain’ity amboarampeo tena miavaka ity, dia nolazain’i Jesoa ora vitsy monja talohan’ilay sorompanavotana lehibe nataony—sorona izay nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland fa “fanehoam-pitiavana madio lehibe indrindra izay naseho teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao.”2
Tsy vitan’ny hoe nampianatra antsika hifankatia i Jesoa, fa niaina ny zavatra nampianariny ihany koa Izy. Nandritra ny asa fanompoana nataony, dia “nandehandeha nanao soa”3 i Jesoa ary “niantso ny olon-drehetra Izy mba hanaraka ny ohatra nomeny.”4 Nampianatra Izy hoe: “Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany.”5
Ny Filoha Thomas S. Monson, izay nahatakatra sy niaina ny didin’ny fifankatiavana, dia nilaza hoe: “Mino aho fa ny Mpamonjy dia milaza amintsika fa raha tsy manolo-tena hanompo ny hafa isika, dia ho kely ihany ny tanjon’ny fiainantsika. Ireo izay miaina ho an’ny tenany fotsiny ihany dia ho trotraka amin’ny farany sy … hahavery ny ainy, kanefa ireo izay manolo-tena hanompo ny hafa dia hivoatra sy hiroborobo—ary hamonjy ny ainy tokoa izy ireo.”6
Ny tena asa fanompoana tahaka ny an’i Kristy dia feno fahafoizan-tena sy mifantoka amin’ny hafa. Nanazava ny vehivavy iray izay nikarakara ny vadiny kilemaina hoe: “Aza eritreretina ho zioga ny asanao; fa eritrereto ho fahafahana iray hianarana hoe inona marina ny atao hoe fitiavana.”7
Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony tamin’ny fampaherezam-panahy tao BYU, ny Rahavavy Sondra D. Heaston dia nanontany hoe: “Ahoana moa raha tena afaka mahita izay ao am-pon’ny tsirairay isika? Moa ve hifankahazo bebe kokoa isika? Amin’ny fahatsapana izay tsapan’ny hafa sy fahitana izay hitan’ny hafa ary fandrenesana izay ren’ny hafa, moa ve isika hanokana fotoana sy hampiasa izany mba hanompoana ny hafa? Moa ve hanana faharetana kokoa sy hatsaram-panahy kokoa ary fandeferana kokoa isika amin’ny fitondrantsika azy ireo?”
Nizara ny zavatra niainany nandritra ny lasin’ny Zatovovavy iray izay nanaovany asa fanompoana ny Rahavavy Heaston. Hoy izy:
“Ny iray tamin’ireo … mpandahateny tamin’ny fampaherezam-panahy natrehinay … dia nampianatra anay momba ny hoe ‘tokony ho lasa olona manao ahoana isika.’ Ny iray tamin’ny zavatra noteneniny … dia hoe: ‘Mbà olona izay manolo-tanana hamantatra sy hanompo ny hafa—atsaharo ny fijerena fitaratra fa mijere eo am-baravarankely.’
“Mba hampisehoana izany, dia nanasa ny iray tamin’ireo zatovovavy izy ary nangataka azy mba hijoro manatrika azy. Avy eo dia namoaka fitaratra [izy] ary nametraka izany teo anelanelan’izy sy ilay zatovovavy amin’izay izy, [ilay mpandahateny], dia sady nijery ilay fitaratra izy no niezaka nifampiresaka tamin’ilay zatovovavy. Tsy nahagaga fa tsy nahomby ary tsy avy amin’ny fo ny fifampiresahan’izy ireo. Lesona avy amin’ny ohatra azo tsapain-tanana tena mahery vaika izany, izay naneho fa sarotra ny mifandray sy manompo ny hafa raha toa isika mieritreritra be loatra ny momba antsika sy tsy mahita afa-tsy ny tenantsika sy ny zavatra ilaintsika. Avy eo dia nesoriny ilay fitaratra, ary namoaka sisim-baravarankely [izy], ary nataony teo anelanelan’ny tarehiny sy ny tarehin’ilay zatovovavy izany. … Afaka nahita izahay fa ilay zatovovavy no lasa nobanjininy ary ny tena asa fanompoana marina dia mitaky ny hibanjinantsika ny filan’ny hafa sy ny fahatsapan’izy ireo. Indraindray isika dia miahiahy fatratra ny amin’ny momba antsika sy ny fiainantsika feno zavatra atao—rehefa mijery ao amin’ny fitaratra isika kanefa miezaka ny hitady fahafahana manompo—hany ka tsy hitantsika mazava tsara ny eo amin’ny varavarankelin’ny asa fanompoana.”8
Nampahatsiahy antsika matetika ny Filoha Monson fa isika dia “voahodidin’ireo izay mila ny fifantohantsika, ny famporisihantsika, ny fanohanantsika, ny fampaherezantsika, ny hatsaram-panahintsika—na fianakaviana izy ireo, na namana, na olom-pantatra na olon-tsy fantatra.” Hoy izy: “Isika no tanan’ny Tompo ety ambonin’ny tany, ary nirahiny hanompo sy hampitraka ireo zanany isika. Miantehitra amintsika tsirairay Izy.”9
Tamin’ny volana Janoary tamin’ny herintaona, Ny gazetiboky L’Ami sy ny Liahona dia nanasa ireo ankizy manerana izao tontolo izao mba hanaraka ny torohevitry ny Filoha Monson—mba ho lasa tanan’ny Tompo. Nasaina ireo ankizy mba hanao asa fanompoana—na lehibe na kely. Avy eo dia namporisihana izy ireo hanao sary ny tanany eo amin’ny taratasy, hanety izany, sy hanoratra ny asa fanompoana nataony eo amin’ilay izy, ary handefa izany any amin’ny gazetiboky. Maro aminareo izay mihaino anio hariva no mety ho isan’ireo ankizy an’arivony izay nanao asa fanompoana feno fitiavana sy nandefa izany.10
Rehefa mianatra ny fomba hitiavana sy hanompoana ny hafa mandritra ny fahatanorany ny ankizy, dia mametraka lamina arahina amin’ny fanaovana asa fanompoana ho an’ny fiainan-koaviny rehetra izy. Matetika ny ankizy dia mampianatra antsika fa ny fanehoam-pitiavana sy ny fanompoana dia tsy voatery ho lehibe sy mahatalanjona izay vao manan-danja sy manova zavatra.
Nizara ity ohatra manaraka ity ny mpampianatra iray ao amin’ny Kilonga: “Androany,” hoy izy, “dia nanamboatra rojon’ny fitiavana ireo ankizy dimy sy enin-taona. Nanao sary teo amin’ny taratasy lavalava ny ankizy tsirairay: misy ny sarin’izy ireo sy ny sarin’i Jesoa ary ny sarin’ny sasany amin’ny fianakaviany na olon-tiany. Nasiana lakaoly ny sisin’ireo taratasy lavalava mba hanome boribory izay natao mifamatotra mba hanome ny rojon’ny fitiavana. Rehefa nanao sary ireo ankizy, dia niresaka momba ny fianakaviany izy ireo.
“Hoy i Heather hoe: ‘Tsy tia ahy ny rahavaviko araka ny eritreritro. Miady foana izahay. … mankahala ny tenako aza aho. Ratsy ny fiainako.’ Ary nohazoniny tamin’ny tanany ny lohany.
“Nieritreritra ny toe-javatra misy eo amin’ny fianakaviany aho dia nahatsapa fa mety tena sarotra tokoa ny fiainany. Kanefa rehefa avy niteny an’izany i Heather, dia namaly i Anna, avy eo amin’ny ilan’ny latabatra hoe: ‘Heather a! ataoko ao amin’ny rojoko ianao eo anelanelanay sy i Jesoa, satria tia anao Izy ary tia anao aho.’
“Rehefa niteny an’izay i Anna, dia nandady tao ambany latabatra i Heather namonjy an’i Anna ka namihina azy.
“Taorian’ny fotoam-pianarana, rehefa tonga naka azy ny renibeny, dia hoy i Heather hoe: ‘Mba fantatrao ve ry Bebe? Tia ahy i Jesoa.’”
Rehefa manolo-tanana isika hitia sy hanompo na dia amin’ny fomba kely indrindra aza, dia hisy fo miova sy fo mihamalefaka rehefa mahatsapa ny fitiavan’ny Tompo ireo hafa.
Indraindray, anefa, noho ireo olona tsy tambo isaina manodidina antsika izay mila fanampiana sy fanamaivanana ny ziogany, dia mety ho sarotra ny manome ireo zavatra maro ilain’izy ireo maika.
Ry Rahavavy isany, ny sasany aminareo izay mihaino dia mety hahatsapa fa manao izay vitanareo ianareo mba hanomezana izay ilain’ny fianakavianareo. Tsarovy fa rehefa manao ireo asa fanao mahazatra sy mahamonamonaina indraindray, dia “tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”11
Ny hafa aminareo dia mety mahatsapa fahabangana izay azo fenoina rehefa mitady fahafahana hanamaivana ny ziogan’ny hafa eo amin’ny manodidina anareo na eo amin’ny mpiara-monina aminareo ianareo.
Azontsika rehetra ampidirina ao amin’ny fiainantsika andavanandro ny asa fanompoana. Miaina ao anaty tontolo feno fifandirana isika. Manao asa fanompoana isika rehefa tsy mitsikera, rehefa mandà tsy hifosafosa, rehefa manatsahatra ny fitsaratsarana, rehefa mitsiky, rehefa misaotra, ary rehefa maharitra sy tsara fanahy.
Ireo karazana asa fanompoana hafa dia mitaky fotoana, drafitra milamina tsara ary angovo fanampiny. Kanefa tsy very maina ny ezaka ataontsika amin’izy ireny. Mety hoe azontsika atao ny manomboka amin’ny fametrahana ireto fanontaniana ireto amin’ny tenantsika:
-
Iza amin’ireo olona fantatro no azoko ampiana anio?
-
Manao ahoana ny fotoanako ary inona avy ireo loharano ananako?
-
Ahoana no ahafahako mampiasa ny talenta sy ny fahaiza-manaoko mba hitahiana ny hafa?
-
Inona no azonay sy ny fianakaviako atao?
Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe:
“Tsy maintsy manao … izay nataon’ny mpianatry ny Tompo nandritra ny fotoampitantanana rehetra ianao any amin’ny faritra misy anao: miaraka mifanakalo hevitra, mampiasa ireo loharano rehetra misy, mikatsaka fitaomam-panahy avy amin’ ny Fanahy Masina, mangataka amin’ny Tompo ny fankatoavany, ary dia mampiakatra ny tanan’akanjonao ary mandeha miasa.
“Mampanantena anareo aho,” hoy izy. “Fa raha manaraka izany lamina izany ianareo, dia hahazo fitarihana manokana mikasika ny hoe iza, inona, rahoviana, ary aiza eo amin’ny fanomezan-javatra amin’ny fomban’ny Tompo.”12
Isaky ny manontany tena aho hoe hanao ahoana rehefa ho avy indray ny Mpamonjy, dia mieritreritra ny fitsidihany ny Nefita aho tamin’izy nanontany hoe:
“Moa va ianareo manana ireo izay marary eo anivonareo? Ento atỳ ireo. Moa va ianareo manana ireo izay malemy, na jamba, na mandringa, na kilemaina, na boka, na izay maina, na izay marenina, na izay ory na manao ahoana na manao ahoana izany? Ento atỳ izy dia hositraniko, fa manana fangorahana anareo Aho; ny kiboko dia feno famindram-po. …
“… ary nositranin’[ny Mpamonjy] ny tsirairay avy taminy.”13
Amin’izao dia angatahiny mba isika no ho tanany.
Nianatra aho fa ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny namana no mampisy dikany ny fiainana. Enga anie isika mba hanaraka ny ohatra nomen’ny Mpamonjy sy ny didy nomeny mba hanolo-tanana ny hafa amim-pitiavana.
Mijoro ho vavolombelona aho fa tena marina ny fampanantenana nataon’ny Filoha Henry B. Eyring “fa raha [h]ampiasa ny fanomezam-pahasoavana [ananantsika] mba hanompoana olon-kafa isika, dia [ho] tsapantsika ny fitiavan’ny Tompo io olona io. [Ho] tsapantsika ihany koa ny fitiavany [antsika].”14 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.
Fanamarihana: Ny Rahavavy Esplin dia nisaorana tamin’ny 2 aprily 2016 tamin’ny naha-mpanolotsaina voalohany azy tao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany.