2016
Loholona Gary B. Sabin
Mey 2016


Loholona Gary B. Sabin

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Misy hazon’ny Krismasy telo izay mitoetra ao anatin’ny fahatsiarovan’ny Loholona Gary B. Sabin.

Ny voalohany dia ilay hazon’ny Krismasy tsara tarehy fony izy zatovo. Rehefa nianika ilay hazo mba hanakatra vatomamy sarin-tehina iray izy dia nianjera tamin’ny tany ilay hazo iray manontolo.

Ny faharoa dia rantsan-kazo tsy malazo ravina mandavan-taona izay hitany fony izy misiônera nanompo tany Belgique sy Pays-bas tamin’ny 1973 ka hatramin’ny 1975. Nentin’ny Loholona Sabin sy ny mpiara-mitory taminy tany amin’ny efitrano fonenany ilay rantsan-kazo ary naankiny nanodidina ireo karatra misy fiarahabana noho ny fahatongavan’ny Krismasy izay voarain’izy ireo avy any amin’ny tokantrano niaviany.

Ny fahatelo dia ilay hazo izay namboarina tamin’ny alalan’ireo jiron’ny Krismasy izay nahantona teo amin’ilay pied à perfusion teo akaikin’ny fandrian’ny zanany vavy tao amin’ny hôpitaly. Iray tamin’ireo zanaky ry Sabin mivady anankitelo io zanany vavy tratran’ny aretina fibrose kistyque io izay nanaovana transplantation pulmonaire bilatérale herintaona taorian’ny nahafatesan’ny anadahiny izay tratran’io aretina io ihany.

Hahatsiaro ireo hazon’ny Krismasy sy ireo lesona nianarany avy amin’izy ireo izy amin’ny maha-Manampahefana Ambony azy. Nampisongadina ampahan-javatra niseho teo amin’ny fiainany ny hazo tsirairay—nanomboka tamin’izy zatovolahy te hahazo ilay vatomamy, dia avy eo tamin’izy ilay misiônera nampianatra ny drafitry ny famonjena hatrany amin’ilay izy raim-pianakaviana niantehitra tamin’ilay drafitra sy fitiavan’ny Mpamonjy mba hanohanana ny fianakaviany tao anatin’ireo fitsapan’ny fiainana an-tany.

Teraka tao Provo, Utah, Etazonia i Gary Byron Sabin tamin’ny 7 aprily 1954. Zanak’i Marvin E. sy Sylvia W. Sabin izy. Nanambady an’i Valerie Purdy izy ny volana aogositra 1976. Manan-janaka dimy izy ireo ary zazarano ny fahenina.

Rehefa avy nahazo mari-pahaizana tao amin’ny Brigham Young University tao Provo ny Loholona Sabin dia nahazo mari-pahaizana master en gestion avy tao amin’ny Stanford University izy.

Nanompo tao anatin’ny antso maro tato amin’ny Fiangonana ny Loholona Sabin, ka tao anatin’izany dia efa eveka, filohan’ny tsatòka ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra izy. Mpanorina, filoha mpitantana, tale jeneraly teo anivon’ny orinasa maro izy ka anisan’izany ny Excel Realty Trust, Price Legacy, Excel Realty Holdings, ary Excel Trust.

Tamin’ny 1993 dia nanorina ny Sabin Children’s Foundation ny Loholona sy Rahavavy Sabin, fikambanana iray misahana manokana ny fitsaboana ny ankizy.

Hamoaka printy