2016
Fiovana eo amin’ny tantaram-pianakavina sy ny asa fanompoana any amin’ny tempoly
Mey 2016


Fiovana eo amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa fanompoana any amin’ny tempoly

Misy fitaovana sy fomba fiasa vaovao izay hanampy ny olona tsirairay sy ny fianakaviana eo amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy asa fanompoana any amin’ny tempoly:

  • Azon’ny mpikambana atao izao ny manao printy amin’ny taratasy fotsy ireo karatra hanatanterahana ôrdônansin’ny tempoly dia entiny any amin’ny tempoly.

  • Manana fotoana natokana ho an’ny fianakaviana ny tempoly izay manome fahafahana ny fianakaviana hametraka fotoana mba hiarahana manatanteraka ôrdônansy ka tsy mila miandry ela.

  • Ireo mpikambana vaovao izay hanatanteraka vao voalohany batisa isoloana tena dia afaka mametraka fotoana mba hahafahan’ny tempoly miomana handray azy ireo.

  • Misy fahazoan-dalana voafetra vaovao izay azo amboarina en ligne ary ataon’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana printy. Ampandehanina ilay fahazoan-dalana rehefa vita printy ary manan-kery rehefa voasonian’ilay mpikambana sy ny eveka.

Hamoaka printy