Liahona
Anio no andro hizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy
Jolay 2024


“Anio no andro hizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy,” Liahona, jolay 2024.

Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Anio no andro hizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy

Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson fa “Tsy mbola nisy velively fotoana teto amin’ny tantaran’izao tontolo izao ka nahatonga ilay fahalalana ny Mpamonjintsika ho manan-danja manokana sy zava-dehibe ho an’ny olombelona tsirairay mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao” (“Fahamarinana madio, fotopampianarana madio, ary fanambarana madio,” Liahona, nôv. 2021, 6). Izany no antony anekentsika ny fanasan’ny Mpamonjy sy ny didiny mba hizara ny filazantsarany (jereo ny Matio 28:19).

Asa iray manan-danja izay azontsika rehetra andraisana anjara izany. Ao amin’ity laharana ity, ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mampianatra fa “hita na aiza na aiza ireo fahafahana azo araraotina mba hanampiana ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fampisehoana ny fitiavantsika, ny fizarana ny finoantsika ary ny fanasana azy ireo hiaraka amintsika hiaina ilay fifaliana avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (pejy 4).

Feno fanakasitrahana izahay ny amin’ireo zatovolahy sy zatovovavy izay misiônera mampianatra na misiônera manao asa fanompoana, saingy araka ny lazaiko ao amin’ny lahatsoratro ato amin’ity laharana ity hoe, “Mila miaramila maro kokoa isika , maro dia maro, eny amin’ny lohalaharana, dia tafika ana misiônera sy mpikambana izany.”

Mizara ihany koa aho fa “anio no andro ampisehoantsika ny toetrantsika sy ny herim-pontsika ary izarantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (pejy 40). Manasa anao aho hisaintsaina ny fomba ahafahanao mizara ny hafaliana entin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy amin’ireo manodidina anao rehefa mandalina ireo asa fitoriana ny filazantsara nataon’i Amôna sy i Abisa ary ireo hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ianao amin’ity volana ity.

Loholona Eduardo Gavarret

Ao amin’ny Fitopololahy

Sary
lehilahy iray sy misiônera mivavaka ao amin’ny trano fiangonana

“Aza milaza na inona na inona afa-tsy fibebahana amin’ity taranaka ity. Tandremo ny didiko, ary ampio mba hiroborobo ny asako, araka ny didiko, dia hotahina ianareo.”

Sary nalain’i Matthew Reier

Hamoaka printy