Liahona
Resadresaka ataon’ny mpianakavy momba ny famonoantena
Jolay 2024


“Resadresaka ataon’ny mpianakavy momba ny famonoantena,” Liahona, jolay 2024.

Resadresaka ataon’ny mpianakavy momba ny famonoantena

Amin’ny maha ray aman-dreny antsika dia te hanomana ireo zanatsika amin’izay mety ho loza hatrehan’izy ireo isika. Iray amin’ireny loza ireny ny famonoantena na dia mety ho tsy mampahazo aina antsika aza ny miresaka momba izany.

Sary
olona mamoy lakana eo amin’ny renirano mahery fikoriana

Toy ny mamoy lakana eo amin’ny renirano mahery fikoriana ny fiainana. Mampiditra salotra mampitsinkafona eny ambony rano sy fiarovan-doha ny mpianakavy, ka ny ray aman-dreny dia toy ny mpitari-dalana izay efa nandalo tamin’izany taloha ela be. Mila antsika hampitandrina azy ireo amin’ireo renirano mahery na vato any aloha any ny ankizy. Raha toa ka mety hisy rian-drano mampidi-doza any am-paran’ny renirano any, moa ve isika hampitandrina ireo zanatsika ny amin’ny fisian’izany? Moa ve isika hampianatra azy ireo ny fomba fivoizana sy ny toerana tokony hamiliana mba hialana amin’ilay lalana, sa ve andrasantsika hihantona eny amin’ny hantsana izy ireo vao hampitandrina azy ireo isika?

Mety ho tsy mampahazo aina antsika ray aman-dreny ny miresaka lohahevitra tsy mahafinaritra toy ny famonoantena saingy afaka manampy amin’ny fiarovana sy fanomanan’ireo zanatsika mialoha ny hananan’izy ireo eritreritra mampidi-doza isika.

Ireo ray aman-dreny dia afaka manampy ireo ankizy hianatra ny ho lasa mahay miarina ara-pihetseham-po sy hahafantatra izay azon’izy ireo itodihana rehefa mila fanampiana ara-pihetseham-po izy ireo. Nampianatra i Reyna I. Aburto, Mpanolotsaina teo aloha tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany fa: “Izany dia mety ahitana ny fahazoana fampahalalana momba ireo aretina ara-pihetsehampo, ny fitadiavana loharano izay afaka manampy amin’ny fiatrehana ireo olana ireo ary amin’ny farany ny fitondrana ny tenantsika sy ny hafa eo amin’i Kristy ilay Mpanasitrana Lehibe.”

Olana manan-danja mila resahina

Mitranga tsy ahitana fampitandremana mivaingana ny famonoantena sasany. Ho an’ny sasany kosa dia zara raha misy famantarana hita, na indraindray dia tena mibaribary ireo famantarana. Tsy afaka ny ho fantatsika mazava tsara ny zavatra eritreretin’ireo zanatsika, koa mila manomana azy ireo dieny mbola kely isika, raha sanatria ka misy eritreritra mifono famonoantena mibahana ao an-tsain’izy ireo.

Nohamafisin-dRahavavy Aburto fa: “Zava-dehibe ny firesahana mikasika ireo zavatra ireo amin’ny zanatsika sy ny fianakaviantsika ary ireo namantsika any an-tokantranontsika sy any amin’ny paroasintsika ary eo amin’ny fiarahamonina misy antsika.”

Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa: “Isika rehetra dia manana olona ao amin’ny fianakaviana, namana akaiky, na olom-pantatra izay manana eritreritra mifono famonoantena, mikasa ny hamono tena, na namono tena. … Paroasy sy tsatòka [sy fianakaviana] maro no nihevitra ny hanao fifanakalozan-kevitra momba ny fisorohana famonoantena taorian’ny famonoantena vitan’ny olona iray. Ny fanontaniako dia hoe: nahoana isika no tokony hiandry an’izany? Maninona raha atao izao izany? Satria misy olona manana eritreritra mifono famonoantena ao amin’ny paroasy na tsatòkantsika.”

Taona maro lasa izay dia nipetraka aho ary niresaka tamin’ireo zanako taorian’ny nitrangana fahafatesana teo amin’ny toerana nisy anay. Nahatsapa ho nisy nanosika aho hizara tamin’izy ireo fa misy lalana mitondra antsika ho amin’ny hoavy tsara foana rehefa miaraka amin’i Jesoa Kristy. Tsy misy zavatra azon’izy ireo atao na tsy vitan’izy ireo ka hoe ny famonoantena no vahaolana. Fony izy ireo mbola kely tsy manan-tsiny dia tsy nanana antony hieritreretana aho hoe tandindomin-doza izy ireo, kanefa fantatro fa misy zavatra lehibe kokoa azoko atao mba hanomanana ireo zanako handray an-tanana ireo eritreritra mifono famonoantena izay hampidi-doza tokoa.

Misoroka ny famonoantena ny firesahana momba izany

Mampahalala ny torolalana fitarihana atolotry ny Fiangoanana momba ny fisorohana famonoantena fa: “Tsy hahatonga ny olona iray hirona hanandrana hamono tena ny firesahana momba ny famonoantena. Fomba mahomby hanampiana hisorohana famonoantena raha ny marina ny firesahana malalaka momba ny famonoantena.”

Araka ny nolazain’i John Ackerman, manam-pahaizana ambony (PhD), mpitantana ara-pahasalamana momba ny fisorohana ny famonoantena ao amin’ny NationWide Children’s Hospital: “Afaka manavotra ny ain-jaza iray ny fanorenana sehatra voaro izay ahafahana miresaka momba ny famonoantena.” Raha ny marina, hoy izy nanampy: “raha misy ankizy iray niady hatry ny ela tamin’ny fieritreretana ny hamono tena dia matetika no mitondra fanamaivanana ny fahafantarana fa misy olon-dehibe miraharaha vonona ny hiresaka an-kahalalahana.”

“Manampy amin’ny fisorohana famonoantena raha ny marina ny firesahana araka ny tokony ho izy momba ny famonoantena fa tsy mamporisika izany,” hoy Rahavavy Aburto nampianatra. Matin’ny famonoantena ny rainy. An-taonany maro no tsy niresahany momba io fahafatesany io tamin’ny ankohonany. Kanefa nianatra ny lanjan’ny firesahana amin-kitsim-po sy amim-pahatsorana izy nanomboka tamin’izany. “Efa niresaka malalaka tsara mikasika ny nahafatesan’ny raiko tamin’ny zanako aho ary nahita ny fahasitranana izay azon’ny Mpamonjy atolotra eo amin’ny lafy roan’ny voaly.”

Ny firesahana malalaka momba ny famonoantena dia afaka mamporisika ny ankizy hanatona ny ray aman-dreniny sy ireo olon-dehibe hafa azo itokisana toy izay hiezaka ny hitsakotsako samy ireny ireo eritreritra mifono famonoantena, raha sendra mipoitra izany.

Araka ny tatitra dia manomboka eo amin’ny enina na fito taona ny ankizy no manana eritreritra mifono famonoantena. “Taloha dia … tsy nino ireo mpitsabo sy mpikaroka ary ray aman-dreny fa na dia ny ankizy latsaky ny 10 na 11 taona aza dia nanana eritreritra ny hamono tena,” hoy i Dr. Ackerman “Fantatsika fa tsy marina izany.” Nomarihiny fa na ny ankizy kely aza dia afaka mampifandray ny eritreritra mifono famonoantena amin’ny fahatsapan-tena ho mizaka enta-mavesatra, fahatsapan-tena ho ao anaty fangirifiriana ara-pihetseham-po, na fisedrana fahakiviana tanteraka.

Nanome toky Rahavavy Aburto fa: “Afaka manampy ny fahaizana mahatsikaritra ireo famantarana sy fambara eny amintsika sy eny amin’ny hafa. Afaka mianatra mamantatra fieritreretana diso na tsy mahasalama sy mianatra ny fomba hanoloana izany amin’ny fieritreretana araka ny tokony ho izy sy mahasalama ihany koa isika.”

Mateti-pitranga tsy araka izay mety hiheverantsika azy ny famonoantena

Maneran-tany dia saika fahafatesana iray vokatry ny famonoantena no mitranga saika ho isaky ny 40 segaondra ary izany no antony lehibe faharoa mitarika ho amin’ny fahafatesana ho an’ny olona 15–24 taona. Tao anatin’ny fanadihadiana farany natao teo anivon’ny zatovo an’arivony tao Utah, Etazonia, dia hitan’ireo mpikaroka avy ao amin’ny Oniversite Brigham Young fa nanodidina ny 12 isan-jaton’ny zatovo Olomasin’ny Andro Farany no nihevitra tamim-pahamatorana ny hamono tena, ary 4 isan-jato no nanandrana ny hamono tena.

Ho fanehoana izany dia 3 tamin’ireo vondron-jatovo miisa 25, raha antontan’isa no resahina, no nihevitra tamim-pahamatorana ny hamono tena ary ny iray tamin’ireo no nanandrana ny hamono tena.

Raha afaka manampy ireo zanatsika hahita fanohanana ilain’izy ireo mialoha ny hahatongavan’izy ireo eo amin’izany fotoan-tsarotra izany isika, rehefa mivadika ho drafitra ireo eritreritra, dia mety ho azontsika hatao ny manampy amin’ny fanovana izany mba tsy ho tratra aorina loatra.

Inona no hanombohana azy

Manomboka mahatakatra ny atao hoe fahatsapana ny ankizy amin’ny taona rehetra saingy afaka manome azy ireo fomba fiteny izay afaka maneho marina ny fahatsapan’izy ireo isika. Ny dingana voalohany angamba dia ny manampy ny ankizy kely iray hanorina ny voambolany entiny maneho ny fihetseham-pony. Afaka manampy ny ankizy isika hahatakatra ny fahasamihafan’ny hoe tezitra, malahelo, sorena sy ny sisa. Raha afaka manazava ny zavatra tsapany ny ankizy dia afaka miara-miasa isika manomboka eo. Amin’ny fomba mifanentana tsara amin’ny taonan’izy ireo no hahafahantsika miresaka momba ireo fahatsapana mahery vaika ananan’ireo ankizy kely enin-taona no miakatra sy manampy azy ireo hamantatra sy handray an-tanana ireny fahatsapana ireny.

Hanampy ireo ray aman-dreny ho lasa mahalala tsara ireo karazana fihetseham-po mpiseho eo amin’ny zanany ihany koa ireny fifampiresahana mialoha ireny. Ho an’ny ankabeazan’ny ankizy dia hiaina zavatra tsara izy ireo no mety hiaina zavatra ratsy koa eo amin’ny lafiny fahasalamana ara-pihetseham-po. Tsy zavatra hafahafa akory izany. Ny firesahana dieny mbola kely ary matetika amin’ny ankizy kely dia afaka manome ireo ray aman-dreny mari-pamaritana ara-pihetseham-po mba hamantarana ny fahasamihafana eo amin’ny fiovaovam-pihetseham-po ara-dalàna eo amin’ny fahazazana sy ny fiforonan’ny eritreritra mampidi-doza.

Toy ny fampiofanana hafa rehetra omen’ny ray aman-dreny ny firesahana atao mba hisorohana ny famonoantena. Azontsika atao ny manomana ny ankizy sy ny zatovo amin’ny mety hisian’ny eritritreritra miforona mifono famonoantena mitranga amin’izy ireo, tahaka ny mety hanomanantsika azy ireo amin’ny fomba familiana fiara sy ny zavatra atao rehefa misy trangana lozam-piarakodia. “Tiantsika homanina ny zanatsika mba hahatakatra ny zavatra mety hitranga ara-pihetseham-po sy ny zavatra mety hitan’izy ireo eo amin’ny namany,” hoy i Dr. Ackerman.

Sary
zatovovavy manampy mibata lakana

Manohy ny fifampiresahana

Rehefa mitombo taona ny ankizy dia hihamatotra ihany koa ny resaka ataontsika amin’izy ireo. Afaka mametraka fanontaniana izay tsy mitaky valiny eny na tsia isika, avy eo dia avelantsika mamaly amim-pahatsorana ny ankizy. Amporisiho ny ankizy hitsotra amin’ireo fahatsapana saro-bahana ananan’izy ireo. Maneho ny fikarohana fa mety hampihena ny vaika sy ny faharetan’ny ireo fahatsapana saro-bahana ny firesahana momba izany.

Amin’ny alalan’ny fifampiresahana malalaka momba ny fahaketrahana, famonoantena, na fahatsapana ho kivy no ianaran’ny ankizy fa afaka mizara ny eritreritra marina ananany izy ireo ary afaka ny ho voaro ara-pihetseham-po izy ireo rehefa miaraka amintsika. “Mahataka-javatra mazava tsara koa izy ireo rehefa miraharaha tokoa azy ireo ianao, ary manan-danja aminao ny fahasambarany sy ny maha-tsara azy ireo,” hoy ny iray tamin’ireo mpanoro hevitra momba ny fahasalamana ara-tsaina.

Afaka ny ho fanehoana ny fitiavan’ny Ray any An-danitra antsika tsirairay avy ny fitiavantsika sy ny fanohanantsika ireo zanatsika. “Tia anareo ny Rainareo any An-danitra—ianareo tsirairay avy,” hoy ny nampianarin’ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018). Tsy miova mihitsy izany fitiavana izany. … Eo izany ho anareo rehefa malahelo ianareo na faly, na kivy na feno fanantenana. Eo ny fitiavan’ Andriamanitra anareo na mahatsapa mendrika ny homena fitiavana ianareo na tsia. Eo [foana] fotsiny izany fitiavana izany.”

Vantany vao vita ny firesahako momba ny famonoantena tamin’ireo zanako dia nanontany ilay zanako lahy sivy taona raha afaka miresaka amiko mitokana izy. Notantarainy tamiko ny amin’ireo fotoana nieritreretany hanaisotra ny ainy mbamin’ny fomba hanaovany izany. Tsy nandalo tao an-tsaiko mihitsy hoe nanana izany eritreritra izany izy. Nofihiniko izy ary nisaotra azy aho tamin’ny fahasahiany niteny izany tamiko, ary nolazaiko azy fa na inona na inona mety efa nataony na mety ho noeritreretiny dia sarobidy sy ilaina izy ao amin’ny fianakavianay. Ary nampanantena ny tenako aho ny hanara-maso azy raha sendra misy fambara hafa ana fiforonan’ny eritreritra mifono famonoantena na aretin-tsaina.

Tsy vahaolana ny famonoantena

Mety hatahotra ny zatovo sasany fa ny famonoantena no hany vahaolana ananany hialana amin’ny fahakiviany. Nanome toky ny Filoha Jeffrey R. Holland, Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa: “Na betsaka toy inona aza ny fahadisoana izay tsapanao fa efa vitanao … , na dia lavitra toy inona aza ny dia nataonao izay tsapanao fa nanalaviranao ny tokantrano na ny fianakaviana na an’ Andriamanitra, dia mijoro ho vavolombelona aminao aho fa tsy nanalavitra loatra ianao ka hoe tsy ho takatry ny fitiavan’ Andriamanitra. Tsy misy izany hoe milentika lalina loatra ianao ka tsy ho tratran’ny hazavana tsy manam-pahataperan’ny Sorompanavotan’i Kristy.”

Ankoatra ny firesahana amin’ireo ankizy kelintsika dia azontsika resahana amin’ireo zatovo ny ohatra nomen’ny Filoha Holland manao hoe: “Ho anareo zatovo eto anivontsika izay sahirana, na inona na inona ireo olana na fahasarotana atrehanareo dia miharihary fa tsy vahaolana ny famonoantena. Tsy hanamaivana ny fanaintainana izay tsapanao na eritreretinao fa mety efa aterakao izany. Ao anatina tontolo izay mila mafy ny fahazavana rehetra azo katsahina, dia aoka ianareo tsy hanamaivana ilay fahazavana mandrakizay izay napetrak’ Andriamanitra ao anatin’ny fanahinareo talohan’ny nisian’izao tontolo izao. … Aza simbaina ilay fiainana izay nanomezan’i Kristy ny Azy hiarovana izany. Azonao zakaina ireo fahadisoam-panantenana eto amin’ity fiainana an-tany ity satria hanampy anao hizaka izany izahay. Matanjaka kokoa noho izay eritreretanao azy ianao. Misy fanampiana azo andrandraina avy amin’ny hafa ary indrindra fa avy amin’ Andriamanitra. Tiana sy omena lanja ary ilaina ianao. Mila anao izahay!”

Azonao sy ny vadinao atao ny mifandinika ny amin’ny fotoana mety hanombohana ny firesahana momba izany, aloha be ny hitrangan’ilay fotoan-tsarotra, raha sanatria ka misy izany. Azonareo atao ny mikatsaka ny Fanahy amim-bavaka mba hanampy amin’izay fotoana mety sy ireo teny holazaina mandritra ilay resaka hatao amin’ireo zanakareo.

Tsy tompon’andraikitra na oviana na oviana amin’ny safidin’ny olona iray hafa mba hanaisotra ny ainy isika, saingy misy zavatra azontsika atao mba hanampiana amin’ny fisorohana izany. Araka ny nampianarin’ny Filoha Holland hoe:

“Amin’ny maha-Fahazavana sy Fiainan’izao tontolo izao Azy, dia tonga mba hanome antsika fiainana ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandresena ny fahafatesana.

“Mila manolo-tena tanteraka amin’ny fiainana izany fanomezana fiainana izany isika ary mihazakazaka mba hanampy ireo izay hatahorana hahafoy izany fanomezana masina izany.”

Fanamarihana

  1. Reyna I. Aburto, “Na inona re miseho, mitoera eto!,” Liahona, nôv. 2019, 58.

  2. Jereo ny “Signes avant-coureurs du suicide,” ao amin’ny Comment aider?, Suicide, Faire face aux défis de la vie, Médiathèque de l’Évangile.

  3. Reyna I. Aburto, “Na inona re miseho, mitoera eto!,” 59, fahamarihana 10.

  4. Dale G. Renlund, “What We Know about Suicide” (horonan-tsary, 2018), ChurchofJesusChrist.org.

  5. Est-ce que parler du suicide à quelqu’un risque de l’inciter davantage à passer à l’acte ?” ao amin’ny FAQ, Suicide, Faire face aux défis de la vie, Médiathèque de l’Évangile.

  6. John Ackerman, “How to Talk to Kids about Suicide,” On Our Sleeves: The Movement for Children’s Mental Health, Aug. 2022, onoursleeves.org.

  7. Reyna I. Aburto, “Na inona re miseho, mitoera eto!,” 58.

  8. Jereo ny Kristin Francis, ao amin’ny “How to Talk to Your Child about Suicide: An Age-by-Age Guide,” Oniversite an’i Utah momba ny fahasalamana, 6 sept. , 2022, healthcare.utah.edu.

  9. Jereo ny John Ackerman, ao amin’ny “Talking to Children under 12 about Suicide” (horonan-tsary), tafiditra miaraka amin’ny lahatsoratra momba ny “How to Talk to Kids about Suicide,” onoursleeves.org.

  10. Reyna I. Aburto, “Na inona re miseho, mitoera eto!,” 59, fanamarihana 13.

  11. Jereo ny “Suicide Statistics,” SAVE: Suicide Awareness Voices of Education, save.org.

  12. Jereo ny W. Justin Dyer, Michael A. Goodman, and David S. Wood, “Religion and Sexual Orientation as Predictors of Utah Youth Suicidality,” BYU Studies Quarterly, vol. 61, no. 2 (2022), 88.

  13. Jereo ny Ackerman, “How to Talk to Kids about Suicide” and “Talking to Children under 12 about Suicide” (horonan-tsary), onoursleeves.org.

  14. Ackerman, ao amin’ny “Talking to Children under 12 about Suicide” (horonan-tsary), onoursleeves.org.

  15. Jereo ny Ackerman, “How to Talk to Kids about Suicide,” onoursleeves.org.

  16. Naomi Angoff Chedd, in Sherri Gordon, “How to Talk to Your Kids about Suicide at Every Age,” Very Well Family, Nov. 16, 2022, verywellfamily.com.

  17. Thomas S. Monson, “Tsy irery na oviana na oviana isika,” Liahona, nôv. 2013, 123–24.

  18. Jeffrey R. Holland, “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboalobokaLiahona, mey 2012, 33.

  19. Jeffrey R. Holland, “Aza matahotra; minoa fotsiny ihany!,” Liahona, mey 2022, 36.

  20. Jeffrey R. Holland, “Aza matahotra; minoa fotsiny ihany!,” 36.

Hamoaka printy