Liahona
Nasehon’ Andriamanitra ahy fa nanana tanjona aho
Jolay 2024


“Nasehon’ Andriamanitra ahy fa nanana tanjona aho,” Liahona, jolay 2024.

Fanehoana ny finoana

Nasehon’ Andriamanitra ahy fa nanana tanjona aho

Nianjera avy teny ambony hazo aho saingy novonjen’ny Tompo ka afaka nanova ny fiainako ho tsara ary nanampy olona manana kilema tahaka ahy.

Sary
lehilahy iray eo ambony seza misy kodiarana miaraka amin’ny fianakaviany

Sary nalain’i Christine Hair

Nanatrika fivoriambe ara-pivavahana niaraka tamin’ny anabaviko aho raha nangataka ahy izy mba hihanika hazo iray mba haka voanio hohanina mandritra ilay fivoriambe. Teo am-panangonana voanio teny an-tampon’ilay hazo iny aho no tsy nahatsiaro tena tampoka ka nianjera. Nitontona mafy tamin’ny lamosiko aho ka tsy tsapako intsony ny tongotro.

Nentina tany amin’ny hôpitaly aho, ka nofehezina mba tsy hihetsiketsika ireo taolan-damosiko. Telo volana aho no nandry tamin’ny lamosika tao amin’ny hôpitaly, tsy afaka na dia ny nipetraka akory aza. Fotoana nampihetsi-po sy nahakivy izany. Nandry teo fotsiny aho sady nanontany tena ny amin’izay zavatra hanjo ahy sy ny zavatra hataoko manaraka.

Milà hevitra amin’ny Tompo

Rehefa afaka ireo telo volana ireo dia nasaina nankany Nouvelle Zélande aho mba hanaovana fandidiana ny lamosiko. Nahomby ilay fandidiana ka afaka nipetraka aho fa tsy nandry fotsiny. Nandritra ny fotoana naha tao amin’ny hôpitalin’i Nouvelle Zélande ahy dia nihaona tamina vehivavy iray niasa tao aho. Nanontaniany aho hoe: “Fantatro ve ianao? Ohatran’ny olona fantatro izany ianao.”

Nanomboka niresaka izahay. Nizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ary nomeny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna iray aho. Tsy novakiako ilay izy tamin’ny voalohany. Navelako tsy nokitihina teo akaikin’ny fandrianako ilay izy. Indray andro anefa dia irery aho ary tsisy na inona na inona nahaliana mba hojerena tao amin’ny fahitalavitra. Dia hitako teo amin’ny latabatro ny Bokin’i Môrmôna. Nosokafako ilay izy ary nanomboka namaky ela be aho.

Nanana fahatsapana aho teo am-pamakiana fa misy zavatra miavaka momba ny Bokin’i Môrmôna ary tsy maintsy hoe mirakitra ny filazantsara marin’i Jesoa Kristy izany. Nasian’ilay vehivavy tao amin’ny hôpitaly marika ny ankamaroan’ireo pejy, iray tamin’izany ny Almà 37:37: “Milà hevitra amin’ny Tompo amin’ny ataonao rehetra dia hotarihiny ho amin’ny tsara ianao.”

Nisongadina tamiko ireo teny ireo ka nampisaina ahy. Fantatro fa nila torohevitra avy tamin’ny Tompo aho mba hahafantarana raha ny Fiangonana marina Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Naniry ny hahita an’io fiangonana io manokana koa aho.

Foana hatreo ny fahakiviako

Nanasa misiônera aho mba hampianatra ahy rehefa nody avy tany Nouvelle Zélande. Rehefa nianatra aho dia nahazo fijoroana ho vavolombelona fa io no Fiangonan’i Kristy. Feno fankasitrahana aho ny amin’ireo misiônera nampianatra ahy. Nanana hery nibataina ahy izy ireo tamin’ny batisako, ny iray mitazona ahy eny an-tsandriny raha ny iray hafa kosa nanao ny batisa.

Voafafa niaraka tamin’ny batisako ireo fahatsapana alahelo sy fahakiviana rehetra niaretako. Fantatro fa nanana tanjona aho teo amin’ny fiainana ary tia ahy Andriamanitra.

Nahatsiaro ho menatra ny amin’ny tenako aho talohan’ny batisako noho izaho nipetraka teo ambony seza misy kodiarana. Taorian’ny naha vita batisa ahy anefa dia nanomboka nankao amin’ny paroasy aho isaky ny alahady, ary nandray anjara tamin’ireo hetsika ho an’ny tanora. Nanatrika hetsika fandihizana teo anivon’ny tsatòka mihitsy aza aho; nandihy teo amin’ny seza misy kodiarana nisy ahy isaky ny hira mandeha. Niditra tao amin’ny tambajotra iray ho an’ny Samoana niaram-pahavoazan’ny tsokan-damosina koa aho.

Tonga saina aho fa sitrana tamin’ilay fahatsapana ho nila niafina. Nahazo fahatokian-tena mba hifangaro aman’olona indray aho tamin’ny alalan’ny Fiangonana.

Nanampy ahy hisafidy ny hanao zava-baovao ihany koa ny Tompo rehefa namporisihana handrato fianarana mandritraa ny telo taona tao amin’ny sekoly Kambôdziana momba ny fanamboarana solon-dratsambatana sy fitaovana hanitsiana ny tongotra (CSPO) aho. Tsy azoko antoka hoe afaka ny handray anjara amin’ilay fandaharanasa aho satria tsy mbola nisy olona nandeha seza mandeha kodiarana nirotsaka. Kanefa nony farany dia namela ahy ho afaka ny hianatra tao amin’ny CSPO tany Kambôdza ny toe-javatra. Nahazo diplaoma tany aho ary izaho no mpianatra nanan-kilema voalohany teo amin’ny tantaran’ilay fandaharanasa.

Sary
lehilahy iray mitazona solon-tanana

Nahatsiaro ho menatra i Posenai talohan’ny batisany noho izy nampiasa seza misy kodiarana. Hoy izy taorian’ny batisany: “Nahazo fahatokian-tena mba hifangaro aman’olona indray aho.”

Rehefa niverina tany Samôà aho dia nandahateny momba ny fahasalamana nandritra ny fampaherezam-panahy an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony. Nisy vehivavy nanatona ahy taorian’ilay fihaonambe ka nandray tanana ahy sady nilaza fa tiany ny lahateniko. Vao niverina avy nitory ny filazantsara i Lagimanofia. Vao nahita azy aho dia tsapako fa nifameno tamiko izy. Efa ela no nivavahako mba hahitako olona izay afaka ny ho mpiara-dia amiko sy hitia ary hanaiky ahy.

Rehefa nanomboka nifankafantatra kokoa izaho sy i Lagimanofia dia nikarakara ahy sy nanaiky ahy izy ary nanohana ny fianakaviany. Nivady izahay ary niova mandrakizay ny fiainanay rehefa nanangana an’i Posenai Jr. izahay. Nanomana anay ho amin’ny fananganana azy Andriamanitra. Nahasambatra anay tokoa ny fananana azy eo amin’ny fiainanay

Afaka manompo ve aho?

Nantsoina ho mpitambokin’ny paroasy aho tao am-piangonana ary voantso ho mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà aho avy eo. Tsy nino aho hoe afaka manompo ny olona iray eo ambony seza misy kodiarana. Nahatonga ahy hahatsapa tena ho tsy misy ilana azy ny loza nanjo ahy, saingy nahatonga ahy hahatsapa tena ho ilaina ny asa ataoko ato amin’ny Fiangonana ary nanampy ahy hahatakatra fa afaka manompo aho. Tiako ny fahafahana manakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy rehefa manompo aho.

Amin’ny maha-mpanolotsaina ahy ao amin’ny episkôpà dia naniry ny hahazo fitarihana aho mba hahafahako ny ho tsara kokoa ao amin’ny antsoko. Nahatonga ahy hanam-paniriana ny hiomana kokoa isaky ny alahady izany. Lasa zatra namaky soratra masina aho ary nanana fahafahana nizara ny fijoroako ho vavolombelona. Vao mainka nanampy ahy ho lasa mpitarika tao am-piasana ny naha mpitarika ato amin’ny fiangonana ahy. Nanana fahatsapana aho fa afaka ny hitarika sy haneho hevitra ka izany dia mamela ahy hitarika amin’ny toe-javatra hafa.

Ankehitriny dia izaho no talen’ny departemanta misahana ny fanamboarana solon-dratsambatana sy fitaovana manitsy ny tongotra ao amin’ny hôpitalin’i Tupua Tamasese Meaole, hôpitaly foibe an’i Samôà. Ahitana olona mitondra fitaovana manampy azy ireo mandeha sy olona eo ambony seza misy kodiarana miisa 500 eo ho eo isan-taona ny departemanta misy ahy. Manampy amin’ny famatsiana ny filana seza misy kodiarana sy ireo fitaovana hanamboarana solon-drantsambatana ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Fahalasamana Samôàna. (jereo ny philanthropies.ChurchofJesusChrist.org/humanitarian-services). Manampy ny olona hiverina hiasa sy hizaka tena ireo fitaovana ireo. Manome fanantenana ny olona sy fomba iray hiverenana amin’ny fiainana izay noheverin’izy ireo ho very ihany koa izany.

Sary
Lehilahy iray eo ambony seza misy kodiarana manampy lehilahy iray manao solon-tongotra

“Nahatonga ahy hahatsapa ho ilaina sy nahafantarako ny fahafahako mandray anjara ny fiasana tato amin’ny Fiangonana,” hoy i Posenai. “Tiako ny fahafahana manakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy rehefa manompo aho.”

Miantehitra amin’ny Tompo

Raha asaina manome torohevitra an’ireo olon-kafa manana kilema aho dia hoy aho hoe: “Aza avela hanakana anao tsy hino ny zavatra vitanao ny kilemanao. Ataovy izay ezaka tsara indrindra vitanao mba hamitana zavatra ka miasà mafy mba hahatontosa izany. Hotahian’ny Tompo ianao rehefa mikatsaka ny fanampiany [jereo ny 2 Nefia 32:9].”

Io finoana io no nentiko nandroso hatrany ary nahatonga ahy toy izao ankehitriny. Mino aho fa napetraka teto aho ary navotana ho amin’ny tanjona iray. Nianjera avy teny ambony hazo aho saingy novonjen’ny Tompo ka afaka nanova ny fiainako ho tsara ary manao izao asa izay manampy ireny olona ireny izao. Nampianarin’ny Tompo aho fa afaka manampy olona maro aho, tsy hoe na dia eo aza ny kilemako fa noho ny fisian’izany.

Hamoaka printy