Liahona
Inona no azontsika angatahina amin’ny alalan’ny vavaka?
Jolay 2024


“Inona no azontsika angatahina amin’ny alalan’ny vavaka?” Liahona, jolay 2024.

Avia, hanaraka Ahy

Almà 33–34

Inona no azontsika angatahina amin’ny alalan’ny vavaka?

Ampianarina isika ao amin’ny Almà 33 sy 34 fa isika dia afaka mivavaka na aiza na aiza, amin’ny fotoana rehetra, momba ny zava-drehetra. Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ireo olona nivavaka tao anatina toe-javatra samy hafa.

Rehefa mamaky ireo traikefa ireo ianao dia saintsaino ny sasany tamin’ireo fomba nivavahanao ho an’ny “biby fiompy eny an-tsahanareo” sy “ao an’efi-tranonareo sy ny toera-miafinareo ary any an-tany foananareo” (Almà 34:25, 26).

Sary
lehilahy mijoro manao akanjo fentina manao fanatanjahantena

Tafiditra tao amin’ny ekipa nilalao tamin’ny Ôlimpika tamin’ny 1912 i Alma Richards izay Olomasin’ny Andro Farany.

Nivavaka nandritra ireo lalao Ôlimpika

Mpitsambikina ambony i Alma Richards. Tao anatin’ny ekipan’ny Ôlimpika tamin’ny 1912 izay nifaninana tany Stockholm, Suède izy. Nifandimby nihintsana tsirairay ny hafa nandritra ilay fifaninanana ka i Alma sy olona iray hafa sisa no tavela.

“Nifamahofao ny tao an-tsain’i Alma rehefa izy niomana hitsambikina iny. Iny izy, nisolotena ny fireneny nandritra ilay fifaninanana ara-panatanjahantena lehibe indrindra maneran-tany. Kanefa nahatsapa ho nalemy izy, toy ireny hoe nitambesatra teo an-tsorony ireny izao tontolo izao manontolo. Nieritreritra momba an’i Utah sy ny fianakaviany ary ny tanàna nahaterahany izy. Nieritreritra momba an’i BYU sy ireo Olomasina izy. Naondriny ny lohany ka nangataka mangina tamin’ Andriamanitra izy mba hanomezany hery azy. -Raha mety ny handreseko,- hoy izy nivavaka, -dia hanao izay tsara indrindra vitako aho mba ho ohatra tsara mandritra ny androm-piainako rehetra-.”

Nampiasa ny hery nomen’ny Tompo i Alma ary nitsambikina nihoatra ilay bara. Rehefa raraka ireo mpifanandrina hafa dia nibata ny medaly volamena i Alma.

Sary
lehilahy mitsambikina mihoatra ny bara mandritra ny fifaninanana ara-panatanjahantena

Kelikelin’iny dia nisy namana iray “namazivazy azy noho izy nivavaka talohan’ny nandresena tamin’ilay fitsambikinana. -Iriako ny mba tsy hihomehezanao,- hoy i Alma namaly mangina. -Nivavaka tamin’ny Tompo aho mba hanomezany ahy hery hihoarako io bara io, dia tafahoatra aho.-”

Nivavaka teo amin’ny kihon-dalana

I Inez Knight sy i Jennie Brimhall no tanora vavy voalohany voantso hanompo ho rahavavy misiônera an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny 1898. Nandeha nitory tany Oldham, tanàna indostrialy mifanila amin’i Liverpool, ireo vehivavy roa ireo fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’izy ireo tany amin’ny misiônan’izy ireo tany Angletera.

Sary
Rahavavy misiônera roa

Nivavaka i Inez Knight sy i Jennie Brimhall mba hahazoan’izy ireo fanampiana amin’ny asa fitoriana nataon’izy ireo tany Angletera.

Ankavanana: sary nahazoana lalana avy tamin’ny Jennifer Whatcott Hooton

Nivory indray hariva ireo rahavavy roa, ny filohan’ny misiônan’izy ireo, ary ny misiônera hafa. “Nanao faribolana teo amin’ny kihon-dalana lalovan’ny olona maro izy ireo, nanolotra vavaka, ary nihira hira tao anaty fihirana mandra-pitangoron’ny vahoaka maro be nanodidina azy ireo.” Nahomby tokoa ny ezaka nataon’izy ireo ka “nanambara [ny filohan’ny misiôna] fa hisy fivoriana manokana ny ampitson’izany, ary nanasa ny rehetra ho avy izy hihaino ny fitoriana -avy amina vehivavy Môrmôna tena velona.-”

Nivavaka mba hisy fitaterana

Nandeha taksy môtô i Sahr avy any Bo, Sierra Leone, nankany amina faritra ambanivohitra iray mba hanatitra fanafody nilaina fatratra ho an’ny ray aman-dreniny efa antitra. Nijanona ela tsy araka ny fandaharam-potoany izy mba hanampiana ny ray aman-dreniny hanamboatra ny tafony, izay simban’ny rivomahery. Hariva ihany ny andro rehefa vita izany.

Kely ny tokin’aina ny hisian’ny taksy handalo satria efa alina. Nitaintaina i Sahr. Raha tsisy taksy dia voatery handeha an-tongotra izy; izay tsy vitan’ny hoe lavitra fa mety hampidi-doza ihany koa. Tsy azony natao ny nijanona tany an-tranon-dray aman-dreniny satria isan’ny ekipa miasa vao maraina izy ny ampitso marainan’io. Ankoatra izay dia tsy te hamela ny ankohonan-keliny irery amin’ny alina izy.

Somary hafahafa ihany ny hoe mivavaka mba hisian’ny taksy môtô saingy nangataka tamin’ Andriamanitra izy mba hanampy azy ho tafody. Minitra vitsy taorian’izay dia nisy taksy tonga avy nanatitra olona teo amin’io faritra izay matetika no mangina io. Nitaingina ilay môtô tamim-pankasitrahana i Sahr, sady nahatsapa ho voatahy noho izy afaka ny ho ao an-trano mandritra ny fotoana maharitra mba hitazona ireo adidiny amin’ny asa sy hiaro ny fianakaviany.

Nivavaka hiovan’ny fandaharam-potoana

Niandrandra ny hiaino ny Loholona Carlos H. Amado avy ao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy handahateny ao amin’ny tsatòkany ny Rahalahy Miguel Troncoso avy any Santa Cruz, Arzantina. Saingy nalahatra mba handahateny ny talata hariva ny Loholona Amado, ary ny Rahalahy Troncoso, izay mpampianatra any amin’ny lisea, dia tsy maintsy mampianatra any an-tsekoly io alina io. Tapa-kevitra izy ny hanatrika ilay fivoriana ka nivavaka nangataka fanampiana izy sy ny fianakaviany.

Toy izao no nolazain-dRahalahy Troncoso momba io traikefa io:

“Notaomim-panahy hiresaka tamin’ny talen’ny sekoly aho iray andro nialoha ilay fihaonambe mba hiala 20 minitra aloha. … Tsy tafateny akory aho dia nanontany ahy izy raha tsy hampaninona ahy ny hanova ny fotoana hanombohako mampianatra ny talata adiny roa mialoha ny ora mahazatra. …

“Fitahiana lehibe ho anay izany. Tonga aloha be tao amin’ilay fivoriana izahay ary nahatsapa ny Fanahy teo anatrehan’ny iray tamin’ireo mpianatry ny Tompo. … Ankoatra izay dia nahazo fijoroana ho vavolombelona izahay mianakavy fa mahafantatra ny fanirian’ny fonay sy mandre ny vavakay ny Ray any An-danitra.”

Fanamarihana

  1. Jereo ny Les saints: L’histoire de l’Église de Jésus-Christ dans les derniers jours, vol. 3, Hardiment, noblement et en toute indépendance, 1893–1955 (2022), 156–59. Misy antsipiriany kokoa momba ity tantara ity ao amin’ny “Alma Richards: 1912 Olympian” (lahatsoratra nomerika), Liahona, Jan. 2022, Bibliothèque de l’Évangile.

  2. Jereo ny Saints, 3:63–64.

  3. Miguel Troncoso, “Nous avons eu recours à la prière,” Liahona, mar. 2011, 69.

Hamoaka printy