Liahona
Inona no hafoinao mba hahafantarana an’ Andriamanitra?
Jolay 2024


“Inona no hafoinao mba hahafantarana an’ Andriamanitra?,” Liahona, jolay 2024.

Avia, hanaraka Ahy

Almà 22

Inona no hafoinao mba hahafantarana an’ Andriamanitra?

Sary
lehilahy mandeha eny amoron-dranomasina

Matetika ny fiainana ny filazantsara no mitaky fahafoizan-javatra. Mangataka antsika mba hamoy ny fironantsika ara-nofo ny Ray any An-danitra mba handraisantsika zavatra lehibe lavitra kokoa: ny fahalalana an’ Andriamanitra sy ireo fitahiana tsy manam-paharoa atolony.

Nampiseho ny fahavononany hahafoy zavatra ny rain’i Mpanjaka Lamônia rehefa nivavaka toy izao: “raha misy Andriamanitra, ary raha Ianao no Andriamanitra, dia aoka Ianao hampahafantatra ny tenanao amiko, ary hafoiko ny fahotako rehetra hahafantarako Anao sy hahazoako mitsangana amin’ny maty ary hovonjena amin’ny andro farany” (Almà 22:18; nampiana fanamafisana).

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa tafiditra ao anatin’ny fandresena izao tontolo izao sy ny fanakaikezana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny “misafidy ny tsy hanao izay rehetra mandroaka ny Fanahy” sy ny “fahavononana -hahafoy- na dia ny ota tiantsika indrindra aza.”

Fitahiana

Ho fanampin’ireo fitahiana nokatsahin’ny rain’ny Mpanjaka Lamônia, dia ny fitsanganana amin’ny maty sy ny famonjena izany, ny Filoha Nelson dia nitanisa fitahiana hafa ihany koa izay tonga avy amin’ireo ezaka atao mba ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa sy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Tafiditra ao anatin’izany ny:

  • Fiovam-po sy toetra

  • Fiantrana

  • Fanetrentena

  • Fahalalahan-tanana

  • Hatsaram-panahy

  • Fifehezan-tena

  • Fiadanana

  • Fahatokisan-tena

  • Fifaliana

  • Fitsaharana

  • Tanjaka ara-panahy

  • Fanambarana ho an’ny tena manokana

  • Finoana tsy mitsaha-mitombo

  • Fanompoan’ny anjely

  • Fahagagana

Aza milavo lefona raha manahirana anao ny mahafoy ny fahotana sasany. Nampahatsiahy antsika ny Filoha Nelson fa “ny fandresena an’izao tontolo izao dia azo antoka fa tsy midika hoe lasa tonga lafatra eto amin’ity fiainana ity, ary tsy midika koa hoe hanjavona amin’ny fomba mahagaga ny olanao—satria tsy hitranga izany. Ary tsy midika izany hoe tsy hanao fahadisoana intsony ianao. Fa ny fandresena izao tontolo izao dia midika fa hitombo ny fanoheranao ny fahotana.”

Rehefa manao ezaka mba hahafoy ireo fahotantsika tahaka ny rain’ny Mpanjaka Lamônia isika dia ho hitantsika fa mahaleo ny sarany mandrakariva ny fahafoizana ataontsika mba hahafantarana an’ Andriamanitra. Ho lasa lehibe kokoa noho ny mety ho namolavolantsika azy ny fiainantsika rehefa manao izany isika.

Hamoaka printy