Liahona
Fiomanana mahatalanjona ho amin’ny fiainana
Jolay 2024


“Fiomanana mahatalanjona ho amin’ny fiainana,” Liahona, jolay 2024.

Fiomanana [mahatalanjona] ho amin’ny fiainana

Ny zavatra ianaran’ireo zatovolahy sy zatovovavy mandritra ny asa fitoriana ataon’izy ireo dia hitahy mandrakizay ny fiainan’izy ireo.

Sary
misiônera lehilahy tanora roa mandeha manaraka ny arabe

Hatry ny fahakeliko aho no sondriana lalandava tamin’ny fientanentanan’ireo misiônera. Nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo iray tao amin’ny sampana kely nisy ahy tao Minas, Orogoay, dia nisy misiônera iray nijoro ho vavolombelona sy naneho ireo fahatsapany momba ny asa fitoriana nataony. Nitoetra tao an-tsaiko sy tao am-poko ireo teniny.

“Indray andro any aho,” hoy aho anakampo, “dia handeha hitory ny filazantsara.”

Fotoana fohy taty aoriana, fony aho mpisorona, dia nanana fahafahana niara-nampianatra tamin’ireo misiônera. Traikefa tsy hay hadinoina ny hoe misiônera 16 taona izany!

Rehefa feno 18 taona aho dia tanora maromaro avy tao amin’ny sampana nisy ahy no niverina avy nitory filazantsara, anisan’izany i Ana anabaviko, izay nody avy nanompo tany Arzantina. Nanohina ny foko ihany koa ny traikefa sy ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona.

Rehefa akaiky ho 19 taona aho dia naniry ny hisoratra anarana handeha ka hanambara ny filazantsaran’ny Mpamonjy aho ary hanompo ao amin’ny tanimboalobony (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:2). Niomana aho ary nalefako ireo antontan-taratasy irotsahako ho misiônera. Rehefa tonga ny antsoko dia nosokafako ilay taratasy nosoniavin’ny Filoha Spencer W. Kimball ary namaky aho fa hanompo ao amin’ny Misiônan’i Orogoay/Paragoay. Hanompo ao amin’ny firenena niaviko aho! Nahafaly ahy ny nanana fahafahana hanambara “ny vaovao mahafalin’ny fifaliana lehibe, dia ny filazantsara maharitra mandrakizay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79:1).

Tonga tany amin’ny biraon’ny misiôna aho rehefa avy nandeha bisy nandritra ny adiny roa nankany Montevideo, Orogoay. Nanokana ahy ho misiôneran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ilay filohan’ny misiôna ary nomeny mpiara-mitory aho. Nanomboka nandondom-baravarana izahay tamin’io tolakandro io ihany.

Nisy fotoana, tamin’ny voalohany, tsy nampientanentana ahy araka ny niheverako azy ny asa fitoriana. Soa ihany fa mpakantò sy tia miasa mafy ilay mpiara-mitory tamiko izay nanampy ahy hahita ny fifaliana azo avy amin’ny fanadinoana ny tena rehefa manompo ny Tompo. Nitahy ahy nandritra ny misiônako manontolo ny ohatra nasehony.

Saingy efa nanomboka hatry ny ela be ny niomanako ho mpisolotena an’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

Nanomboka tamin’ny pince à cravate ny tantara

Tamin’ny 1 janoary 1962, fony aho enin-taona, no nisy misiônera tonga tao amin’ny toeram-pivarotana firavaka an-draiko nikasa hanolo ny pince à cravate very an’ny iray tamin’izy ireo. Naheno olona nitendry gitara izy ireo nandritra ny fotoana naha tao amin’ny fivarotana azy ireo. Rehefa nanontanintany momba ilay izy izy ireo dia nasain’ny raiko hiditra ka hihaona amin’ny namany.

Nanontanian’ny raiko sy ilay namany izy ireo nandritra ny resadresaka nataon’izy ireo raha toa izy ireo ka nahay nitendry gitara. Nilaza ny elder iray hoe nahay kely izy. Natolotr’ilay naman’ny raiko azy ilay gitara ka nasainy nitendry izy. Nihira ilay mpiara-mitory aminy rehefa nanomboka nitendry izy.

Nitarika ireo misiônera ho amin’ny fampahafantarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny fianakaviako ny fitadiavana pince à cravate fotsiny. Lasa mpinamana akaiky tamin’ireo misiônera izahay ary nanomboka nihaino ireo lesona. Voavoly ny voan’ny filazantsara ary nanomboka nitombo tao amin’i Elsa reniko izany aloha, dia tao amin’i Ana sy i Stella anabaviko, ary avy eo tato amiko.

Nitombo tao amin’ny fianakaviako ny fitiavana manao asa fitoriana nanomboka tamin’io andro io. Nanao asa fitoriana aho, nanao asa fitoriana koa ireo zanako lahy, ary ankehitriny dia misy zafikeliko manomboka miomana sy efa mitory filazantsara, mamorona taranaka fahatelo mpitory filazantsara.

Tsy mora foana ny asan’ny misiônera. Mila fiomanana izany mialoha ny maha vonona ny zatovolahy na zatovovavy iray handeha any amin’ny sahan’ny misiôna. Eo no ahafahan’ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana ary ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana maneho ohatra tsara sy miara-misalahy mba hanomanana ireo zatovo dieny mbola kely.

Fomba iray hanomanana azy ireo ny mizara fahaiza-manao azo ampiasaina tsara amin’izy ireo. Manampy azy ireo any amin’ny misiônan’izy ireo ny fahaiza-manao toy ny fitahirizam-bola, fanasana sy fipasohana akanjo, fanjairana, fanadiovana kiraro, fahaizana mahandro, firesahana amin’ny hafa, ary ny fanompoana ny hafa. Manampy amin’izany fiomanana izany koa sy mifameno amin’ny zavatra ianaran’izy ireo any an-tokantrano sy any amin’ny kôlejiny sy ny kilasiny ny fandraisana anjara amin’ny seminera sy institiota.

Tokony hitohy ny fanohanana omentsika mandritra ny fotoana itorian’izy ireo ny filazantsara. Mamy ery ny mandre ireo traikefa mahatalanjona ananan’ireo misiônerantsika saika ho isan’andro. Afaka ny ho tafiditra ao anatin’ireny traikefa ireny isika amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ireo olona ampianarin’izy ireo. Ohatra, ny renin’ny iray tamin’ireo misiônera izay nampianatra ny fianakavianay dia nifandray tamin-dreniko ka nanoratra ho azy an-taonany maro, izay nanampy an-dreniko hitoetra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Tokony hotsaroantsika, rehefa manampy an’ireo misiônera miomana hitory isika, fa mihoatra lavitra noho ny fomba fanao ato am-piangonana ny asa fitoriana ny filazantsara, fanasana sy didy avy amin’ny Tompo izany (jereo ny Matio 28:19). Tamin’ny voalohany i Adama sy i Eva dia nampianarina ny filazantsara. Avy eo izy ireo dia nampianatra ny filazantsara tamin’ireo zanany (jereo ny Mosesy 5:6–12). Ary dia toy izany no nanomboka nitoriana ny Filazantsara hatrany am-piandohana, izay nambaran’ireo anjely masina, nirahina avy teo anatrehan’ Andriamanitra” (Mosesy 5:58).

Mitohy ankehitriny io fitoriana io miaraka amin’ny tafika ana misiônera mihoatra ny 71000 isa. Saingy mila betsaka kokoa isika, maro, eo amin’ny lohalaharana, dia miaramila ana misiônera sy mpikambana.

Sary
misiônera vavy roa mivavaka

Ny zavatra azontsika ianarana mandritra ny misiônantsika

Nandritra ny misiônako aho dia lasa zatra amin’izany hoe asa fitoriana ny filazantsara izany ary nanomboka nieritreritra lalina kokoa momba ireo hafatra nozarainay. Nahatsapa foana aho fa marina ny filazantsara saingy nanam-paniriana ny hahafantatra aho hoe marina izany. Nivavaka, nifady hanina, nandalina, sy niasa aho ary avy eo niandry valiny.

Indray andro izay nandritra ny lesona iray, nizara ny tantaran’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith aho:

“Nahita andrim-pahazavana teo ambonin’ny lohako indrindra aho, nihoatra ny famirapiratan’ny masoandro, nidina tsikelikely teo amboniko. …

“Rehefa nijanona teo amboniko ilay hazavana, dia nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritra rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!” (Joseph Smith—Tantara 1:16–17).

Tamin’izay fotoana izay no nahatsapako ny Fanahy Masina nanamafy tamiko fa marina ny zavatra nampianariko. Tena nahita ny Ray sy ny Zanaka i Joseph Smith, ary ny Bokin’i Môrmôna dia tenin’ Andriamanitra ary miara-mijoro ho vavolombelona amin’ny Baiboly momba ny Mpamonjintsika. Nitondra fiadanana lehibe ho an’ny fanahiko izany. Mbola tsy lefy ato am-poko izany na dia folo taona aty aoriana aza.

Toy ireny hoe fahazoana diplaoma Maîtrise ara-panahy ireny ny misiônako. Ny zavatra ianaran’ireo zatovolahy sy zatovovavy mandritra ny asa fitoriana ataon’izy ireo dia hitahy mandrakizay ny fiainan’izy ireo. Anisan’ireo zavatra ianaran’izy ireo ny:

  • Fomba fandalinana, fivavaka, fampianarana ary fampiharana isan’andro ireo fitsipiky ny filazantsara.

  • Fahaiza-miara-miaina amin’ny mpiara-mitory mandritra ny 24 ora isan’andro.

  • Fahaiza-mitandrina ny fahasalamany.

  • Fahaiza-manao drafitra.

  • Fomba fampitomboana ireo fahaiza-manao amin’ny fitarihana.

  • Fahaiza-mifandray araka ny tokony ho izy amin’ny hafa.

  • Fomba fikatsahana sy fihainoana ny Fanahy Masina ary ny mba hitarihan’ny Fanahy Masina azy ireo.

Ireo zatovolahy sy zatovovavy manao asa fitoriana dia hatao matanjaka sy hovononina hiatrika ireo olam-piainana rehefa manohy mampihatra ny zavatra niainan’izy ireo nandritra ny misiônan’izy ireo.

Anio ilay andro

Araka ny nampianarin’ny mpaminany malalantsika, Filoha Russell M. Nelson dia:

“Tsy mbola nisy velively fotoana teto amin’ny tantaran’izao tontolo izao ka nahatonga ilay fahalalana ny Mpamonjintsika ho manan-danja manokana sy zava-dehibe ho an’ny olombelona tsirairay mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao. Alaivo sary an-tsaina ny ho nampivaha haingana ireo ady mandravarava manerana an’izao tontolo izao, ary ireo ady atrehantsika eo amin’ny fiainantsika manokana, raha toa ka nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany ny olona rehetra.”

Anio no andro hanehoantsika ny toetra sy herimpo ary hizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Anio no andro hiomanan’ireo zatovontsika hiomana hanompo ao amin’ny tafiky ny Tompo amin’ny fampianarana na asa fanompoana atao any amin’ny misiôna. Mila anareo ny Fiangonana! Misy lohalika mila hatanjahina, sy tanana mila ampiakarina ary fahamarinana mila toriana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5).

Enga anie izao fanasana manaraka avy amin’ny Tompo izao ka hanosika antsika hanao asa sy hanofahofa ny fanevan’ny fahamarinana amin-kery:

“Indro, lazaiko aminareo marina tokoa fa izao no sitrapoko dia ny handehananareo …

“Hanandratra ny feonareo toy ny amin’ny fanenon’ny trompetra, hanambara ny marina araka ny fanambarana sy ny didy izay efa nomeko anareo.

“Ary dia toy izany, raha mahatoky ianareo … hampisatrohana anareo ny satroboninahitry ny laza sy ny voninahitra, ary ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:3–5).

Hamoaka printy