Liahona
Risi-po hizara ny zavatra manan-danja amiko indrindra
Jolay 2024


“Risi-po hizara ny zavatra manan-danja amiko indrindra,” Liahona, jolay 2024.

Risi-po hizara ny zavatra manan-danja amiko indrindra

Nanaraka ny ohatra asehon’ny evekako sy ny vadiny aho ka nametraka tanjona hizara tahadikan’ny Bokin’ny Môrmôna amin’ny dia rehetra ataoko hanaovana fihobiana ny ekipanay.

Sary
zatovovavy manondro pejy iray ao amin’ny boky hazonina zatovolahy iray

Fony aho mbola kely dia tiako ny nijery ny fomba nanangonan’ireo reniakoho an’i Nenibe an’ireo akohokeliny tao ambany elany mandritra ny oram-baratra mba hiarovana azy ireo amin’ny loza. Lasa nanan-danja kokoa tamiko io sariohatra io taorian’ny namakiako momba izany tao amin’ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny 3 Nefia 10:4–6). Amin’ny maha tanora ahy, dia nitantara tamiko ny evekako sy ny vadiny, izay mandeha foana noho ny asan’izy ireo, fa nizara tahadika iray amin’ny Bokin’i Môrmôna aman’olona izy ireo isaky ny dia ataon’izy ireo.

Nanentana ahy izany. Nidera azy ireo aho ary nanohina ny foko ny ohatra nasehon’izy ireo. Nanapa-kevitra aho fa raha manam-pahafahana ny hanao dia mivoaka an’i Utah, Etazonia aho dia hanaraka ny ohatr’izy ireo ka hizara tahadika iray amin’ny Bokin’i Môrmôna isak’izay mandeha.

Matetika aho no miray dia amin’ny ekipa mpanao fihobiana amin’ny maha mpanao fihobiana an’ny Oniversite Brigham Young ahy. Nividy tahadika iray amin’ny Bokin’i Môrmôna aho talohan’ny dia nataoko voalohany ka nosoratako tao ny fijoroako ho vavolombelona. Naniry ny hanana risi-po hizara amin’ny hafa ny zavatra manan-danja amiko indrindra aho: dia ny fijoroako ho vavolombelona sy ny Bokin’i Môrmôna. Te ho tahaka an’ny evekako sy ny vadiny aho. Te ho tahaka an’i Jesoa Kristy aho. Te hanampy amin’ny fanangonana ny hafa sy hanampy azy ireo hanatona Azy aho.

Vetivety dia takatro fa raha mivavaka mba hotarihina amin’ilay olona mila izany aho alohan’ny dia tsirairay ataoko, dia hisy olona hipoitra amin’ny fotoana sy toerana maha-mety izany mba hahatonga ahy hizara ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fomba mandeha ho azy sy tsotra. Arakaraka ny nanazarako ny tenako no naha-mora kokoa ny fizarako izany. Lasa nanan-danja kokoa tamiko ireo dia nataoko. Nampientanentana ahy foana ny nitady ilay olona hotahian’ny Ray any An-danitra mba handray ity testamenta masina momba an’i Kristy ity.

Rehefa manao dia aho dia misaintsaina hoe: “Aiza no tokony halehako mba hahitana ilay olona handefasan’ny Ray any An-danitra ahy amin’ity indray mitoraka ity? Inona no azoko tenenina aminy entina mampita ny hahasarobidin’ny Bokin’i Môrmôna amiko?” Lasa tsy dia nifantoka tany amin’ny zavatra ilaiko sy ny fialamboliko ny eritreritro sy ny zavatra nataoko ary nahatsapa fitiavana niavosa ho an’ny olona rehetra nifanena tamiko aho. Niezaka ny nijery azy ireo tamin’ny fomba ahitan’ny Mpamonjy azy ireo aho. Nivavaka ho azy ireo aho mba hanekeny ny fanomezana masina izay nandefasan’ny Ray any An-danitra ahy mba homena azy ireo.

Nalahelo aho rehefa nifarana ny taona farany naha tao amin’ny ambaratonga faharoa ahy. Faniriana maharitra ho ahy ny ho mpanao fihobiana ny ekipa ao BYU. Tsy ho nisy na inona na inona navelako nanakana ny fankafizako ilay zavatra mahatalanjona niainako, kanefa nameno ny fiainako tamin’ny hatsarana sy tamin’ny fomba tsy nampoizina ny fizarana tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna iray isaky ny dia fihobiana.

Fomba iray manan-danja sy tsotra izay nampisy lanjany kokoa ny zavatra niainako teny amin’ny oniversite ny fizarana ny Bokin’i Môrmôna. Fantatro fa notarihana manokana mba handray izany ireo olona nizarako ny Bokin’i Môrmôna. Fantatro ihany koa fa nataon’ Andriamanitra tsara tenona ny fiainako tamin’ny alalan’ny famindrampony feno fitiavana sy tena tsara: Navelany ho tsapako tamin’ny fomba miavaka ny fitiavany ireo zanany tamin’ireo dia nataoko rehetra.

Taorian’ny nahazoako diplaoma dia nanapa-kevitra aho ny hanohy hitady olona azoko izarana ny fijoroako ho vavolombelona. Lasa nahay sy nahazo aina kokoa tamin’ny fizarana ny fijoroako ho vavolombelona aho rehefa nandeha ny fotoana. Nianatra ny tsy hatahotra ny hizara izany intsony aho. Mino aho fa afaka ny hahazo aina kokoa ny olon-drehetra amin’ny fizarana ny fijoroany ho vavolombelona rehefa manao fanazaran-tena sy mangataka ny fanampian’ Andriamanitra.

Nahatonga ny fiainako ho nanan-danja kokoa tamin’ny fomba maro ny nisafidianako hanaraka ny ohatra nasehon’ny evekako sy ny vadiny. Nampianatra ahy hahita izany fa fantatry ny Tompo ny zanany tsirairay avy. Tiany isika ary mahadodona Azy ny hanangona antsika ho eo ambanin’ny elany. Fitahiana lehibe ny mahatakatra ny hakanton’ilay fanoharana izay ampiasainy rehefa mamariparitra ny fanangonana ataony Izy. Manangona antsika tahaka ny fanangonan’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany Izy.

Monina any Utah, Etazonia ny mpanoratra.

Hamoaka printy