Liahona
Fahasorenana zary fahasambarana
Jolay 2024


“Fahasorenana zary fahasambarana,” Liahona, jolay 2024.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Fahasorenana zary fahasambarana

Nisy zavatra mahatalanjona nitranga rehefa namerina tao an-tsaiko ireo teny tamin’ny ôrdônansin’ny tempoly aho.

Sary
tanana mifampiditra mipetraka eo ambonina boky

Niaraka tamina mpampianatra hafa aho tamin’ny 1988 mba hampianatra tany amin’ny sekoly iray any Sodana. Nahafinaritra ireo ankizy ary vetivety foana izahay dia zatra tamin’ny fahasarotan’ny fiainana tany amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Hita anefa fa ny mpampiasa anay dia mpitarika mpampijaly iray izay manenjika izay mety ho olona hitany fa manohitra azy na amin’ny fomba manao ahoana na manao ahoana. Nankahalainy aho hatramin’ny fotoana niarovako olona iray nampiharany herisetra.

Nantsoiny nankao amin’ny biraony aho indray andro. Nanaovany izao karazana herisetra ara-pitenenana sy fandrahonana rehetra izao aho nandritra ny adiny iray sy sasany mahery. Tohina aho raha nandao ilay efitrano. Tsy tadidiko hoe tamin’ny fomba ahoana no niaretako ny ambin’ny tontolo andro fampianarana. Tsy nety afaka tao an-tsaiko nandritra ny alina manontolo ireo teny nahatsiravina nolazainy.

Rehefa tonga ny fotoana fatoriana dia nipetraka teo ambonin’ny fandrianako aho ary namaky ny soratra masina. Nandohalika aho avy eo ary nivavaka mafy mba hahazo fampiononana sy fanamaivanana, saingy tsy nisy tsapako izany. Nandry aho kanefa tsy afaka natory. In-droa na maherin’izany aho no nifoha, namaky boky sy nandohalika ary nivavaka, fa tsisy vokany.

“Eny ary,” hoy aho, “Tsy amin’ny fomba sy ny fotoana ilantsika azy foana no amalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka atontsika.” Nanaiky tsy sazoka ilay alina nampalahelo, tsy nahitan-tory aho.

Saingy rehefa niverina nandry aho dia nieritreritra hoe: “Misy zavatra iray hafa azoko hatao.” Nanomboka namerina tamin’ny tenako tao an’eritreritra ireo teny nolazaina nandritra ny ôrdônansin’ny tempoly aho. Nisy fahagagana nahatalanjona nitranga rehefa nanao izany aho. Tsy nahatsapa ho tezitra na nalahelo intsony aho fa nanjary fiadanana sy fifaliana lalina izany.

Nifoha aho ary nivavaka sady naneho fisaorana tamin-dranomaso tamin’ny Ray any An-danitra. Niverina teo am-pandriana aho avy eo ka natory. Raha tokony ho andro henika tahotra sy fahadiranovana ny ampitson’iny dia nanjary lasa ny andro nahafaly indrindra tamin’ny nampianarako ankizy.

Takatro fa nila ahy nisaintsaina ny ôrdônansin’ny tempoly ny Tompo. Toy izao no notenenin’ny Filoha Brigham Young (1801–1877) tamin’ireo Olomasina namakivaky ireo lemaka taorian’ny nandraisan’izy ireo ireo fitahiana ho azy ireo tao amin’ny tempolin’i Nauvoo: “Aoka ny afon’ny fanekempihavanana nataonareo tao amin’ny Tranon’ny Tompo androany hiredareda ao am-ponareo, tahaka ny lelafo tsy mety maty.” Hahazo hery sy fiadanana ary fampiononana isika rehefa miredareda ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ireo fanekempihavanana nataontsika tany amin’ny tempoly.

Hamoaka printy