Liahona
Nairobi, Kenya
Jolay 2024


“Nairobi, Kenya” Liahona, jolay 2024.

Tafaorina eto ny Fiangonana

Nairobi, Kenya

Sary
sarintany misy faribolana manodidina an’i Kenya
Sary
gazela eo an-tsaha sy tranobe mijoalajoala ao aoriana

Natao batisa sy noraisina ho mpikambana tamin’ny 1979 ireo olona roa voalohany niditra ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tao Kenya. Tonga tany Kenya ny taona manarak’io ireo misiônera roa voalohany izay mpivady zokiolona. Tafaorina tao Nairobi sy Kiboko ireo sampana voalohany tamin’ny 1981. Ankehitriny, ny Fiangonana any Kenya dia ahitana:

  • Mpikambana miisa 17430 (eo ho eo)

  • Tsatòka 2, paroasy sy sampana 57, ary misiôna 1

  • Tempoly anankiray izay vao nambara fa haorina (Nairobi)

Mahita fifaliana ao amin’ny Tompo

Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana vaovao an’i Gladys Ondwari dia mahita fifaliana ao amin’ny filazantsara izy na dia rehefa miatrika fitsapana aza: “Faly loatra aho. Nosokafan’ny Tompo tamin’ny fotoana naha mety azy ny masoko. Fantatro fa i Jesoa Kristy no fialofako ao anatin’ny fotoan-tsarotra.”

Sary
vehivavy manao aron’akanjo, mitsiky

Sary nalain’i Lucy Stevenson Ewell

Zavatra misimisy kokoa momba ny Fiangonana any Kenya

  • Zatovolahy iray avy any Kenya manao asa fitoriana any amin’ny faritra avaratra andrefan’i Etazonia, ka afaka nanampy mpitsoam-ponenana Afrikana tany.

  • Fampahafantarana sy fijoroana ho vavolombelona fohy avy amina zatovovavy iray monina any Kenya.

  • Mizara ny fomba nampatanjahan’i Kristy azy mba hanao zava-tsarotra ny zatovolahy iray monina any Kenya.

  • Noho izy ireo miaina ny filazantsara, ireo mpikambana any Kenya dia manorina toeram-pialofana amin’ireo tsindrin’izao tontolo izao.

  • Mitantara momba ny fitomboan’ny Fiangonana ao Chyulu, Kenya ny mpampianatra iray momba ny tantaran’ny Fiangonana.

Sary
fahitana ny tanan-dehiben’i Nairobi

Ny afovoan-tanan-dehiben’i Nairobi. Tafatsangana tao Nairobi tamin’ny 9 sept. 2001 ny tsatòka voalohany an’ny Fiangonana tao Kenya.

Sary
Ny Loholona Sitati sy mpiasa teo amin’ny toerana anorenana ny tempoly

Nitsidika ny toerana anorenana ny Tempolin’i Nairobi, Kenya niaraka tamin’ireo mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana ny Loholona Joseph W. Sitati, teratany Kenyana, tamin’ny 21 mey 2022 tamin’ny maha Filohan’ny Vondromparitra Afrika Afovoany azy.

Sary
lehilahy roa miara-mipetraka

Manan-danja ny mampita ny tantaram-pianakaviana. Misy ivontoeran’ny tantaram-pianakaviana miisa 5 ao Kenya, ary mpiasa mpirotsaka ifotony izay mandeha sy manangona tantara lovan-tsofina izay azon’izy ireo tahirizina ho an’ireo taranaka ho avy.

Sary
reny sy zanakavavy roa

Nanomboka tamin’ny fivoriana nataon’ny mpikambana tany an-trano ny Fiangonana tany Kenya. Ankehitriny dia misy vondrona mpivavaka Olomasina miisa 50 mivory any Kenya.

Hamoaka printy