Liahona
Aza avela handalo fotsiny ny fahafaha-manompo amin’ny fahanterana
Jolay 2024


“Aza avela handalo fotsiny ny fahafaha-manompo amin’ny fahanterana,” Liahona, jolay 2024.

Mitombo taona amim-pahatokiana

Aza avela handalo fotsiny ny fahafaha-manompo amin’ny fahanterana

Manasa antsika hifanompo, sy hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra ary hampionona ireo izay mila fampiononana ireo fanekempihavanantsika. Fomba iray hanatanterahana ireo fanasana ireo no sady mitahy ny fiainantsika sy ny an’ireo izay tompointsika ny fanompoana amin’ny maha misiônera zokiolona.

Sary
mpivady zokiolona milomay handray fiaramanidina

Misy misiônera zokiolona miisa 34000 ankehitriny manompo amin’ny fotoana feno na manao asa fanompoana izay mahazo fifaliana lehibe ao anatin’ilay dia, tahaka ireo misiônera zandrin’izy ireo. Afaka manompo ho misiônera zokiolona amina andraikitra isan-karazany ireo tokan-tena sy ireo mpivady.

Ary mila misiônera maro noho izay efa misy ankehitriny ny Fiangonana. Tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2023 ny Loholona Ronald A. Rasband dia namporisika ireo mpikambana zokiolona mba hihevitra ny hanao asa fitoriana amin’ny fahanterany. Nanontany izy hoe: “-Manao inona ianareo amin’izao eo amin’ny fiainanareo?- Misy zavatra maro izay ny misiônera zokiolona ihany no afaka mahavita azy. Hery lehibe tena mahatalanjona ho amin’ny tsara ianareo, efa be traikefa ato amin’ny Fiangonana ianareo, ary eo amin’ny toerana tsara indrindra mba hankahery sy hamonjy ireo zanak’ Andriamanitra.”

Toy izao no nanazavan’ny Filoha Russell M. Nelson ny fomba iantsoana misiônera zokiolona: “Isan-karazany sy midadasika ny fahafaha-manompon’ireo misiônera zokiolona. Ambara amin’ny fomba ôfisialy ny antson’izy ireo rehefa avy nodinihina tamim-bavaka ny mombamomba azy ireo, ny fiteny hainy, ary ny fahaiza-manaon’izy ireo manokana. Ao anatin’ireo fepetra takina amin’ny fanompona dia ny faniriana hanompo no manan-danja indrindra.” Nofariparitany ihany koa hoe “tsy misy mahasolo” ny anjarabirikin’ireo misiônera zokiolona.

“Ny misiônera sasany dia miasa ao amin’ny biraon’ny misiôna na miara-miasa amin’ny BYU–Pathway na misahana ireo ezaka hanasoavana ny mpiara-belona izay manana rafitra mazava tsara,” hoy ny misiônera zokiolona iray. “Efa nanompo tamin’ny sehatra maromaro tamin’ireny karazana andraikitra ireny izahay. Hany ka somary nisalasala izahay rehefa nantsoina hanatanteraka ny andraikitra ana mpanohana ny mpikambana sy mpitarika (MLS). Vantany vao nanomboka izahay dia tianay ery ny fahafahana manovaova zavatra sy ny fampiasana toe-tsaina tia karokaroka nomen’io karazana andraikitra io anay mba hitsidihana mpikambana sy hampatanjahana ireo sampana teo an-toerana.”

Toy izao no nolazain’ny rahavavy zokiolona iray izay manompo ao amina ivon-toerana ho an’ny mpitsidika iray: “Tsy dia fantatro loatra izay tokony hanaovako ny fotoanako rehefa maty ny vadiko. Ankehitriny kosa aho dia manana zavatra maro hatao sy toerana haleha ary mahita olona. Misy olona miankina amiko.”

“Tsy mila matahotra na dia tsy mbola nanompo tamin’ny fahatanoranao aza ianao,” hoy ny rahavavy iray nody rehefa avy nanompo tamin’ny fahanterany. “Andraikitra vaovao ho an’ny olon-drehetra izany. Samy niaraka nianatra niantehatra tamin’ny Tompo sy nifampiantehitra avokoa isika ary nahita fa -amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe- [Almà 37:6].”

Fitahiana azon’ireo misiônera

Samy hafa tahaka ny maha samy hafa ireo misiônera zokiolona ireo fanompoana atao amin’ny fahanterana. Maro karazana izany, ary samy manana ny fanamby, sy fifaliana ary ny tombontsoa entin’izany ho an’ny tena manokana. Saingy misy fitoviana vitsivitsy iraisan’ny karazana fanompoana amin’ny fahanterana: fandalinana manan-danja ny soratra masina, vavaka matetika sy amin-kitsim-po, asa fanompoana mahaliana, fitarihana tsy tapaka avy amin’ny Fanahy Masina, ary fahafahana miavaka entina manova zavatra.

“Nahatsapa ho akaiky kokoa ny Tompo aho fony izahay misiônera zokiolona,” hoy ny misiônera zokiolona iray. “Fantatro fa misy zavatra sasany tsy voafehiko, indrindra fa ny fiarahana tamin’ireo zanaka aman-jafy tany an-trano. Koa dia nankiniko tamin’ny Tompo ny momba ny tany an-trano. Ary notahiany ny fianakaviako. Nampifanakaiky kokoa anay tsy misy ohatr’izany tamin’ireo zafikelinay ny firesahana tamin’izy ireo tamin’ny Zoom. Niresaka momba ana zavatra izay tsy nahaliana velively azy ireo taloha izahay. Na dia tsy mitranga amin’ny olon-drehetra aza izany, ho anay manokana, dia niverina nivavaka ny zanakay lahy iray nandritra ny fotoana nanompoanay, ary niverina nanambady ny zanakay lahy iray hafa ka nofehezina tany amin’ny tempoly taorian’izany.”

Nisy misiônera zokiolona iray hafa niteny hoe: “Lasa nanan-danja kokoa ny fandalinana soratra masina ataonay tsirairay avy sy miaraka satria nitady fomba nentina nampiharana ny soratra masina izahay fa tsy namaky izany fotsiny. Tsy nifantoka tamin’ny habetsaky ny soratra masina voavaky fotsiny toy ny fanaonay indraindray taloha izany. Tamin’ny asa fanompoana nataonay dia toa nitodika tsy tapaka tamin’ny soratra masina iray novakinay ny androtriny na nandritra ny herinandro aho, koa dia nanomboka niandrandra ny hampiasa ny soratra masina novakinay isan’andro aho. Tsy nitaredretra firy aho tamin’ny fandalinako soratra masina, noho ny fieritreretana fa hila hitodika amin’ny zavatra nianarako ny androtriny aho.”

“Nahatonga ny fiainako ho mahaliana kokoa ny nanaovako asa fitoriana,” hoy ny rahavavy zokiolona iray. “Nanome ahy tanjona manan-danja, sy nahatonga ahy hankafy ny fiainako tsy toy ny taloha, ary zavatra mihoatra ny fanaovana golf na mitaiza zafikely.”

“Amin’ny asa fanompoana dia samy mahazo tombony na ny mpanompo na ny tompoina,” hoy ny misiônera zokiolona iray hafa. “Tsy nahita fahombiazana izahay raha somary kevokevoka tamin’ny fieritreretana ny habetsaky ny zavatra nataonay ho an’ny hafa. Saingy rehefa tsikaritray ny hadirin’ny zavatra nianaranay sy ny fitomboanay manokana, dia tsy vitan’ny hoe niova izahay fa toa sady lasa liana kokoa tamin’ny zavatra nolazainay sy nataonay ny hafa. Mpanao soa am-po mahazo tombony: avo roa toko ny fiadanam-po.”

Fifandraisana mafy orina kokoa

Mampivelatra fifandraisana maharitra mandritra ny androm-piainana ny olona rehefa manompo ho misiônera zokiolona. Olona maro no lasa akaikin’ny fon’ny olona tompoiny. Manorina fifandraisana mafy orina amin’ireo misiônera hafa sy ireo mpitarika eo an-toerana ihany koa izy ireo. “Nanorina finamanana tamin’ireo misiônera tanora, sy mpivady zokiolona hafa, ary tamin’ny olona izay tsy ho nihaona taminay velively izahay raha toa ka nijanona tany an-tranonay,” hoy ny misiônera zokiolona iray. “Mbola mifandray izahay. Indraindray aho rehefa nieritreritra ho volan-kakafotra ny andro rehetra dia nanome anay fiaingana vaovao sy namana vaovao hiara-dalana aminay ny fandehanana manompo ho misiônera.”

Afaka manampy ireo mpivady amin’ny fanamafisana orina ny fanambadian’izy ireo koa ny fahafaha-manompo amin’ny fahanterana. Rehefa misotro ronona na manena ny fotoana iasany ny olona dia mety ho ilain’ny mpivady ny mamerina miara-mandinika tanjona iraisana noho izy ireo tsy manan-janaka hotezaina ao an-tokantranony intsony. Mety efa zatra irery tao amin’ny fonenany sy nanaraka ny fandaharam-potoanan’izy ireo manokana ihany koa izy ireo. Mety hanova izany ny fahanterana na ny fisotroandronono. Afaka manampy ny mpivady hanao tanjona vaovao sy hanamafy orina ny fifampiankinan’izy ireo ny fiarahana manorina traikefa iraisana sy vaovao, na manompo any amin’ny toerana misy ny tena izany na manompo amin’ny fotoana feno amin’ny fahanterana.

“Misy fitenenana manao hoe rehefa misotro ronono ianao dia sady mandray atsasa-karama no manam-potoana iarahana bebe kokoa amin’ny vadinao,” hoy ny rahavavy iray nihomehy. “Nanome anay fahafahana hifandinika ireo fiovana ireo tamin’ny fomba izay tsy ho nataonay talohan’ny fanompoanay ny fanaovanay asa fitoriana tany amina toerana lavitry ny fonenanay. Taorian’ny fisotroandrononon’ny vadiko dia tsy mifampiteny izahay rehefa misy fifandirana fa samy mitazona hatezerana anaty. Ankehitriny kosa, noho izahay tsy te hampisy fiantraikany ratsy eo amin’ny asan’ny Tompo, dia aleonay ifampiresahana ny zavatra mahasosotra anay toy izay samy maka ho azy sy tsy mifampiraharaha.”

“Nanomboka nifampiresaka isak’alina momba ireo famindram-po noraisinay isan’andro izahay mivady nandritra ny fanompoana nataonay,” hoy ny misiônera zokiolona iray. “Tsy vitan’ny hoe nanampy anay hifantoka kokoa tamin’ny zavatra nitranga ka tsy hifantoka firy tamin’ny tenanay izany, fa nanome anay fahafahana ihany koa hahita ny hatsarana manodidina anay na dia tsy nizotra tsara aza ny ankamaroan’ny tontolo andro.

“Koa satria izany no zavatra farany nataonay isak’alina,” hoy ny vadiny nanampy, “dia natory tamim-pilaminana sy tamim-pifaliana kokoa izahay raha oharina tamin’ireo taon-dasa. Nanampy ahy hatory tsara kokoa aza izany!”

Ireo fitahiana azon’ireo izay manompo

Tantely amam-bahona ny fiainana, misy andro mamiratra ary misy andro maloka. Koa manaova asa fitoriana. Saingy mitondra valisoa maro ny fanompoana; tsy hoe aorian’ny fahavitan’ny fanompoana fotsiny fa mandritra ilay fanompoana koa. Hoy i Mordekay mantsy an’i Estera, zanakavavin’ny rahalahin-drainy: “Ary iza no mahalala fa angamba ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin’ny fanjakana?” (Estera 4:14; nampiana fanamafisana). Raha nanao jery todika izy ireo dia maro tamin’ireo misiônera zokiolona no nahatsapa ho nampiandraiketana asa na faritra iray izay izy ireo mihitsy no afaka nandray an-tanana filàna iray manokana tamin’izany.

Izaho dia vavolombelona mivantana ny amin’ny zava-tsoa lehibe mety ho vitan’ny misiônera mpivady zokiolona fony aho nipetraka tany Louisiane, Etazonia. Tsy ela taorian’ny niantsoina ahy hanompo tao amin’ny filankevitra avon’ny tsatòkan’i Nouvelle-Orléans Louisiane dia voatendry hanohana ny Sampan’i Port Sulphur aho. Rahalahy mpihazona fisoronana mavitrika vitsy monja no tao amin’ilay sampana. Maro tamin’ireo andraikitry ny mpampianatra sy mpitarika no nosahanin’ny vehivavy manambady tsy mpikambana. Nisy ihany indraindray ireo misiônera zokiolona na mpitarika teo anivon’ny tsatòka voatendry nanompo tao amin’ilay sampana, saingy zara raha nahomby izy ireo tamin’ny fifandraisana tamin’ireo fianakaviana izay tsy mpikambana ny olona sasany ao aminy.

Nisy mpivady zokiolona avy any Wyoming, Etazonia avy eo notendrena hanohana ilay sampana. An-taonany maro no naha mpiompy sy mpamboly azy ireo ary niasa tao amina orinasa mpamokatra frômazy teo akaikin’ny toeram-ponenany izy ireo. Nifandray mora foana tamin’ny olona maro tao Port Sulphur izay niasa tamina orinasa mpamokatra menaka izy ireo noho ny traikefa sy ireo zavatra niainan’izy ireo. Nanokana fotoana betsaka ilay mpivady zokiolona tamin’ny fanorenana fifandraisana tamin’ireo fianakaviana tao amin’ilay sampana izay tsy mpikambana ny olona sasany ao aminy. Noho ny asa fanompoana sy ny fitiavan’izy ireo nandritra ny fotoana naha tao Port Sulphur azy ireo dia nampatanjahana sy voatahy tamin’ny fomba niavaka ny sampana tamin’ny alalan’ny asa fanompoana mahatoky nataon’izy ireo. Lehilahy maro tao amin’ireo fianakaviana izay tsy mpikambana ny olona sasany tao aminy ireo no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ka nanamafy orina ny kôlejin’ny loholona sy ny sampana.

Mitahy fiainan’olona maro ireo misiônera zokiolona, dia ny fiainan’izy ireo sy ny an’ny hafa izany. Aza avela mandalo fotsiny ireo fahafaha-manompo sy mivoatra!

Fanamarihana

  1. Ronald A. Rasband, “Akory ny ho halehiben’ny fifalianareo,” Liahona, nôv. 2023, 53.

  2. Russell M. Nelson, “Les missionnaires d’âge mûr et l’Évangile,” Liahona, nov. 2004, 81.

  3. Russell M. Nelson, “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana,” Liahona, mey 2022, 7.

  4. “Fifaliana. Fanantenana. Hery manohana avy amin’ Andriamanitra. Fiarovana amin’ny fakam-panahy. Fahasitranana. Ireo rehetra ireo, miampy maro hafa (anisan’izany ny famelana ny fahotana), dia mirotsaka ao amin’ny fanahintsika toy ny fitahiana avy any an-danitra rehefa mizara ny filazantsara isika” (Marcus B. Nash, “Aingao ambony ny fahazavanao,” Liahona, nôv. 2021, 72).

Hamoaka printy