Liahona
Tantaran’ny fahombiazan’ny misiônera iray: 60 taona niandrasana
Jolay 2024


“Tantaran’ny fahombiazan’ny misiônera iray: 60 taona niandrasana,” Liahona, jolay 2024.

Tantaran’ny fahombiazan’ny misiônera iray: 60 taona niandrasana

Hafaliana lehibe ho ahy ny nandre fa namoa ny voa nambolena taona maro lasa izay.

voa ao anaty tany sy zava-maniry mitombo mamoa

Sary nataon’i Carolyn Vibbert

Tiako lalandava ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10: “Lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra.” Ary indraindray dia mitaky ny hiarahantsika miasa izany, amin’ny alalan’ny fizarana fijoroana ho vavolombelona mba hitondra fanahy hankamin’ny Mpamonjy (jereo ny 2 Korintiana 13:1).

Nampahatsiahivina ahy ny hatsaran’ilay fotokevitra maha asa ifampitsorohana ny asa fitoriana ny filazantsara rehefa naharay mailaka iray aho indray andro. Nanontany tena ny anadahy iray izay nilaza ho zanaky ny filohan’ny misiôna tany Wichita, Kansas raha toa ka vadin’i Robert Monson aho. Nanohy ilay anadahy fa nitady an’i Elder Monson izay nanompo tany amin’ny Misiônan’i Central States tamin’ny 1959 izy. Ilay vadiko izany.

Notantarainy ahy ny momba ana misiônera lehilahy roa izay notaomim-panahy mba hankao amina tranobe iray. Raha nandondòna varavarana voalohany izy ireo dia nahita vehivavy efa lehibe iray nanasa azy ireo hiverina ny ampitson’iny. Nifanome fotoana izy ireo.

Rehefa niverina tamin’ilay fotoana nifanomezana izy ireo dia nianatra izy ireo fa nanana triptika (Bokin’i Môrmôna, sy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary Voahangy Lafo Vidy) efa tonta izay nomen’ny misiônera azy tamin’ny 1959 io rahavavy efa lehibe io. Namaky izany imbetsaka izy ary fantany fa marina ireo fampianarana tao anatin’izany. Tsy nirotsaka ho mpikamban’ny Fiangonana izy satria tsy tian’ny vadiny ny hankanesany any am-piangonana na hanaovana batisa azy. Maty vao haingana izay ny vadiny ka nivavaka izy mba hahitany misiônera indray. Nisoratra tao amin’ny triptikany ny anarana misiônera roa tamin’ny 1959: Robert Monson sy Granade Curran, dia ny vadiko sy ny mpiara-mitory taminy.

Herinandro maro nanarak’izany dia nianatra momba ny drafitry ny famonjena sy ireo fitahiana entin’ny tempoly io vehivavy io. Maty tamin’ny faha 22 taonany ny zanany lahy ary nampientanentana azy ery ny fahafahana ny ho tafiaraka aminy indray. Rehefa nasain’ireo misiônera izy mba hatao batisa dia tamim-pifaliana no nanekeny ny fanasan’izy ireo.

Samy efa maty ilay vadiko sy i Elder Curran, mpiara-mitory taminy, saingy azoko sary an-tsaina ny fanatrehan’izy ireo an’io batisa mahafinaritra io avy any ankoatra ny voaly.

Teo am-pitantaran’ilay zanaky ny filohan’ny misiôna tamiko ilay tantara dia nampahatsiahivina ahy fa tsy manadino an’iza na iza amintsika ny Mpamonjy. Miaraka amintsika lalandava Izy rehefa apetratsika eo am-pelatanany ny fiainantsika. Mitantara ny tantaran’i Zakaiosy izay nananika aviavy mba hahitana ny Mpamonjy ny Testamenta Vaovao (jereo ny Lioka 19:1–10). Na dia teny ambony hazo aza i Zakaiosy dia mbola hitan’ny Mpamonjy izay nangataka ny hisakafo hariva tany an-tranony. Nivavaka sahala tamin’izany ihany koa ny rahavavy efa lehibe iray ary niandry ny misiônera handondòna ao am-baravarany, ary dia nataon’izy ireo izany. Mahafantatra antsika rehetra ny Mpamonjy. “Fa tonga ny Zanak’ondry hitady sy hamonjy ny very” (Lioka 19:10).

Misiônera mpiara-mitory roa, ny iray 60 taona lasa ary ny iray hafa vao haingana, no nitondra io rahavavy io nankamin’i Jesoa Kristy ka nanamafy ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo ho setrin’izany ka nahita fifaliana tao amin’ny Tompo. Mampanetry tena ahy ny nahafahako nanatrika izany tantara izany, mahatsapa ny fifalian’ireo rehetra tafiditra tamin’ny fitondrana io rahavavy io hankamin’ny Mpamonjy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15).

Monina any Utah, Etazonia ny mpanoratra.