Liahona
Nirian’ny fanahiko ny hankeo
Jolay 2024


“Nirian’ny fanahiko ny hankeo,” Liahona, jolay 2024.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Nirian’ny fanahiko ny hankeo

Tantara iray tiako indrindra ao amin’ny soratra masina no valin’ny fahadodonako ny hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy ny Zanany.

Sary
Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

The Second Coming [Ny Fiaviana Fanindroany], nataon’i Harry Anderson

Nankany amin’ny tempoly aho indray andro ary nanana fanontaniana iray tao am-poko: “Andriamanitra Ray ô, toy ny ahoana ny fampiharako ny filazantsara?”

Tsapako ho nahazo vahana ireo fahalemeko tamin’izay herinandro izay. Tahaka an’i Nefia, izaho dia nahatsapa ho notambesaran’ireo fahotana izay mora nahazo ahy. Kanefa, tahaka an’i Nefia koa, izaho dia nahafantatra izay nitokiako. (Jereo ny 2 Nefia 4:18–19.) Nanantena aho fa hanampy hahatsapa fifandraisana mafy orina amin’ny Tompo ny nanokanako fotoana ho Azy tany amin’ny Tranony tamin’io maraina io.

Nihaino tsara aho nandritra ny fotoanan’ny fanafiana masina ary feno fankasitrahana aho ny amin’ny hery sy ny fahalalana natolotr’izany. Saingy rehefa niditra tao amin’ny efitrano selestialy aho dia mbola tsapako ho navesatra ny foko. Ahoana no hahafantarako ny fihevetry ny Tompo momba ahy?

Nipetraka ary nisaintsaina nandritra ny minitra vitsivitsy aho ary avy eo dia nahatsapa ho toy ny tsy hahazo valiny ka nanomboka nitsangana. Saingy nisy zavatra nisintona ahy hiverina hipetraka, hitambotsitra eo amin’ilay seza lava. “Tsy te handeha aho,” hoy aho an’eritreritra.

Nijery nanodidina ny efitrano aho ary nahita sary hosodoko tsy zoviana amiko, izay ahitana an’i Jesoa Kristy voahodidina anjely, miaraka amin’ny sandriny nivelatra nitolotra tany amiko. Tonga tao an-tsaiko ireo teny tao amin’ny soratra masina tiako indrindra: “Nirian’ny fanahiko ny hankeo” (jereo Almà 36:22).

Matetika aho no nisaintsaina ny dikan’io andininy tao amin’ny tantaran’i Almà io. Taloha, noho ireo fahotany, dia nameno an’i Almà “tamin’ny horohoro tsy hay lazaina” (Almà 36:14) ny fieritreretana ny hijoro eo anoloan’ Andriamanitra. Saingy taorian’ny fitodihany tamin’i Kristy dia nahita an’ Andriamanitra voahodidin’ny anjely izy ka “nirian’ny fanahi[ny] ny hankeo.” Kanto tamiko foana ireo fihetsika roa mifanipaka ao amin’ny soratra masina ireo. Nisy fiantraikany goavana teo amin’ny fon’i Almà ny ezaka bitika nataony tamin’ny fitodihana tany amin’ny Tompo.

Tsapako ho tsy mbola te hiala tao amin’ny efitrano selestialy aho satria, toa an’i Almà, dia nirian’ny fanahiko ny hankeo, dia ao amin’ny tempoly tamin’io andro io ary miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy any amin’ny fonenako any an-danitra amin’ny farany. Nampiasain’ny Fanahy Masina ilay tantara tiako indrindra ao amin’ny soratra masina mba hilazana tamiko fa fantatr’ Andriamanitra ny ao am-poko. Nampatsiahiviny ahy fa na dia eo aza ireo fahalemeko dia nanaiky ireo ezaka nataoko mba hanakaikezana Azy ny Tompo. Fatany fa nirian’ny fanahiko ny hankeo.

Hamoaka printy