Liahona
Ny hafatr’ Andriamanitra ho ahy
Jolay 2024


“Ny hafatr’ Andriamanitra ho ahy,” Liahona, jolay 2024.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ny hafatr’ Andriamanitra ho ahy

Tsy nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna aho mandra-pahatongan’ny fotoana nitenenan’ny Tompo tamiko tamin’ny alalan’ny bokin’i Helamàna.

Sary
lehilahy mitsiky mamoritra tanana

Sary nahazoana lalana avy tamin’ny mpanoratra

Nanaiky tsy sazoko aho raha nanasa ahy nankany amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny namana iray tamin’ny 2020. Tamin’ny voalohany dia tsy nahatsapa aho fa tao no toerana tokony hisy ahy, saingy nanohy nanatrika fivorian’ny fanasan’ny Tompo aho. Natao batisa aho nony farany.

Tsy takatro anefa tamin’ny voalohany ny hevitry ny fananana fijoroana ho vavolombelona araka ny lazain’ny mpikamban’ny Fiangonana hafa. Niara-namaky andinin-tsoratra masina izaho sy ireo misônera vehivavy saingy tsy mbola nanokatra samy irery ny Bokin’i Môrmôna aho. Na dia teo aza ireo ezaka lehibe nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny fandraisana ahy sy fihazonana ahy havitrika, dia tsy ela aho dia nanomboka tara vao tonga tany am-piangonana, tsy nanatrika fivoriana, ary niverina tamin’ireo fahazarana tsy nifanaraka tamin’ny filazantsara.

Avy eo dia nisy andro iray nahatsapako ho nisy fiovana teo amin’ny toe-poko ka nampatahotra ahy. Tsapako ho toy ny niovaova loatra aho, nanaraka ny fanaon’izao tontolo izao ary nanohitra ireo zavatr’ Andriamanitra. Tsapako fa tsy teo amin’ny lalana tokony ho izy ho ahy aho. Raha mbola tao anatin’io toe-po io aho dia nanopy ny masoko tany amin’ilay soratra masina teo amin’ny fandriako.

Niantso an’ Andriamanitra aho mba hilaza zavatra tamiko. Nanonona vavaka kely aho ary niandry fa tsy nandre na inona na inona akory. Nila fampiononana sy fahazavan-tsaina aho.

Avy eo dia naheno zavatra aho. Tsy fantatro raha avy tao an-tsaiko na tao an-tsofiko ilay feo, saingy naheno ny teny hoe “Helamàna 3:27” aho. Fantatro fa tao amin’ny Bokin’i Môrmôna no nisy ny bokin’i Helamàna, koa dia noraisiko ny soratra masina ary nijery ny fanoroam-pejy aho mba hahitana ilay boky.

Hafatr’ Andriamanitra ho ahy manokana tamin’io fotoana teo amin’ny fiainako io ny zavatra novakiako nanaraka izany: “Dia toy izany no ahazoantsika mahita fa ny Tompo dia feno famindram-po amin’ireo rehetra izay hiantso ny anarany masina amin’ny fahatsoran’ny fony.”

Nanova ny fomba fijeriko momba ny zavatra ataoko sy momba ny Bokin’i Môrmôna io andinin-tsoratra masina io. Takatro fa tsy nety ireo zavatra nataoko sy ny tsy fahatsora-poko teo anoloan’ Andriamanitra ary nila niantso ny anarany sy nibebaka aho. Fantatro fa tsy handà ny famindrampony sy ny fitahiana Andriamanitra raha mbola miantso Azy sy manaraka Azy amin-kitsim-po koa aho.

Izany no nahazoako ny fijoroako ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna, boky iray izay tsy nahaliana ahy ny namaky azy taloha. Fantatro fa velona Andriamanitra, miteny amintsika Izy ankehitriny ary marina ny Bokin’i Môrmôna.

Hamoaka printy