Liahona
Ny vatanao: Mikolokolo an’io fanomezana avy amin’ Andriamanitra io
Jolay 2024


“Ny vatanao: Mikolokolo an’io fanomezana avy amin’ Andriamanitra io,” Liahona, jolay 2024.

Ny vatanao: Mikolokolo an’io fanomezana avy amin’ Andriamanitra io

Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny vatantsika ary tempoly ho an’ny fanahintsika, saingy mitaky fifehezan-tena sy fitsipi-pifehezana ny fanolokoloana sy ny fikarakarana izany araka ny tokony ho izy.

Sary
lehilahy sy vehivavy mihazakazaka

Mora ny manao tsinontsinona ny fahasalamana tsara misy eo amintsika raha tsy rehefa misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fahasalamantsika ny zava-pisotro misy gazy miisa 10 sotrointsika isan’andro sy ny tsy fampihetsehantsika vatana ary ny tsy fahampian-torimaso. Na koa hoe na dia eo aza ireo safidy mahasalama ataontsika dia misy fototarazo tsy ampoizina sy olana ara-pahasalamana mamely tampoka antsika.

Nomena tahana fahasalamana ara-batana samihafa izay tsy voafehintsika foana isika. Saingy misy zavatra iray azo antoka: Mangataka antsika mba hivoatra amin’ny alalan’izay zavatra nomena antsika isika. Mitaky fifehezan-tena sy fahazotoana mitovy amin’izay ilaintsika mba hikolokoloana ny fahasalamantsika ara-panahy ny fanaovana izany. Izany dia midika hoe fifehezana ny fironana voajanahary hipetraka toy izay hiazakazaka, hihinana zava-mamy toy izay legioma, ary miari-tory toy izay matory.

Rehefa mikatsaka fitaomam-panahy isika hanatsarana ny fahasalaman’ny vatantsika sy rehefa manana fifehezan-tena hihazonana izany dia hahita fahafahana lehibe kokoa hanompo an’ Andriamanitra sy hahita fifaliana isika.

Tempoly ny vatanao

Miroborobo ny olombelona rehefa voakarakara tsara ny fanahy sy ny vatana. “Ny fanahy sy ny vatana no atao hoe olona velona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:15). Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson raha nanao fanamarihana momba io andininy io fa ny vatana sy ny fanahy dia samy “manan-danja tokoa. Zavaboarin’ Andiamanitra mahatalanjona ny vatanao ara-nofo. Sady tempoliny io no tempolinao ka tsy maintsy raisina amim-panajana lalina.”

Ao anatin’ny faha 99 taonany ny Filoha Nelson dia manohy manao ireo andraikiny amin’ny maha Filohan’ny Fiangonana azy, na dia miaiky aza izy indraindray fa mampiasa fitaovana manampy azy mandeha mba tsy hianjerany ary ankehitriny dia aleony mipetraka rehefa manao ny anjara lahateniny mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. “Manana olana madinika amin’ny fijoroako mba tsy hianjera aho indraindray,” hoy izy nanoratra tao amin’ny pejin’ny tamba-jotran-tserasera fampiasany tamin’ny mey 2023. “Angamba tsy tokony ho gaga aho raha misy olana madinidinika mitranga noho izaho efa mby hahatratra ny faha-zato taona. Feno fankasitrahana aho fa salama ny foko ary matanjaka tahaka ny tongotro ny fanahiko ary mbola miasa tsara ny atidohako.”

Fantatra amin’ireo fanao fitandroana ny fahasalamana sy fahavitrihana ny Filoha Nelson. Lehilahy mantanjaka sy salama foana izy ary niasa mafy mba hijanona ho toy izany. Nanao fanatanjahan-tena tsy tapaka izy ary nankafiziny manokana ny zavatra atao ivelan’ny trano. Tamin’ny faha 90 taonany izy dia nanala ranomandry teo amin’ny sisin-dalana tandrify azy sy ny an’ny mpiray vodirindrina azy, namerina ireo fitoeram-pako tamin’ny toerany ary nanao asa teo an-tokotaniny. Nanao ski araka izay tratran’ny fotoanany izy ka hatramin’ny nahalasa Filohan’ny Fiangonana azy.

Manana fifehezan-tena

Fantatsika ireo zavatra tsotra tsara hatao ho an’ny fahasalaman’ny vatana:

  • Manaova fanatanjahan-tena tsy tapaka.

  • Ataovy ampy ny torimaso.

  • Mihinàna sakafo voalanjalanja.

  • Tazony ho amin’ny lanja mahasalama azy ny vatana.

  • Fehezo ny rarin-tsaina.

Ny manao izay hanaovan’ny vatantsika izay fantatry ny fanahintsika fa tokony hataony no zava-tsarotra. Araka ny tenin’ny Filoha Nelson dia iray amin’ireo fitsapana eto amin’ny fiainana an-tany ny fifehezan’ny fanahy izay mitoetra ao anatintsika ny filana ara-nofon’ny vatantsika.

“Fantatr’i Satana ny tanjaky ny filan’ny nofontsika. Koa maka fanahy antsika izy mba hihinana ireo zavatra tsy tokony hohanintsika, na zavatra tsy tokony hosotrointsika. …

“Rehefa fantatsika marina ny toetra maha andriamanitra antsika dia tiantsika hofehezina ny filan’ny nofo toy izany. … Ao amin’ny vavaka ataontsika isan’andro isika dia hanaiky (an’ Andriamanitra) amim-pankasitrahana amin’ny maha Mpahary antsika Azy ary hisaotra Azy noho ny vatantsika izay tempolintsika manokana. Hokolokolointsika sy ankamamiantsika toy ny fanomezana nomen’ Andriamanitra antsika manokana izany.”

Mikolokolo ny fankasitrahana sy mahita fifaliana ao amin’ny vatana nomen’ Andriamanitra antsika

Nanan-janaka telo aho tamin’izaho 27 taona ary voan’ny arthrite rhumatoïde, izay aretin’ny hery fanefitra izay mamotika tsikelikely ny vanin-taolana. Tsy voafehiko intsony ny fiainako. Nitodika tamin’ Andriamanitra aho mba hahazo fanampiana amin’ny fiverenan’ny fahatomombanako ara-tsaina sy ny fahasalamana tena tsara nananako izay nataoko ho tsinontsinona taloha.

Nitady fanampiana tamin’ny psikôlôgy aho ho an’ny tebitebiko. Niara-niasa tamina manam-pahaizana mpamantatra sy mpitsabo aretin’ny vanintaolana (rheumatologue) sy nampiasa fanafody natoraly koa aho. Tsy nilavo lefona na oviana na oviana aho. Nihatsara ny fahasalamako ara-batana sy ara-tsaina rehefa afaka taona maro feno fangirifiriana.

Tsaroako indray tolakandro izay aho nandeha an-tongotra nandalo teo amin’ny saham-boninkazo iray izay nihazo ny farihy teny an-tendrombohitra iray. Tamin-dranomaso no nisaorako an’ Andriamanitra tamin’ny nanomezany ahy vatana ara-nofo sy ny fahafahako manao zavatra izay noheveriko fa tsy ho azoko atao intsony. Tsisy fanafana ny zava-manjoa ahy ary hita fa nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny vatako ilay aretina. Saingy lasa zavatra ankafiziko ny dia an-tongotra lavitra sy ny fanatanjahan-tena, ary tsy nanao an-tsirambina ny fahasalamako mihitsy aho.

Na dia eo aza ny fetran’ny tanjako ara-batana, dia vao haingana izay aho no nanompo ho misiônera zokiolona niaraka tamin’ny vadiko tany Washington Etazonia (izay toerana tena tsara hanaovana dia an-tongotra lavitra). Feno fisaorana aho ny amin’ny nahafahako nanompo nandritra ny androm-piainako saika ho tamin’izay antso rehetra nisy tato am-piangonana.

Araka ny nolazain’ny Filoha Nelson hoe: “Enga anie isika ho velompankasitrahana mandrakizay ny amin’ny fitahiana lehibe amin’ny fahazoana vatana ara-nofo, ilay zava-boary faratampony nataon’ny Raintsika any An-danitra be fitia. Na dia zava-dehibe tokoa aza ny vatantsika dia tsy mifarana hatreo ny tanjona namoronana azy. Ampahany tena manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarantsika mandrakizay izany.”

Fanamarihana

  1. Nampianatra ny Filoha Russel M. Nelson nanditra ny fivoriamben’ny fisoronana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fa: “Rehefa mangataka ahy sy ianao i Jesoa mba hibebaka, [jereo ny Lioka 13: 3, 5], dia manasa antsika Izy mba hanova ny saintsika, ny fahalalantsika, ny fanahintsika, eny, fa na dia ny fomba fiaina aza. Mangataka antsika Izy mba hanova ny fomba fanehoantsika fitiavana, ny fomba fanompoantsika, ny fomba fandaniantsika ny fotoantsika, ny fomba fitondrantsika ny vadintsika, ny fomba fampianarantsika ny zanatsika, eny fa na dia ny fomba fikarakarantsika ny vatantsika aza” (“Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67; nampiana fanamafisana).

  2. Russell M. Nelson, “Your Body: A Magnificent Gift to Cherish,” Liahona, Aug. 2019, 52.

  3. Russell M. Nelson, Facebook, 16 mey, 2023, facebook.com/russell.m.nelson.

  4. Jereo ny Sheri Dew, Insights from a Prophet’s Life: Russell M. Nelson (2019), 345.

  5. Russell M. Nelson, “Your Body: A Magnificent Gift to Cherish,” 54.

  6. Russell M. Nelson, “Your Body: A Magnificent Gift to Cherish,” 55.

Hamoaka printy