Liahona
Tamin’ny fomba ahoana no nitokisako tamin’ny Ray any An-danitra fony aho nahatsapa ho nijoro irery?
Jolay 2024


“Tamin’ny fomba ahoana no nitokisako tamin’ny Ray any An-danitra fony aho nahatsapa ho nijoro irery?,” Liahona, jolay 2024.

Tanora

Tamin’ny fomba ahoana no nitokisako tamin’ny Ray any An-danitra fony aho nahatsapa ho nijoro irery?

Niezaka ny hanam-pinoana aho saingy niatrika olana maro tsy tapaka foana. Ahoana no ahafahako mbola matoky ny Tompo hatrany?

Sary
tanora vehivavy iray mipetraka sy toa lasa saina

Sary nataon’i Kathleen Peterson

Nampahafantarin’ny zanadrahalahin’ny raiko ahy ny misiônera fony aho sivy taona. Niditra ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho saingy izaho irery tao amin’ny ray aman-dreniko sy iray tam-po tamiko no hany nanao izany. Nianatra ny hitia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy hatrany hatrany aho hatramin’izay. Saingy sarotra dia sarotra ny nitoky tamin’ny Ray any An-danitra sy ireo fahamarinany nisy fotoana, ka nananosarotra ho ahy tokoa ny nitozo nandroso tamim-pinoana.

Mety ho sarotra na aiza na aiza misy ny tena ny miaina tsy mitovy amin’ny fanaon’izao tontolo izao amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy, saingy sarotra kokoa tsy araka ny eritreretin’ny maro izany hoe lehibe any Hong Kong ka mpikamban’ny Fiangonana izany.

Ny antony iray dia satria maro ny olona ao amin’io faritra io no tsy tia ny Fiangonana ary mihevitra fa mifandray amina zavatra ratsy izany. Misy teny Sinoa iray ho an’ny hoe “Môrmôna,” nentina nilaza ny Fiangonana, dia nahitana feo nampifandray izany tamin’ny teny Sinoa ilazana ny hoe “devoly.” Indrisy fa niteraka fahadisoan-kevitra mahakasika ireo soatoavin’ny Fiangonana tao amin’ny olona sasany izany.

Ary koa mety ho mora foana ny hahatsapa ho manirery sy atoka-monina noho ny fisian’ireo antokom-pivavahana nentim-paharazana efa niorim-paka sy ny havitsin’ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana ao Hong Kong. Maro ny olona no misalasala ny amin’ny Fiangonana, tsy mahatakatra feno ireo fampianarany ka tsy manam-piniavana ny hanogilan-tsofina tamin’ny zavatra tian’ireo mpikambana hozaraina.

Fony aho zatovo no tena nahatsapa ny fiantraikan’ireo sakana ireo, saingy nianatra zavatra be dia be momba ny dikan’ny hoe fitokisana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho tamin’ny alalan’ireny zavatra niainana ireny.

Mahaleo ny sarany ve ny fiainana ny filazantsara?

Naman’ny ray aman-dreniko ny iray tamin’ireo mpampianatro tany amin’ny lisea. Kristiana navitrika tany amin’ny antokom-pinoana iray hafa io mpampianatra io. Tamin’izany dia izaho irery no mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny kilasy nisy ahy, ary maro tamin’ireo mpiara-mianatra sy mpampianatra no efa nanana eritreritra hafa momba ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ireo mpikambana ao aminy.

Io mpampianatra manokana io dia nanana fiheverana ratsy mafy momba ny finoako, izay nampanahirana ny toe-draharaha satria naman’ny fianakaviana izy.

Antony iray dia izao, matetika aho no rendremana mandritra ny fampianarany noho izaho nifoha maraina namonjy seminera vao maraina, izay nahatonga azy hanahy fa tsy haharaka aho ao am-pianarana. Tondroiny tampoka koa aho ary ametrahany fanontanina ara-potopampianarana sarotra maro izay tsy haiko ny mamaly azy. Nomeny sahanasa hamaky lahatsoratra manohitra ny Fiangonana mihitsy aza aho. Noezahany mafy tokoa ny nandresy lahatra ahy hiala tamin’ny finoako.

Fotoana sarotra ho an’ny finoako izany. Fa nahoana ny fijanonana ho mahatoky no mahatonga olana sy zava-tsarotra maro eo amin’ny fiainako rehefa miezaka ny hitoetra ho akaikin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho? Angaha moa aho tsy tokony ho voatahy noho ny amin’ny fitandremana didy sy mahafoy torimaso mba hamonjena seminera?

Tsy izany no nitranga fa niharatsy ny naotiko, nitotongana ny finoako, ary niharatsy ny fifandraisako tamin’ireo mpampianatra ahy sy ny fianakaviako ary ny Ray any An-danitra.

Nisy fotoana aho nanomboka nanontany tena raha toa ka nahaleo ny sarany ny fiainana ny filazantsara. Nanomboka tsy nanatrika seminera aho ary vetivety dia tsapako ho nihalefy ny finoako. Toa mora kokoa ny nilefitra mora foana tamin’ny zavatra naneren’ny tontolo manodidina ahy mba hataoko.

Misafidy ny hatoky

Nanohy nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra aho mba hahazo fitarihana sy fahatakarana. Na dia teo aza ny savorovoro lalina sy ny fahasorenana tsapako momba ny toe-javatra nisy ahy dia nisy zavatra tao am-poko tao nanohy namikitra tamin’ny finoana. Niresaka tamin’ireo namana mahatoky aho ary noborahako tamin’ireo namako tany am-piangonana ny amin’ny zavatra nanjo ahy, koa namporisihana aho ny hiresaka momba ireo olako tamin’ny mpampianatra seminera ahy.

Namaly tamim-pangorahana izy ary nankahery ahy mba hanohy hanatrika seminera omban’ny fo feno fanantenana. Nampanantena izy fa hahita fitahiana hirotsaka aho raha mitohy manam-pinoana sy matoky fa manomana zavatra maro ho ahy ny Tompo ary hanokana ireo fanamby atrehako ho tombontsoako (jereo ny 2 Nefia 2:1–2).

Koa dia nisafidy ny hatoky aho izany na dia eo aza ireo fanamby natrehako.

Sary
tanora vehivavy mitsiky

Tsapako ho niova ny toe-tsaiko rehefa ela ny ela. Naleoko nifantoka tamin’ny fankasitrahana tsapako noho ny amin’ny filazantsara toy izay nifantoka tamin’ireo zava-tsarotra natrehako. Nanomboka nifantoka tamin’ireo fitahiana noraisin’ny fianakaviako, sy ny toetrako araka an’ Andriamanitra ary ireo fahamarinana mandrakizay ao amin’ny filazantsara aho. Ary nony farany dia lasa nahafantatra aho fa mahafantatra ny toe-javatra iainako ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary nanohana ahy teo foana nandritra ireo fotoana nahatsapako ho tena irery.

Nanova ny zavatra rehetra izany.

Rehefa nanohy nitoky tamin’ Izy Ireo aho, nitandrina ireo didy, nibebaka isan’andro ary nanao ireo zava-madinika isan’andro mba hifandraisana amin’ Izy Ireo, dia tsapako ho nihalalim-paka sy nihanatanjaka ny fototry ny finoako.

Vao haingana ny Filoha Russell M. Nelson no nilaza izao: “Miangavy anareo aho izao—mba handray an-tanana ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Miasà ho an’izany. Kolokoloy izany mba hitomboany. Fahano fahamarinana izany. Aza lotoina amin’ny filôzôfia sandoka ataon’ny lehilahy sy vehivavy tsy mino izany. Rehefa manao ny fanamafisana orina tsy tapaka ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy ho laharam-pahamehana ambony indrindra ianareo dia andrandrao ireo fahagagana hitranga eo amin’ny fiainanareo.”

Ary rehefa nanao izany aho dia nisy fahagagana nitranga tokoa.

Inona no dikan’ny hoe matoky ny Tompo?

Taorian’ny resaka rehetra momba ny finoana nifanaovana tamin’ilay mpampianatra ahy nandritra ny fotoana elaela, dia indray andro raha nanatona nametraka fanontaniana tamiko izy dia natsapa ho vonona ny hamaly ireny tamin’ny finoana nohavaozina aho. Nanontaniako tamin-katsaram-panahy izy raha toa ka efa nitsidika ny iray tamin’ireo trano fivoriantsika na namaky ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa tsia no noteneniny dia nahatsapa ho notaomim-panahy aho hizara ny fijoroako ho vavolombelona momba ireo fahamarinana tsotra.

Nolazaiko azy fa tsy afaka ny hahafantatra na oviana na oviana aho raha marina ny zavatra iray raha tsy efa niaina na nikaroka valiny ho an’ny tenako. Nohazavaiko azy fa fantatro fa marina ny filazantsara satria nanao asa aho mba hahazoako ireny valiny ireny ary tsapako tao am-poko fa marina ireny. Nanasa azy aho mba hanao toy izany, ka nanomboka tamin’izay dia lasa nilamina tsara lavitra kokoa ny fifandraisanay.

Nanomana ahy tokoa tamin’ny ho avy amin’ny maha mpianatr’i Kristy ahy io fitsapana ny finoana nolalovako fony aho zatovovavy io. Nahita fitahiana sy fampanantenana nitondra vokany maro tokoa aho rehefa nanohy nitoky tamin’ny Tompo mihoatra noho ny hevitry ny olon-kafa. Araka ny nolazain’i Nefia hoe: “Tompo ô, efa natoky Anao aho ary mbola hatoky Anao mandrakizay. Tsy hapetrako amin’ny sandry nofo ny fitokiako” (2 Nefia 4:34).

Rehefa tsy mizotra araka ny nandrafetana azy ny zava-drehetra na miatrika zava-tsarotra tsy nampoizintsika velively isika dia mety ho mora foana ny mahatsapa toy ny hoe nanoro vohony antsika ny Ray any An-danitra, na namoy antsika Izy, na tsy miraharaha fotsiny izao.

Saingy tsy marina izany.

Raha ny marina dia amin’ireny olana mampisafotofoto sy mahavaky fo ireny foana no ampahatsiahivina ahy ny dikan’ny hoe mametraka feno ny fitokiako amin’ny Tompo. Mila mamela ny maha mpianatry ny Tompo ahy sy ny finoako ho lasa manan-danja sy manova fiainana aho toy izay lasa fahazarana poakaty. Nampianatra ihany koa ny Filoha Nelson hoe: “Ny finoanao tsy mitsaha-mandrombona dia hanampy anao hanova ireo olana ho zary fivoarana sy fahafahana tsy misy toa azy.”

Hitako fa ny fisafidianana ny finoana an’i Jesoa Kristy dia nitondra fitahiana teo amin’ny fiainako mihoatra noho izay mety ho takatry ny saiko. Tsy midika izany akory fa tsy hianjadian’ny alahelo, na zava-tsarotra, na safotofoto lalandava aho, midika kosa izany fa fantatro izay hitodiana mba hahazoana fiadanana sy filaminana.

Mampahatsiahy antsika amim-pitiavana ny Filoha Nelson hoe: “Aoka ho fantatrao izao: na hahafoy anao aza ny zava-drehetra sy ny olon-kafa rehetra izay atokisanao eto amin’izao tontolo izao, i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany kosa dia tsy hahafoy anao na oviana na oviana.”

Na inona na inona atrehanao eo amin’ny fiainana, na izany tsy fahatanterahan-javatra, fanerena avy amin’ny olona tsy mitovy fitsipika ara-pilazantsara aminao, olana ara-pianakaviana, olana ara-pahasalaman-tsaina, tsy fahampiana ara-bola, zavatra mahavaky fo, zavatra tsy ara-drariny, na izay mety ho olana hafa, dia manasa anao aho hanohy hametraka ny fitokianao amin’ny Tompo. Fantany tanteraka ny toe-javatra iainanao. Fantany ianao. Manana fitahiana mahatalanjona voaomana ho anao Izy. Na dia amin’ireny fotoana izay hahatsapanao fa tsy te hatoky Azy ireny aza dia misafidiana ny hatoky Azy ihany. Azo antoka ireo fampanantenany. Hotarihany ho amin’ny fifaliana sy fanantenana ary fahagagana amin’ny fotoana maha mety izany ianao.

Ataony amiko izany rehefa manohy matoky Azy aho.

Hamoaka printy