Liahona
“Mba ampio izy”
Jolay 2024


“Mba ampio izy,” Liahona, jolay 2024.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

“Mba ampio izy”

Nanampy ahy nandresy ireo fahatsapana tsy fahombiazana sy fanirery ny tantaram-pianakaviana sy ireo asa isoloana tena atao any amin’ny tempoly.

Sary
Tempolin’i Manille Filipina

Sarin’ny Tempolin’i Manille Filipina nalain’i Russell Sun De La Cruz

Indray andro tany am-piasana, dia nahatsapa ho vaky fo sy irery aho. Nino aho fa nandiso fanantenana ireo razambeko aho noho ireo hadisoana maro nataoko. Nitalaho tamin’ny Raiko any An-danitra aho mba hanomezany hery ahy.

Herinandro iray na roa taorian’izany dia nisy rahavavy nanatona ahy taorian’ny fivoriam-piangonana ka nanontany ahy raha toa ka izaho no Jenny Casama. Nampahafantariny ahy fa izy no Michelle (Mich) Bautista, iray amin’ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy. Nohazavainy fa nanonofy izy ka tao amin’izany izy dia nahita vehivavy telo niakanjo fotsy ary nisy vehivavy nitondra ny anaram-pianakaviana hoe Casama nanatona azy fa nila fanampiana. Nitalaho tamin-dRahavavy Bautista izy ireo hoe: “Mba ampio izy.”

Takatry ny Rahavavy Mich fa ireo vehivavy ireo dia nangataka azy mba hanampy ny havany—izaho— mba hianatra misimisy kokoa momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy mikasika ny tantaram-pianakaviana.

Nilaza tamiko Rahavavy Mich hoe: “’Ndeha hojerena raha toa ka afaka hitantsika ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakavianao ireo vehivavy ireo.”

Hitanay tao amin’ny tranonkalan’ny FamilySearch ireo firaketana misy an’i Damasa Casama renibeko avy amin’ny raiko; i Emiliana Casama rahavaviny; ary i Eugenia Casama renin’ny raibeko avy amin’ny raiko. Tsy nisalasalana fa fantatray fa izy ireo no ireo vehivavy tao amin’ilay nofy. Nisy fahatsapana fitoniana namelombelon’aina nanenika ahy, ary tsapako nitosaka tamin’io fotoana io ny fitiavan’ireo razambeko. Nitomany izahay noho ny fahasambarana tsapanay tao am-ponay. Tsapako fa niraharaha ahy tokoa izy ireo, ary ho setrin’izany dia nanana fitiavana lalina ho azy ireo aho.

Avy eo dia tsapako ny andraikitro amin’ny fanampiana azy ireo sy ireo razambeko hafa mba handray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Efa ela no niandrasan’ireo razambenay anay ety an-tany mba hanao ireo ôrdônansy masina ireo ho azy ireo.

Fotoana taorian’izany tamin’io taona io dia natao batisa tao amin’ny tempoly ho an’ireo razambe telo ireo aho. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny hakanton’ny tantaram-pianakaviana sy ny hery entin’izany eo amin’ny fiainako aho.

Araka ny nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson: “Raha manana hery hitahiana ireo izay any ampitan’ny voaly ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, dia manana hery mitovy mba hitahiana ny velona koa izany. Izany dia mitondra fiantraikany tena tsara eo amin’ireo izay manolo-tena hanao izany. Manampy marina amin’ny fanatanterahana ny fisandratan’ny fianakaviany izy ireo.”

Fantatro fa marina ny Fiangonana ary tsy afaka ny hatao tanteraka isika raha tsy misy ireo razambentsika

Hamoaka printy