Liahona
Ilay asa lehiben’ny Tompo sy ilay fahafahana lehibe azontsika araraotina
Jolay 2024


“Ilay asa lehiben’ny Tompo sy ilay fahafahana lehibe azontsika araraotina,” Liahona, Jolay 2024.

Ilay asa lehiben’ny Tompo sy ilay fahafahana lehibe azontsika araraotina

Rehefa mitia sy mizara ary manasa isika dia miaraka miasa amin’ny Tompo amin’ny fanampiana ny fanahy sarobidy tsirairay mba hanatona Azy.

Sary
vehivavy anankiroa miresaka eo am-pidininana ny arabe

Ny mpaminany rehetra tato amin’ity fotoampitantanana farany sy lehibe ity dia nampianatra ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Nandritra ny androm-piainako dia nisy ohatra maromaro tonga tao an-tsaina:

Ny Filoha David O. McKay (1873–1970), izay mpaminany fony aho zatovo dia nanambara hoe: “Misiônera ny mpikambana tsirairay.”

Ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) dia nampianatra fa “ny andro hitondrana ny filazantsara any amin’ny toerana sy vahoaka maro kokoa noho ny hatramin’izay dia eto sy amin’izao fotoana izao,” ary “tsy maintsy mampitombo ny ezaka ataontsika isika” eo amin’ny fizarana ny filazantsara.

Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) hoe: “Lehibe ny asantsika ary goavana ny andraikitsika eo amin’ny fitondrana fanampiana amin’ny fitadiavana ireo olona ho ampianarina. Nomen’ny Tompo andraikitra isika mba hampianatra ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Hitaky ny ezaka tsara indrindra avy [amintsika] izany.”

Ary ny Filoha Nelson dia nampianatra hoe: “Ampahany manan-danja ao amin’ny fanangonana lehibe an’i Isiraely ny asa fitoriana ny filazantsara. Izany fanangonana izany no asa manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao. Tsy misy lehibe noho izany. Tsy misy manan-danja noho izany. Ny misiôneran’ny Tompo—ireo mpianany—dia mandray anjara amin’ilay fanamby lehibe indrindra sy tanjona lehibe indrindra ary asa lehibe indrindra eto ambonin’ny tany ankehitriny.”

Nahafantatra manokana izany aho fony misiônera tanora tany amin’ny Misiôna britanika. Vao mainka azoko antoka kokoa aza izany amin’izao fotoana izao. Amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ahy, dia mijoro ho vavolombelona aho fa hita na aiza na aiza ireo fahafahana azo araraotina mba hanampiana ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fampisehoana ny fitiavantsika, ny fizarana ny finoantsika ary ny fanasana azy ireo hiaraka amintsika hiaina ilay fifaliana avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Mandroso hatrany ny asa

Tombontsoa lehibe ho ahy ny nanomezana andraikitra ahy tao amin’ny Departemantan’ny Fiangonana misahana ny misiônera tamin’ny fotoana nampahafantarana ny edisiôna voalohan’ny Torio ny filazantsarako tamin’ny 2004, ary avy eo indray tamin’ny fampahafantarana ny edisiôna faharoa tamin’ny 2023. Mino aho fa ny Torio ny filazantsarako dia nitahy tamin’ny fomba lehibe tokoa ny asa fitoriana.

Ilay Torio ny filazantsarako vaovao dia ahitana ny zavatra rehetra nianarantsika nanomboka tamin’ny 2004, torolalana azo avy amin’ny fanentanam-panahy avy amin’ny mpikambana tsirairay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary fanovana natao eo amin’ny fizarana ny filazantsara ao anatin’izao vanim-potoana nomerika izao. Nitondra fahombiazana lehibe ny sasany tamin’ireo fanovana ireo.

Hitantsika fa ny fizarana ny filazantsara amin’ny fomba tsotra sy mahazatra amin’ny alalan’ireo fitsipika fonosin’ny “mitia, mizara, manasa” dia tena nitahy tokoa ny fanjakana. Nizara ny filazantsara tamin’izany fomba izany i Jesoa Kristy fony Izy niaina tety an-tany. Nizara ny fiainany sy ny fitiavany Izy ary nanasa ny olon-drehetra hanatona Azy (jereo ny Matio 11:28). Ny mitia sy mizara ary manasa tahaka ny nataony dia fitahiana manokana sy andraikitra manokana ho an’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana.

Atombohy amin’ny fitiavana

Nitondra teo Aminy ny fahotan’izao tontolo izao tao amin’ny Saha Getsemane sy teo ambony hazofijaliana i Jesoa Kristy, ary niaritra ny fijaliana rehetra sy “ny fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany” (Almà 7:11). Izany dia “nahatonga [Azy], …Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18). Nataon’i Jesoa Kristy ho azon’ny rehetra tratrarina ny famonjena sy ny fisandratana, tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Ny fitodihantsika amin’ny Mpamonjy sy ny fisaintsainantsika ireo zavatra rehetra nataony ho antsika dia hiteraka ao anatintsika fo feno fitiavana Azy . Ampitodihany any amin’ny hafa avy eo ny fontsika ary didiny isika mba hitia azy ireo (jereo ny Jaona 13:34–35) sy hizara ny Filazantsarany amin’izy ireo (jereo ny Matio 28:19; Marka 16:15). Raha toa ny manodidina antsika ka afaka mahatsapa fa tena tia azy ireo sy mikarakara azy ireo isika, dia azo inoana fa hosokafan’izy ireo ny fony handray ny hafatsika, toy ny nanokafan’i Lamônia Mpanjaka ny fony mba handray ny filazantsara noho ny fitiavana nasehon’i Amôna sy ny asa fanompoana nataony (jereo ny Almà 17–19).

Rehefa mizara ny filazantsara isika dia andeha hatombotsika amin’ny fitiavana izany. Rehefa manolo-tanana amim-pitiavana ny hafa isika, ka mahatsiaro fa izy ireo dia rahalahintsika sy anabavintsika ary anadahintsika sy rahavavintsika ary zanaka malalan’ny Raintsika any An-danitra, dia hisokatra ho antsika ireo fotoana azo araraotina mba hizarana ny zavatra izay fantatsika fa marina.

Manehoa fahazotoana hirotsaka sy hizara

Tsy nisy olona nanolo-tena hizara ny filazantsara mihoatra lavitra noho ny Filoha M. Russell Ballard (1928–2023). Tao anatin’ny lahateny farany nataony nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia nijoro ho vavolombelona izy hoe: “Anisan’ny zavatra be voninahitra indrindra sy mahatalanjona indrindra izay afaka ny ho fantatry ny olona iray ny hoe naneho ny Tenany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo tamin’izao andro farany izao ary i Joseph [Smith] dia nantsoina mba hamerina amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara mandrakizain’i Jesoa Kristy.”

Ny Filoha Ballard dia nazoto nirotsaka tao amin’ny fizarana tamin’ny olona rehetra io hafatra sarobidy io nandritra ny fiainany sy nanerana an’izao tontolo izao. Namporisika antsika hanao toy izany koa izy. Nampianatra ny Filoha Ballard fa afaka mizara ny filazantsara isika “amin’ny fetezana [ho] [mpiray monina] tsara sy amin’ny fanehoana fikarakarana ary amin’ny fanehoana fitiavana.” Rehefa manao izany isika dia afaka “mampiely ny filazantsara eo amin’ny [fiainantsika] manokana, ary … mampiely ho an’ny [hafa] ireo fitahiana izay azo avy amin’ny filazantsara.” Azontsika atao ihany koa ny “mijoro ho vavolombelona momba ireo zavatra izay fanta[tsika] sy inoan[tsika] ary izay tsapa[tsika].” Nampianatra ny Filoha Ballard fa, “Ny fijoroana ho vavolombelona madio … dia azo entina amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ao am-pon’ny hafa izay misokatra handray izany.”

Ny hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny no faniriana lehibe indrindra tao am-pon’ny Filoha Ballard. Afaka ny hazoto hirotsaka isika, tahaka azy, amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny teny sy ny asa. Tsy fantatsika velively izay olona mety mikaroka ny fahazavan’ny filazantsara nefa tsy mahafantatra ny toerana hahitana izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12).

Sary
lehilahy anankiroa miakatra tohatra vitsivitsy

Manolora fanasana avy amin’ny fo

Ao anatin’ny fanampiana ny hafa hanatona an’i Kristy dia manasa azy ireo isika hiaina ny fifaliana izay entin’ny Mpamonjy sy ny Filazantsarany. Azontsika atao izany amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hanatrika fiaraha-mientana iray, na hamaky ny Bokin’i Môrmôna, na hihaona amin’ireo misiônera. Azontsika atao koa ny manolotra fanasana avy amin’ny fo ho azy ireo mba hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo miaraka amintsika.

Manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo isika isan-kerinandro mba “[h]itsaoka an’ Andriamanitra sy [h]andray ny fanasan’ny Tompo mba hahatsiarovana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.” Io no fotoana tsara ho an’ny olona mba hahatsapany ny Fanahy sy hanatonana kokoa ny Mpamonjy, ary hampatanjahana ny finoan’izy ireo Azy.

Rehefa mitady ireo fomba ahafahana mitia sy mizara ary manasa isika dia tokony hahitana ny fanampiana ny olona hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny drafitra sy ny ezaka ataontsika. Raha manaiky ny fanasantsika izy ireo ary hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia azo inoana fa hanohy handeha eo amin’ny lalana mitondra any amin’ny batisa sy ny fiovam-po izy ireo. Mino amin’ny foko manontolo aho fa hitranga ny fahombiazana lehibe rehefa manasa ny hafa isika mba hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo ary manampy azy ireo hamantatra ireo fitahiana afaka ny ho azony amin’ny alalan’ny fanaovana izany.

Hitarika antsika ny Tompo

Tsy fantatsika velively izay fahombiazana sy olana ho hitantsika rehefa mitia sy mizara ary manasa isika. Ireo zanakalahin’i Môzià “dia nandeha isan-tanàna, … ary avy tao amin’ny trano fiderana anankiray dia nankao amin’ny iray hafa, … tany anivon’ny Lamanita, mba hitory sy hampianatra ny tenin’ Andriamanitra any anivony; ary dia toy izany no nanombohany nahita fahombiazana lehibe.” Noho ny ezaka nataon’izy ireo dia, “an’arivony no voatarika ho amin’ny fahalalana ny Tompo” ary maro no “niova fo … [ary] tsy nihemotra na oviana na oviana” (Almà 23:4–6).

Na tsy hiaina lalandava izany zavatra izany aza isika dia nampanantena ny Tompo fa hiara-hiasa amintsika Izy satria sarobidy Aminy ny fanahy tsirairay Raha mametraka ny fitokiantsika amin’ny Tompo isika sy mirotsaka amin’ny fanompoana Azy dia hitarika antsika Izy ao anatin’ny fomba hizarana ny Filazantsarany amin’ny hafa, amin’ny alalan’ny fitiavana azy ireo sy ny fizarana ny fiainantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’izy ireo, ary amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hiaraka amintsika mba hanaraka Azy.

“Akory ny halehiben’ny fifalian[tsika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15) rehefa araraotintsika ireo fahafahana rehetra manodidina antsika hanampiana an’i Jesoa Kristy Tompo amin’ny asany lehibe, dia ny fitondrana ireo fanahy eo Aminy.

Hamoaka printy