Liahona
Ireo fahamarinana roa manampy ahy hahatakatra ny fanetrentena
Jolay 2024


“Ireo fahamarinana roa manampy ahy hahatakatra ny fanetrentena,” Liahona, jolay 2024.

Tanora

Ireo fahamarinana roa manampy ahy hahatakatra ny fanetrentena

Afaka manampy amin’ny avonavona sy ny fahatsapan-tena ho tsy mahay ny fanetrentena.

Sary
lehilahy tanora ao amin’ny efitrano fianarana ao am-piangonana

Sarina mpikambana any Paragoay nalain’i Leslie Nilsson

Fahamarinana iray: Zanak’ Andriamanitra aho Ary fahamarinana mahagaga sy avy amin’ Andriamanitra izany.

Fahamarinana manan-danja mitovy amin’izany: Koa satria zanak’ Andriamanitra ihany koa ny olon-kafa rehetra eto amin’ity tany ity dia olona mahagaga sy mitovy amin’ Andriamanitra koa izy ireo.

Mety hoe samy miharihary avokoa ireo fahamarinana roa ireo saingy elaela vao tena tafalatsaka tao anatiko sy takatro ny dikan’izy ireo eo amin’ny fiainako. Mahatsapa ho meloka aho indraindray rehefa mandray toe-javatra iray amin’avonavona, ka mihevitra fa izany no fomba mety na izaho no mahay kokoa noho ny hafa. Indraindray kosa aho manao ny mifanohitra amin’izany, ka mahatsapa ho tsy mendrika firy na tsy manan-danja noho ny hafa manodidina ahy.

Mitovy ny vahaolan’ireo olana roa ireo:

Fanetrentena.

Moa ve nisy tsy ampy tamiko?

Nisy traikefa iray izay tena nampanetry tena ahy nitranga nandritra ny asa fitoriana nataoko. Heveriko fa miady amin’ny fahatsapan-tena ho tsy mahay ny ankabeazan’ireo misiônera eo am-pihezahan’izy ireo hitondra olona mankany amin’i Jesoa Kristy. Nandany ora maro isan’andro aho tany amin’ny misiônako niezaka tsotra izao mba hahita olona hampianarina ary nolavina ombieny ombieny. Tsy nahatsapa ho nahomby aho. Tsy nahatsapa aho hoe ampy ireo ezaka nataoko. Nony farany dia nanomboka nahatsapa aho fa tsy ampy aho.

Na dia toa tsy fanetrentena aza no nilaiko dia nanampy ahy hahita ny filohan’ny misiônako rehefa nohazavaiko taminy ny fahatsapako fa anisan’ny olako ny mieritreritra fa tsy voakasiky ny olana atrehan’ireo misiônera manerana izao tontolo izao aho. Saingy tsy izaho no misiônera voalohany nahatsapa ho nolavina ary tsy ho izaho no ho farany.

Somary noreseko lahatra ny tenako fa hadisoako tanteraka ny fisian’ireo olako, na dia eo aza ny hoe niatrika zavatra ratsy lavitra noho ny fandavana sy ny fanenjehana efa nanjo ahy ireo misiônera sasany tsara indrindra teo amin’ny tantara, toa an’ireo Apôstôly Roambinifolo voalohany sy ireo zanakalahin’i Môzià ary i Almà Zanany.

Tsy nalahelo momba ny tenako intsony aho fa nanomboka kosa ho afaka nahatsapa ny tenako ho soroka niara-nilanja tamin’i Jesoa Kristy an’ireo olako. Ary rehefa nahatsapa ho afa-baraka ny amin’ireo ezaka tsy tonga lafatra ataoko aho dia tsaroako ny zavatra nampianarin’ny Filoha Jeffrey R. Holland, Filoha mpisolo toerana an’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Hivimbina ireo misiônera mihoatra lavitra noho ny hivimbinan’izany an’ireo naman’ny Fiangonana ny Sorompanavota[n’i Kristy]. Rehefa sendra olana ianareo, rehefa lavina ianareo dia, … miara-mijoro amin’ilay olona tsara indrindra teto amin’izao tontolo izao, ilay hany olona madio sy tanteraka niaina teto an-tany.”

Mbola mitodika amin’io traikefako io aho rehefa mila mahatsiaro ny manetry tena sy mahatoky ny Tompo.

Lesona iray momba ny fanetrentena

Nianatra zavatra maro momba ny maha-zanak’ Andriamanitra ahy aho fony tany amin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Saingy rehefa nody aho dia tonga saina fa mbola maro ny zavatra mila ianarako momba ny lanjan’ny fahatsiarovana fa zanak’ Andriamanitra koa ny olona hafa.

Tsy ela taorian’ny nodiako aho dia nahazo antso sarotra tsy nampoizina sy nampiandraiketana hetsika manan-danja iray. Nahatsapa ho tototra aho ary tsy afaka nifandray tamin’ny olona tokony hanampy ahy. Nandefa mailaka aho izay, tsoriko, fa nampiasaiko teny mahery.

Marina ny ahy fa nanan-danja ilay antso ary nila fanampiana bebe kokoa aho, saingy vetivety dia tonga saina ao fa mety tsy ho izany no fomba tsara indrindra fampazotoana olona. Nila fanetrentena aho; nila nahatsiaro aho fa mety ho nanao zavatra nanahirana azy ireo manokana ihany koa ny olon-kafa.

Araka ny nampianarin’ny Loholona Steven E. Snow fony izy mpikambana tao amin’ny Fitopololahy hoe: “Raha manetry tena isika dia hovaliana ny vavaka ataontsika; hahazo fiadanan-tsaina isika; hahomby kokoa isika rehefa manompo ao amin’ny antsontsika; ary raha mijanona ho mahatoky hatrany isika dia hiverina eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra amin’ny farany.”

Tena nahatsapa fifaliana bebe kokoa aho tao amin’ny antsoko sy teo amin’ny fiainako rehefa nianatra nanetry tena kokoa.

Mampifandanja fahamarinana roa

Ho ahy dia tena niompana tamin’ny fampifandanjana ireto fahamarinana ireto ny fianarana ny fanetrentena marina:

Zanak’ Andriamanitra aho. Ary voahodidina zanak’ Andriamanitra hafa aho.

Rehefa nianatra misimisy kokoa momba ny fanetrentena aho dia tsapako fa marina ny zavatra nampianarin’ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe: “Ny fanetrentena dia tsy karazana zava-bita lehibe mivandravandra na koa fandresena olana goavana be. … Fa fananana fahatokian-tena mangina kosa izany fa afaka miantehitra amin’ny Tompo sy manompo Azy ary manatratra ny tanjony isan’andro isan’andro sy isan’ora isika.” Nianatra aho fa afaka ny hanatratra ireo tanjon’ny Tompo aho, saingy tsy tanteraka izany raha tsy rehefa manaiky ny sitrapony sy matoky aho fa Izy no mahafantatra ny tsara indrindra.

Fantatro fa rehefa miezaka ny ho lasa manetry tena sy tahaka an’i Kristy kokoa isika dia hitahy antsika amin’ireo ezaka ataontsika ny Ray any An-danitra.

Monina any Francfort, Alemana ny mpanoratra.

Hamoaka printy