2023
Mampifandray
Jolay 2023


“Mampifandray,” Ho zatovo mahery! Jol. 2023.

Mampifandray

Aura K.

16, Nairobi, Kenya

Sary
zatovovavy

Sary nalain’i Benson Arudo

Tia mahandro mofomamy aho. Tiako ny mahita ny tsiky eny amin’ny endriky ny olona noho ny fankafizana mofomamy. Tia tsakotsako matsiro avokoa ny olona. Indray andro dia navelan’ny reniko tao an-dakozia daholo ny laro fanaovana mofomamy misy akondro saingy nalaina izy ny hanamboatra azy.

Nanapa-kevitra aho ny hanamboatra mofomamy misy akondro ho azy. Tsy ela akory dia fantatro fa tsy ho azy ilay mofomamy misy akondro. Fa homeny ireo mpianany no nanamboarany izany. Faly erỳ ny reniko tamin’ny nanampiako azy toy izany.

Ny asa fitoriana no zavatra iray hafa tiako atao! Anisan’ny zavatra fanaon’ny ato amin’ny Fiangonana izay nankafiziko hatramin’izay ka hatramin’izao ny manome olona tahadikan’ny soratra masina sy mihira fihirana ho azy ireo.

Nisy fotoana aho tratran’ny namako namaky ny gazetiboky Liahona ka nanontaniany momba ny Fiangonana. Nohazavaiko taminy ny momba ny fibebahana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Liana erỳ izy ka nomeko azy ilay tahadikan’ny Liahona.

Tiako ny mampiely ny filazantsara amin’ny hafa mba hahazoan’izy ireo fahafahana hahafantatra misimisy kokoa momba ny Ray any An-danitra.

Hamoaka printy