2023
Zarao ny zavatra tianao
Jolay 2023


“Zarao ny zavatra tianao,” Ho zatovo mahery! Jolay 2023.

Zarao ny zavatra tianao

Manome hery anao hizara ny filazantsara ny fitiavanao ny filazantsara sy ny hafa ary ny Tompo.

Sary
Jesoa Kristy, origami, smartphone, fanjaitra sy kofehy, tetezana, Bokin’i Môrmôna

For This Purpose [Noho izany antony izany], nataon’i Yongsung Kim, Havenlight.com

Fony aho misiônera tanora nanompo tany amin’ny misiôna britanika no nitsidihako voalohany ny Renirano Ribble nifanila tamin’i Preston, Angletera. Teo no nanaovan’ny Apôstôly Heber C. Kimball batisa ireo olona voalohany niova fo ho an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, tany ivelan’ny Amerika Avaratra tamin’ny jolay 1837.

Raha nijoro teo amin’ny tetezana iray tambon’ilay renirano aho sy nieritreritra ny zava-nitranga teo, dia nahazo tenivavolombelona manome hery momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.

Zavatra niainana nahatalanjona sy namaritra ny fiainako ny asa fitoriana nataoko. Matetika aho ankehitriny no misaintsaina lalina ny amin’ny maha fifaliana lehibe ho ahy ny mandany ny androatokom-piainako amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tsy misy na inona na inona zavatra hafa manan-danja kokoa azoko sainina.

Ny ilana ny fitoriana ny filazantsara

Alaivo sary an-tsaina ange ny hoe iray tamin’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy hono ianao tamin’ny fotoana nitsanganany tamin’ny maty. Moa ve tsy ho nahafinaritra aok’izany ny nahita sy nandre ny hafany?

Fanasana sy didy mba hizara ny filazantsara no hafatra mafonja nomen’ilay Tompo nitsangana tamin’ny maty. Hoy Izy hoe: “Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra” (Matio 28:19), ary “mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra” (Marka 16:15).

Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson fa “tsy mbola nilaina mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. … Manana andraikitra masina isika ny hizara ny hery sy ny fiadanan’i Jesoa Kristy amin’izay rehetra hihaino sy hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany.”1

Mila anao ny Tompo amin’izao

Miaina ao anatina fotoana miavaka sy manan-danja ianao, dia ny fotoampitantanana farany mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Naminany ny Mpaminany Joseph Smith fa mialoha ny hiavian’ny Tompo indray “ny fahamarinan’ Andriamanitra dia handroso amim-pahasahiana, amim-boninahitra ary tsy hiankina amin-javatra hafa, mandrapanenik’izany ireo kaontinanta rehetra, hitsidihan’izany ny havoana rehetra, handalovany ny firenena rehetra ary hikasihan’izany ny sofina rehetra, ka ho tanteraka ny tanjon’ Andriamanitra ary hilaza ilay Jehovah Lehibe hoe vita ny asa.”2

Iza no hanampy amin’ny fanatontosana izany? Ianao!

Tsy voatery hoe misiônera manompo amin’ny fotoana feno ianao vao afaka mizara ny filazantsara. Mila anao ny Tompo izao ankehitriny izao mba hanao ny fizarana ny filazantsarany izay mitondra fifaliana sy misy lanjany mandrakizay amin’ny alalan’ny teny sy ny asa, ho fomba fiaina sy ho isan’ny maha ianao anao.

Mifantoha amin’ny fitiavana

Ny antony lehibe indrindra izarantsika ny filazantsara dia satria izany no nangatahan’ny Tompo mba hataontsika. Mety ho sarotra izany indraindray kanefa mampanantenana anao aho fa rehefa mifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompo sy ny halehiben’ny fitiavanao Azy ary ny halehiben’ny fitiavany anao ianao, dia hotarihana ianao amin’ireo ezaka ataonao.

Sary
fanita-jery eo amin’ny sarin’i Jesoa Kristy

He is Risen [Efa nitsangana Izy], nataon’i Greg Olsen

Ny fitiavanao ny filazantsara sy ny hafa ary indrindra fa ny fitiavanao ny Tompo dia hahatonga anao hanaiky ny fanasany masina mba hizara ny filazantsarany.

Tiavo ny filazantsara

Nilaza ny Tompo hoe: “Mianara Amiko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23; Matio 11:29). Arakaraka ny handalinanao ny filazantsara sy ianaranao amin’i Jesoa Kristy sy ny iraka masina notanterahiny amin’ny maha Mpamonjy sy Mpanavotra Azy no hitomboan’ny fitiavanao ny filazantsara.

Mizara ny fitiavanao ny filazantsara ianao rehefa miaina izany. Nampianatra i Paoly Apôstôly hoe: “Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana” (1 Timoty 4:12). Matetika ny olona no mora mandray ny filazantsara noho izy ireo efa nanana zavatra tsara niainany tamina mpikamban’ny Fiangonana. Miangavy anao aho tsy hiafina eo amin’ny lafiny ara-panahy. “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo” (Matio 5:16) ary asehoy ny hafa fa ampahany manan-danja amin’ny fiizinao sy ny zavatra ataonao ny filazantsara.

Tiavo ny hafa

Eritrereto ny momba ireo namanao. Moa ve misy horonan-tsary sy hira ary sakafo tianao ka tian’izy ireo koa? Moa ve misy amin’ireo talenta anananao sy fialambolinao zarainao amin’izy ireo? Mety efa ho nanontany tena angamba ianao raha toa izy ireo ka hiraika amin’ny filazantsara raha mizara izany amin’izy ireo ianao. Tsy ho fantatrao izany raha tsy andramanao. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Ny olona rehetra dia mendrika ny hanana fahafahana ny hahafantatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.”3

Tolory tanana am-pitiavana ireo namana, ny olona ao amin’ny fianakaviana, ny mpifanolobodirindina, mpiara-mianatra ary ny hafa—ka tadidio fa izy ireo dia rahalahy sy rahavavy ary zanaka tian’ny Rainao any An-danitra—dia ho hitanao fa mora kokoa ny mizara ny filazantsara amin’izy ireo.

Tiavo ny Tompo

Amin’ny maha mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika, ny hafatra omentsika izao tontolo izao dia ny hoe velona i Jesoa Kristy. Noho Izy dia afaka ny hahazo famonjena sy fisandratana ny tsirairay avy amintsika.

Ho tsapanao ny fitiavan’ny Tompo anao rehefa saintsaininao avokoa ireo zavatra rehetra efa nataony ho anao. Ho heniky ny fitiavana Azy ny vatana amam-panahinao ary ho hitanao fa tsy ho hainao ny tsy hizara ireo fahamarinana mahatalanjona izay efa noraisinao avy Aminy.

Akory ny halehiben’ny hafalianareo

Ny zavatra niainana nanentana ny fanahiko teo amin’ny Renirano Ribble fony aho misiônera tanora dia nanome ahy ilay fifaliana mandrakizay nampanantenaina ho an’ireo izay mizara ny filazantsara (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15).

Amin’ny maha Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ahy dia vao mainka aza azoko antoka ankehitriny fa ny fizarana ny filazantsara dia fifaliana sy fanehoana amin’ny fomba lehibe indrindra ny fitiavantsika ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny sy ireo zanak’ Andriamanitra ary ny Tompo.

Sary
Quentin L. Cook miaraka amina tanora

Ny Loholona Cook miresaka amin’ireo zatovo izay nafindra toerana noho ny fipoahan’ny Vôlkano Taal tany Batangas, Filipina, tamin’ny 15 janoary 2020.

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manaiky ilay fanasan’ny Tompo ianao ary mizara ny zavatra tianao, dia manampy Azy manorina ny Fiangonany ianao izay ary manomana izao tontolo izao ho amin’ny fiverenany, rehefa “hanapaka amin’ny maha Mpanjakan’ny mpanjaka sy … amin’ny maha Tompon’ny tompo Azy Izy.”4 Mivavaka aho mba hanarahanao Azy sy hizaranao ny filazantsarany mandritra ny fiainanao manontolo.

Hamoaka printy