2023
Ireo fitahiana avy amin’ny seminera
Jolay 2023


“Ireo fitahiana avy amin’ny seminera,” Ho zatovo mahery! Jolay 2023.

Ireo fitahiana avy amin’ny seminera

Sary
zatovovavy

Tamin’ny voalohany dia tsy nino aho hoe ho vitako izany sady tsy vonona aho ny hifoha maraina sy handeha an-tongotra hamonjy ny kilasin’ny seminera. Saingy nanampy ahy hamantatra ny tenako sy handre ny feon’ny Tompo sy ny fitarihany ny fanatrehana seminera.

Mamerina mifantoka foana amin’ny fiadanam-po, fifaliana, fitiavana sy fanohanana ary fampiononana aho amin’ny seminera. Tsapako lalina fa ny Tompo no mitarika ny seminera.

Noho ny fanatrehako seminera dia afaka nianatra namaky sy nanana fahatokian-tena ary natoky ny tenako aho. Fantatro fa marina ny soratra masina. Ny soratra masina dia mitarika ahy rehefa mahatsapa tena ho very aho ary mampianatra ahy isak’izay mandalo tontolo andro ratsy aho.

Gabriella K., Haut-Katanga, République Démocratique du Congo

Hamoaka printy