2023
Mahita fonenana sy fitiavana ary firaisam-po
Jolay 2023


“Mahita fonenana sy fitiavana ary firaisam-po,” Ho zatovo mahery! Jolay 2023.

Fototra mafy orina

Mahita fonenana sy fitiavana ary firaisam-po

Sary
fianakaviana mankany am-piangonana

Sary nataon’i Jessica Parker

Tsy maintsy nandao ny fianakaviana niteraka ahy aho fony aho enin-taona. Nampalahelo sy nampatahotra be izany. Volana vitsivitsy taorian’ny nitrangan’izay no nahenoako voalohany momba ny Fiangonana.

Nanomboka nifandray tamina fianakaviana iray aho, izay lasa fianakaviana nitaiza ahy. Izy ireo dia nanan-janaka maro izay tsara fanahy tamiko sy tia ny Mpamonjy. Navelan’ilay fianakaviako vaovao hiaraka amin’izy ireo tany am-piangonana aho ary nahatsapa tena ho voaro sy faly aho tany.

Nila taona vitsivitsy nandehanana tany am-piangonana sy namakiana soratra masina aho talohan’ny nahatakarako ny dikan’ny filazantsara, ka dia naniry mafy ny hatao batisa aho. Natsangan’ilay fianakaviana nitaiza ahy aho nony farany rehefa feno 12 taona ary afaka natao batisa aho raha tiako izany!

Nijoro ho vavolombelona aho tamin’ny batisako ary nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra nihodidina ahy tamin-kery lehibe.

Ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna sy ny fianarana momba an’i Jesoa dia nanampy ahy hahafantatra fa tsy irery aho ary zanak’ Andriamanitra aho. Ho eo foana Izy ho ahy, eny fa na dia tsy mizotra araka izay itiavako azy aza ny zava-drehetra.

Violet B., Hawaii, Etazonia

Hamoaka printy