2023
Ahoana raha misy olona milaza amiko fa ny siansa dia mandiso ny zavatra inoantsika?
Jolay 2023


“Ahoana raha misy olona milaza amiko fa ny siansa dia mandiso ny zavatra inoantsika?,” Ho zatovo mahery! Jolay 2023.

Valiny fohy sy mivantana

Ahoana raha misy olona milaza amiko fa ny siansa dia mandiso ny zavatra inoantsika?

Sary
fitaovana fampiasa amin’ny siansa

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana rehetra. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manaiky ny fahamarinana rehetra izay ampitain’ Andriamanitra amin’ireo zanany, na nianarany tao amin’ny laboratoara siantifika izany na azo tamin’ny fanambarana mivantana avy Aminy” (“Inona no marina?” Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôkt. 2022 [ Liahona, nôv. 2022, 30]).

Raha milaza ny olona fa ny siansa dia manohitra fahamarinana iray ao amin’ny filazantsara dia ireto misy zavatra mila atao an-tsaina:

Tokony hofantarinao ireo zava-misy. Fantaro ireo foto-kevitra ijoroan’ny siansa (na tsia); torak’izany koa ireo foto-kevitra ijoroan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny (na tsia). Ataovy lohalaharana ny fandalinana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpampinany.

Tena misy ny fahalalana ara-panahy. Ny siansa dia fomba iray fianarana ireo fahamarinana momba ny tontolo azo tsapain-tanana. Saingy misy fahamarinana sasantsasany izay tsy omen’ Andriamanitra antsika raha tsy amin’ny alalan’ny fanambarana. Afaka manam-pinoana ianao fa ny Fanahy Masina dia “milaza ny amin’ny zavatra araka ny tena toetrany” (Jakôba 4:13).

Mitaky faharetana ny finoana. Asiam-panavaozana isaky ny misy zava-baovao hita ny fahalalana ara-tsiansa. Indraindray isika dia voatery tsy miandry ny siansa tsotra izao mba haharaka ny fahamarinana izay nambara. Afaka mifikitra amin’ireo fahamarinana ara-panahy lehibe isika mandra-pahafantarantsika ireo antsipiriany kely indrindra amin’ny filazantsara.

Hamoaka printy