2023
Mivavaka mba hahazo fanampiana manoloana ireo mpietraketraka
Jolay 2023


“Mivavaka mba hahazo fanampiana manoloana ireo mpietraketraka,” Ho zatovo mahery! Jolay 2023.

Fototra mafy orina

Mivavaka mba hahazo fanampiana manoloana ireo mpietraketraka

Sary
zatovo any am-pianarana

Sary nataon’i Jessica Parker

Indraindray ny olona mitsara antsika amin’ny maha mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika sy noho isika miavaka. Tamin’ny herintaona aho dia nohetraketrahin’ny olona mafy tany am-pianarana. Saingy tsapako ny fanampian’ Andriamanitra rehefa nanampy niaro tena tamin’ireo mpihetraketraka ny hafa. Toy ireny hoe ampinga fiarovana avy tamin’ Andriamanitra ireny izany.

Nivavaka aho ny mba hamelako ny olona izay nihetraketraka tamiko. Namela azy ireo aho tao am-poko ka afaka mitsiky amin’izy ireo aho izao ary miarahaba rehefa mahita azy ireo.

Tiako ny manampy ny hafa, toy ireny mpiara-milalao ao anaty ekipa-na baolina kitra ireny, fa tsy mitsara olona. Tiako ny hafa hahita ny zavatra rehetra izay mandrafitra ny maha izy ahy sy ny fiizin’ny hafa.

Matthew H., Arizona, Etazonia

Hamoaka printy